Créer un site internet

Lavenona mitafa

Lavenona mitafa
Tsikimilamina Rakotomavo - 03/06/2024

LAVENONA MITAFA

Nihaona tampoka tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo i Lavenona, Ilay poeta mpanapariaka tononkalo matetika amin'ny tambajotra.

Tsikimilamina Rakotomavo
Miarahaba anao Lavenona. Manitikitika ahy ny anarana hoe lavenona. Azonao ambara ve ny tantarany ?

Lavenona
Miarahaba anao Tsikimilamina, toy izao ny mombamomba ahy
• Tena anarana:  Daniel RAKOTOARISOA
• Teraka ny 06 Jona 2000, Antananarivo
• Ray : RAKOTOARISOA Jean Baptiste
• Reny : RAZOARIVELO Fanja
• Adiresy : Ankazobe Alasora Antananarivo
• Fianarana norantovina: CEG Ambohimiandra, LTP Alarobia (electrotechnique), GTU University India ( Bachelor engineering : electrical)
Eo amin'ny tontolon'ny kanto dia sady Mpanoratra aho no Mpikabary
Toy izao ny hevitra fonosin'ny lavenona
• Ny "Lavenona" dia vovoka sisa navelan'ny afo nirehitra, ireny no fambara fa nisy afo niredareda tao, nisy olona nandrehitra ihany koa. Raha ara-kevitra dia nosafidiana manokana ny anarana hoe "Lavenona" izay manambara fa izaho manoratra ankehitriny dia tsy iza fa dimby sy solofo ihany izay hany navelan'ireo mpanoratra andrarezina fahiny, tsy mendrika ny hitovy toerana amin'izy ireo akory, fa vovoka ihany. Naka traikefa sy fahalalana tamin'izy ireo ka indro manohy ny asasoratra efa natomboka fahiny (izay ilay afo narehitra).
• Lavenona manan-danja  amin'ny Malagasy satria ampiasaina ihany koa ho fanafody entina hanasitrana ny marary.

Tsikimilamina Rakotomavo
Mazoto manapariaka tononkalo amin'ny tambajotra ianao, inona no antony?

Lavenona
Eny, mizara ny asasoratro amin'ny tambajotran-tserasera aho satria
• io no fitaovana iray mahomby indrindra raha te hisarika olona maro.
• Noho ny tenako mbola sahirana mamita fianarana, misy fotoana ihany koa lavitra tanindrazana dia tsy afaka mandray anjara amin'ny hetsika mikasika ny asasoratra sy ny literatiora ka ny tambajotra ihany no nampiasaina hatreto nanapariahana ny asasoratra.

Tsikimilamina Rakotomavo
Raha ny fianarana ataonao dia tena tsy misy ifandraisany amin'ny soratra, inona no antony nahatonga anao hanoratra ?

Lavenona
Ny nahatonga ahy hanoratra  indray? Mbola 16 taona aho dia efa nianatra kabary, tia teny malagasy, havanana kokoa tamin'ny famoronan-dahatsoratra tany ampianarana fony nanao malagasy.
Tsy misy ifandraisany amin'ny fianarako ny asasoratra satria afaka bacc tamin'ny "mention tres bien" aho ary nahazo vatsimpianarana aty ivelany, izay mikasika manokana ny sampam-pianarana nataoko tany Madagasikara ihany.
Tsy nataoko hahasaraka ahy amin'ny tenin-drazako akory ny elanelan-tany sy ny fianarana izany ka izay no antony nanombohako nanoratra.

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona avy ireo sokajin-tsoratra foroninao?

Lavenona
Tononkalo ihany no nosoratako hatreto, mamorona hira ihany koa (hira faneva fikambanana mpikabary sy ny sisa). Tantara foronina no soratako amin'izao fotoana izao fa mbola tsy vitako hatramin'ny farany ilay izy. Somary mila fotoana malalaka mantsy.

Tsikimilamina Rakotomavo
Firy eo izao no isan'ny tononkalonao, miresaka mikasika inona ny ankamaroan'ireo ?

