Poetan'"Ny vohitry ny nofy"

Reine David Andriamiharisoa, Poetan'"Ny vohitry ny nofy"
Toetra Ràja - 06/04/2024

POETAN'"NY VOHITRY NY NOFY"

85 taona anio ilay poetan'"Ny vohitry ny nofy" antsoina hoe Reine David Andriamiharisoa. Angano voalohany nosoratany io, nolovaina ary mbola holovain'ny taranaka mpankafy ny zavaboahary miteny. Nadika tamin'ny teny frantsay, toy ireo tononkalo sy angano ary asa fandalinana noforoniny izany ary heverina ho manana toera-miavaka eo anivon'ny frankôfônia. Nilomano tao anatin'ny kolontsaina malagasy sy frantsay ity poetan'ny "Voa sy felana Ambohimikoraka" ity, miavaka amin'ny harenan'ny voambolana fampiasany ary mampifandrindra kolontsaina roa ka mampivelatra ny aingam-panahiny ho fanasoavana ny mpiara-belona.

Malagasy izy, teraka tao Antsirabe, nobeazina tamin'ny fomba amam-panao malagasy. Miavaka amin'izany ny tolotr'i Rali, ilay mpanampy mahatokin'ny ray aman-dreniny izay nitaiza azy hitia angano, hankamamy zavaboahary ary hampiasa singan-javaboahary amin'ny andavanandro. Vehivavy malagasy voalohany nahazo ny licence-ès-lettre malagasy ity poeta ity ary mbola nanatevenina izany tamin'ny "Certificat de Lettres de Madagascar" sy ny "Certificat de Littérature Malgache". Tsy mbola nanorom-ponenana tany ivelan'ny Nosy tahaka ireo poeta malagasy frankôfôna maro anefa izy fa tena nankamamy tokoa ny fonenany tao amin'ny "Vohitry ny nofy" Ivato.

Nilomanosany koa ny farihin'ny kolontsaina frantsay araka izao antony izao:

• 21 taona niainana tao anatin'ny fanjanahantany, nandrantoana fianarana tamin'ny teny frantsay hatrany amin'ny garabola
• Metisy frantsay ny reniny
• Metisy frantsay koa ny vadiny David Marcel
• Nahazo mari-pahaizana maro tamin'ny fitsipi-pitenenana sy litaratiora frantsay

Nampihaonin-dRtoa Lasser — mpampianatra azy tany amin'ny garabola — izy sy ny tononkalon'ny poeta fanta-daza Paul Verlaine. Niainany hatrany amin'ny fahazazany, araka izany, ny kolontsaina roa satria malagasy ny tao an-trano ary frantsay ny tany an-tsekoly. Nokolokoloiny nandritra ny androm-piainany izany toy ny nahalasa mpampianatra taranja malagasy sy frantsay azy sy ny nanoratany tamin'ireo teny roa ireo. Mpanao velakevitra izy ary namita iraka tany am-pitandranomasina toy ny tany Frantsa tamin'ny 1967 momba ny anjara toeran'ny tenin-dreny sy ny teny vahiny ao amin'ny fampianarana. Mbola momba izay tenin-dreny izay koa no nanendren'ny UNESCO azy hiofana tany Sénégal sy Frantsa tamin'ny 1970. Nanangana ny SEROI (Société des Ecrivains de l'Océan Indien) niaraka tamin'ny mpanoratra Charlotte-Arrisoa Rafenomanjato izy tamin'ny 8 marsa 1989 ka izy no filoha tany am-piandohany. Nahitana olon'ny soratra havanana koa tao anatin'ny SEROI toa ny mpanao gazety Liliane Ratsivalaka, ny poeta Régis Rajemisa-Raolison sy Esther Nirina ary Pierre Randrianarisoa...

Poeta, mpanoratra, mpandalina ary mpanoratra angano i Reine David Andriamiarisoa. Misy nosoratana tamin'ny teny malagasy ka nadika tamin'ny teny frantsay toy ny "Vohitry ny nofy". Azo lazaina ho poeta mivelatra tokoa izy araka ny hita ao amin'ny sorapiainany.

Date de dernière mise à jour : 06/06/2024