Aiza kosa i Ndrematoan'ny aiko? - Stella
Heriarilala Andriamamonjy - 28/05/2024

STELLA, NIVOY FITIAVAN-JANAKA

Fandalinana ny lahatsoratr'i Stella (Edouard Andrianjafintrimo) "Aiza kosa Ndriamatoan'ny aiko?" ho fanamarihana ny faha-143 taona nahaterahany (28/06/1881 - 28/05/2024)

__________________

Injay mirefodrefotra be ihany ny tsipoapoakan’ny ankizy any ala-trano any tamin’ny 13 juillet, ka taitra ery i Josefa  kely.

— Dada ô! hoy izy tamin’ity dadabeny, fa izany no fiantsony azy, satria tsy fantany ho tsy izy no niteraka azy.
— Ahoana, sombinaiko? hoy Rangahy sady somary niarin-doha kely izy, fa mandry eo am-pandriana manavinavy.
— He izany tsipoapoakan’ny ankizy; renao moa izany, ry dada? Odrey! he izany izy!
— Reko izany, sombinaiko, hoy Rangahy, sady nosafofosafoiny ny lohan’i Josefa mipetraka eo aminy eo am-parafara.
— Aiza izay mba tsipoapoakako, ry dada ô ?

Saika tankina tampoka ny fiainan-dRangahy, nandre an’ izany. Tsy misy na dia varifitoventy akory aza ao aminy. Rafotsy no lasa nankany amin’Andriamatoa zanany lahy hangataka vola any hakana fanafody, sy hamidy kitay sy jiro ary sakafo.

"To' zay re, hoy Rangahy an’eritreritra, nasaiko nanombinany varifitoventy izay vola azony any, hividianany tsipoapoaka, na inona na inona tsy ho ampy". Nasesiny ihany ny tenin'i Josefa kely:

— Ividiano tsipoapoaka kely aho, ry dada ô! He izany an’ ny ankizy.
— Eny, anaka, hoy Rangahy, andraso aloha ho avy reninao.

(...)

Nony ampitso maraina, rehefa nafampana kely ny andro, indry navalombalon-dRangahy ilay lamba soga roa sosona avy nirakofany.

— Aoka re, hoy Ramatoa, ny ilany ihany no hamidy, fa tsy misy hirakofana, nefa ianao manavy.
— Ka tsy hisy hividianan-kanina sy vorona mba hihinanan’i Sefa ny feny anie, hoy Rangahy.
— Dia hilaozan’izay fototr’elany iray ve avy any amin-dry Ndrematoa rehefa, hoy Rafotsy, fa raha atao indray mivarotra , harary mihitsy ianao ; io ilany tokana sisa io aza, ahiko tsy haharo hatsiaka akory, ka matahotra anao harary aho.

Tsy nahaleo ditra ny vavy Rangahy, sady nanantena ny hanateran-dry Randriamatoany vodivorona sy fototr’elany rehefa, ka dia nilarina ny lamba.

Rafotsy no nde ho any an-tsena, nefa nitomany hanaraka : azy koa i Josefa, fa tsy nahandry, ka nentina. Tsy nahatoha ny hijanona irery ao Rangahy, sady efa niafana ihany, ka dia niaraka ho any an-tsena izy telo mianaka. Napetraka teo amin'ilay mpivarotra lon-damba iny; kanefa loza ny fimenomenon'i Josefa kely tsy mahandry, ka namidy tamin'io sakaizany io, natao lasiventy fa mbola hila tombony, hono, izy. Vao nahazo vola izy, dia nividy tsipoapoakan'ilavoamena, mofo varifitoventy, vary lasiray, kitay ilavoamena, jiro varifitoventy. Lasiray no sisa; kanefa tsy mahazo vorombazaha intsony: ka nividianany laokan’ilavoamena, fa ny katisoa hatao fiandry; kanjo ny ilavoamena nividianana kininina. Fatratra ny hafalian’ i Josefa, nefa ny an’izy mivady nahita an-janany faly no nanoatra, fa mba mitovy amin’ny zana-bahoaka.

Stella
Ampahany tamin'ny sombintantara "Aiza kosa Ndriamatoan'ny aiko?" in Loharano lah 6-7, 1915



Pôeta na mpanoratra tononkalo no tena ahafantarana an'i Stella na Edouard Andrianjafintrimo. Efa hita tao amin'ny sorapiainany anefa fa namoron-kira koa izy, nanoratra tantara tsangana ary nanoratra sombintantara. Amin'ity indray mitoraka ity dia hialana kely ny tononkalo fa ndeha hokirakiraina ny ampahany amin'ilay sombintantara nomeny ny lohateny hoe : "Aiza kosa Ndriamatoan'ny aiko ?". Tao amin'ny Loharano no nivoahany tamin'ny 22 sy 29 Jolay 1915. Ny ampahany maneho ny fanirian'i Josefa kely hilalao tsipoapoaka tahaka ny zanak'olona rehetra sy ny nanatanterahan'ny ray aman-dreniny ny faniriany no ndeha himasoana. Andao hoporofoina ao fa olona nivoy ny fitiavan-janaka i Stella ary nampiharihary mihitsy fa vitan'ny ray aman-dreny ny manao sorona ny ainy hanatanterahana ny vetsovetsom-pon'ny zanany.