Lavenona
Manodidina ny roan-jato eo ho eo ny asasoratro.
Amin'ny ankapobeny dia misy miresaka lafin-javatra telo ny asasoratro izay mikasika ny:

• Fitiavana
• Trangam-piarahamonina (fahoriana, fifaliana)
• Fivavahana sy ny finoana kristiana


Iray ihany nefa no tanjona amin'ireo dia ny hitondra anatra, fampaherezana, fanabeazana, fitaizana ara-panahy ary toro-hevitra.
Rehefa zohina dia mikasika ny fahoriana sy ny ray aman-dreny ny ankamaroany.

Tsikimilamina Rakotomavo
Iza no mpanoratra tena nankafizinao sy mety ho nalainao tahaka?

Lavenona
André RAKOTONDRANAIVO no tena nankafiziko kokoa noho izy hitako hoe mitovy fijery sy fihevitra amiko raha oharina amin'ny mpanoratra hafa.

Tsikimilamina Rakotomavo
Efa namoaka boky ianao, azonao ambara ve ny an-tsipirian'Io boky Io?

Lavenona
Namoaka boky mitondra ny lohateny hoe "FANILO" ny taona 2023 izay ahitana tononkalo miisa 50 ary misy pejy 80. Tononkalo notsongaina manokana ireo natao anaty boky FANILO ireo, ho an'ny olona rehetra tsy mifidy sokajy na ray aman-dreny,na zanaka, tanora, lahy sy vavy, ankizy sy ny sisa.

Tsikimilamina Rakotomavo
Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika. Inona heverinao hanomezana hasina izany?

Lavenona
"Ny fampiasana ny teny malagasy any amin'ny sehatra sy andavanandrom-piainana amiko dia fanomezan-kasina ny teny malagasy". Mazàna rehefa anaty sehatra mihaja dia teny vahiny no tena ampiasaina ka maka anjorony ny teny malagasy, ny tahaka ireny indrindra nefa no tena tokony hanomezan-danja ny tenintsika Malagasy dia amin'ny teny mihaja tsy miharo na mitampoka teny vahiny.

Tsikimilamina Rakotomavo
Afaka maneho tononkalo manome lanja ny teny malagasy ve ianao?

Lavenona

NY TENINAO !

Ny teninao ry Gasy a! Ny teninao ihany...
no tsy azon'iza na iza rombahina sy alaina
na oviana na oviana... raha tany koa ny tany !
Ny teninao harena ka tokony hajaina !

Ny teninao ihany no... porofo manambara
fa Malagasy ianao fa tsy ny endrika sy bika
rehefa injay ka lavitra ny Madagasikara
ka sendra tafahaona amin'ny Gasy toa antsika !

Dia ny teninao irery no... miavaka amin'ny maro
Tsy azo ampitahaina amin'izao rehetra izao !
Ary aleteho an-tsaina... tsarovy sy fantaro
fa sarobidy loatra raha ny tenin-drazanao !

Ny teninao ry Gasy ? Mbola averiko ihany...
ny fanajanao azy tsy avela ho tomika
dia efa famantarana sy hahalalana hatrany...
fa tena tianao marina ny tanindrazantsika !

LAVENONA
21 Martsa 2023

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona no hevitra mafonja azonao zaraina ho fanomezan-danja ny Tononkalo sy ny Poeta?

Lavenona

Tononkalo no voa izay afafy,
Ny Poeta no atao hoe mpamboly,
Ny mpamaky no tany hamafazana,
Ny voa mila atao tsara fantina
Ny voly dia mila tondrahana
Mba hahazoana vokatra tsara
Ny vokatra ? Ny hasin'ny teny malagasy !

Tsikimilamina Rakotomavo
Misaotra anao Lavenona nivahiny teto amin'ny Poetawebs.
Manantena ny hahita anao hiantsa an-tsehatra ny tononkalonao tsy ho ela.

Lavenona
Eny tompoko, fisaorana sy fankasitrahana sahady no atolotro anao fa zava-dehibe amiko izao Tapatapakahitra izao.

Date de dernière mise à jour : 03/06/2024