Créer un site internet

Mihintsana, mihintsana ihany !

Tsingerina Samüel Ratany 2024
Tsikimilamina Rakotomavo - 16/07/2024

MIHINTSANA, MIHINTSANA IHANY !

TSIARO AN’I SAMUEL RATANY

(1901-1926)


Samuel RATANY, poeta maneho ny trangam-piainana izay mahonena ny ankamaroany. Rehefa tojo ny adihevitra anefa izy dia manan-kambara amin’ny alalan’ny teny kanto maro loko ka mahavelom-bolo ny sy maha te hianoka. Samuel RATANY, poeta malemy fanahy ka nahay nihavana tamin’ny mpiara-belona. Ny fahatsoram-pihetsika amin’ny alalan’ny tsiky eo imolony no manamarika izany. Samuel RATANY, poeta tia fivoarana ka sahy mitondra izay hevi-mafonja hampivelarana ny tontolon’ny poezia. Amin’izao tsiaro an’i Samuel RATANY izao àry dia maneho an-karihary ireo niara-dalana taminy fa niavaka izy.

Hoy J.-J. Rabearivelo tao amin’Ny mpandinika lah 153, 29 oktobra 1926

"Ity fahatanorana ankehitriny iky! mihintsana, mihintsana ihany!
(…)
Ny fonao ry sakaiza malala, masoandro milentika alohan’ny mitataovovonana - ilay fonao feno hira, toy ny an’ireo domohina sy railovy nentinao ho sarin’ny fahatanorana, dia hamaky ny lalana mampiparasaka anao ankehitriny amin’ny fiainana, ary hitepo lalandava eo ampovoan’ireo namanao izay miara-manandratra ny hiranao hoe :

Tompo ô ! izay mamboatra
Sy mandahatra ao ambony
Leom-pahoriana loatra
Itony nofonay itony"

Rafanoharana kosa nikalo tao amin’ny valiha simba izay notsongaina tao amin’ny Ny Mpandinika lah 155, 12 Novambra 1926 :

"Indrisy, ry valiha naneno aok’izany
 Ry ilay mandrotsirotsy ny saina be vinany
 Nankaiza ankehitriny ? O ! lozanao ry Tany !
 Tinapakao ny tady, ka bao no niafarany !"

Simeon Rajaona indray tao amin’ny Takelaka Notsongaina I dia nilaza fa :
"Indraindray ny aretim-panahy asehon’ny embona sy hanina dia toa vokatry ny adin-tsaina sy adim-panahy samirery mandazo ny mpanoratra ary raha ny lokon’ny embona sy hanina aza no jerena dia toa hita ao amin'ny aretim-panahy amin’ny romantika. Toy izany no nosoratan- dRatany sy Rabearivelo : Embona sy Tsy embona akory"

D.Rawelas dia namosaka tao amin’Ny Fandrosoana Vaovao lah 32, 10 oktobra 1926 fa
"Nanana idealy ambony nokendrena Itompokolahy Tanicus dia ny hanondrotra ny poezy malagasy eo amin’ny toerana ambonimbony kokoa, ka ny asany dia nampiseho fa mety ho afaka amin’ny ziogan’ny hevitra teritery ny poezy malagasy handroso amin’ny lalan’ny fahatsarana tanteraka"

Haingo dia nanasongadina tao amin’ny TRIBUNE ny 27 desambra 1988 fa
"Toy ireo mpiray etrok’afo taminy, dia mandrakariva no hita nivohitra teny anaty soratsorany ny tara-kevitra romantika. Ny fikaloana ny embona sy hanina, fihetseham-po hany nahafahana naneho ny fanoherana ny fanjanahantany.
Nohirainy koa ny fiheverany fa na inona na inona zava-manjo sy mihatra amin’ny olona, dia tokony hibaiko ny tenany izy mba hahay hampionon-tsaina"

Tsikaritra tamin’ny voambaran’ireo mpanoratra samihafa ireo fa poeta miavaka i Samuel RATANY. Hainy mantsy ny manandratra ny hakanton’ny teny amin’ny soratra feno angaly mirenty samihafa. Miara-dalana amin’ireny ny fihetseham-po aterany izay mampamolivoly ny ao anaty. Ny tsiaro tahaka izao anefa tsy mivela ho tsiahy fotsiny fa natao indrindra hanairana ny hambon-tsaina hiezaka hanatratra ny tanjona dia ny fivoarana amin’ny sehatra maro.

Date de dernière mise à jour : 14/07/2024