Voalohany, hoy ny mpanoratra : "Injay mirefodrefotra be ihany ny tsipoapoakan’ny ankizy any ala-trano any tamin’ny 13 juillet, ka taitra ery i Josefa  kely." Ampahafantarin'ity ampahan-tantara ity ny endri-pankalazana ny fetim-pirenena frantsay teto fony mbola zanatany isika. Io  fahatarain'i Josefa kely nambaran'ny mpanoratra io no maneho ny fitiavany hitovy amin'ny zanak'olona sy ny faniriany hifaly tahaka ny ankizy rehetra koa. Tsotra ny zaza ary tsy mahalala izay adin-tsain'ny ray aman-dreniny ka tsy nisalasala nitady izay mba nilainy tamin'ny rainy na ny raibeny raha ny marimarina kokoa. Kamboty manko i Josefa ka heveriny ho ray aman-dreniny ireo Dadabe sy Bebeny mitaiza azy.

"Aiza izay mba tsipoapoakako, ry dada ô ?" (...) "Ividiano tsipoapoaka kely aho, ry dada ô! He izany an’ ny ankizy."
 
Toa fanontaniana, toa fitalahoana. Hatao ahoana ny hitsipaka an'izany. Nahariharin'ny mpanoratra fa "tankina" ny rain'i Josefa tamin'ilay fanontaniany voalohany, tao anatin'ny tsy fisiana tanteraka manko ity ankohonana mahantra nandritra io fety io. Saingy, na dia mbola tsy nanan-kevitra azo antoka avy hatrany aza ny rainy dia nanome toky avy hatrany satria vonona hanao ny fomba rehetra hanatanterahana izay mety hitera-pifaliana ho an'ny zanany :

"Eny, anaka, hoy Rangahy, andraso aloha ho avy reninao."

Araka ny voalaza ao anaty lahatsoratra anefa dia "manavinavy" rangahy. Saingy, tsy nahoany izany fanaviana izany satria tsy tiany hipitrapitra ny zanany, ny zafiny. Nataony sorona ny fahasalamany, ny lamba natao hanafana azy no fara vahaolana hitany fa hisakana ny ranomason-janany tsy hikoriana amin'ity fety ity. Toy izao ny ady hevitr'izy mivady :

"Aoka re, hoy Ramatoa, ny ilany ihany no hamidy, fa tsy misy hirakofana, nefa ianao manavy."

"Ka tsy hisy hividianan-kanina sy vorona mba hihinanan’i Sefa ny feny anie, hoy Rangahy."

Nony lafo ny ila lamba dia nahazo ilay tsipoapoaka notadiavany ilaikely ka faly aoka izany. Izy mivady koa ravoravo ery na dia tsy ampy intsony aza ny lamba ny hiadiana amin'ny aretina. Hoy i Stella nitatitra izany : "Fatratra ny hafalian’ i Josefa, nefa ny an’izy mivady nahita an-janany faly no nanoatra, fa mba mitovy amin’ny zana-bahoaka". Miara-paly amin-janaka tokoa ny ray aman-dreny ary tsy mba mahatsiaro maty antoka amin'izay fananany nafoiny rehefa ahitan'ny zanany voka-tsoa. Tsy izay rehetra irin'ny ray aman-dreniny ho an'ny zanany anefa dia ho tanteraka avokoa. Anisan'ny antony nivarotana ilay lamba ohatra ny mba hahafahana mividy vorom-bazaha ankoatra ny tsipoapoaka saingy zara raha nahazo laoka hafa ny ambim-bola sisa fa tsy azo ilay tena nirin-drangahy hanomezana fahafaham-po an-janany.

Raha aravona izay voambara, tsy nanao an'i Josefa ho zanak' Ikalahafa izy mivady. Tohin'ny ainy ihany tokoa io satria zanaky ny zanany ary tsy tiany hahatsapa akory izany hoe fahakambotiana. Asehon'ity ampahan-tantara ity fa na toy inona na toy inona ny fahantran'ny ray aman-dreny dia manao izay vitan'ny heriny foana izy ireo hahasoa ny taranany. Raha misy tsy tanteraka dia tsy izy ireo velively akory no te hampahory ny taranany sanatria fa voafetra ihany ny vitany.


Date de dernière mise à jour : 29/05/2024

×