TSIAHY SY NY HO AVY - ENDRIKA VAOVAO
Toetra Ràja - 05/05/2024

TSIAHY SY NY HO AVY - ENDRIKA VAOVAO

Mitafy endrika vaovao ny bokin'i Andry Tiana Rasamindrakotroka "Tsiahy sy ny ho avy". Napariaka nanomboka tamin'ny taona 2021 mantsy ny edisiona voalohany natontan'ny ECOPRIM ary ahitana takila 164.

Teraka tamin'ny 27 Avrily 2024 teo kosa ilay endriny vaovao nahazo laharana ISBN, edisionan'ny Independently published. Niakatra ny isan'ny takila, mitontaly 276, satria nisy ampahany natao tamin'ny teny frantsay ary niampy 20 ny tononkalo. Eo amin'ny fonony dia efa ahitana ny dikan'ny lohateny amin'ny teny frantsay "Le passé et l'avenir". Raha fotsy ny fonony ivelany teo aloha dia mena midorehitra izany ankehitriny. Mbola i Esther Rasoloarimalala RANDRIAMAMONJY hatrany no teo amin'ny teny fanolorana, narahin'ny "Fifaliana ifampiazarana' an'ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi.

Mampiavaka an'ity boky ity, toy ny tao amin'ny edisiona voalohany ihany, ireo tononkalo maro maneho fahendrena sy anatranatry ny raiamandreny, miampy ny tovana matevina manambara ny sorapiainany sy ny fanehoan-kevitra samihafan'ireo namana sy oloben'ny firenena mifanerasera aminy.

Azo atao ny mamandrika ny boky ao amin'ny tranonkalan'ny Amazone amin'ity rohy ity:

Azontsika atao koa ny mitsidika ny tapatapakahitra nifanaovany tamin'ny Poetawebs tamin'ny 07 Jona 2020:


Edisiona 2021
Edisiona 2024


Date de dernière mise à jour : 05/05/2024