Régis Rajemisa-Raolison - 2024
Ho fahatsiarovana an'i Régis
Rajemisa-Raolison, nodimandry tamin'ny 19 jona 1990
Vao tsy ampy iray volana izay no nankalazana ny fetin'ny reny ary vao
andro vitsy monja no niravoravoana ny fetin'ny ray. Efa kolontsain'ny
Malagasy hatramin'izay ny fanajana ray aman-dreny na tsy mbola nahalala
ny tetiandro napetraky ny vazaha aza izy. Anisan'ny iray namela hafatra
tamin'izay fitiavana ny ray aman-dreny izany i Régis
Rajemisa-Raolison. Nanoratra tononkalo izy, "Idada sy Ineny" no
lohateny nampitondrainy azy. Andao ange hojerena akaiky ny heviny momba
ny tokony hitiavana ireo loharano nipoirana ireo e !
***
Voalohany, isafatsiroa ny ray aman-dreny. Izany hoe tokony ho izy ireo
no tiana mihoatra izay tiavina rehetra. Hoy izy eo amin'ny andininy
voalohany:
"ny tiako sy
mamiko indrindra
eto
an-tany dia Idada sy Ineny".
Ny teny hoe "indrindra" eto dia midika fa misy olona maro alahatra
araka ny itiavana azy ka ireo Dada sy Neny ireo no mialoha ny rehetra
rehefa natao ny fampitahana. Tsy izay fitiavana azy mihoatra ny olona
rehetra izay ihany anefa no nasehon'ny mpanoratra teto, fa
nampahatsiahy koa izy hoe tokony hitovy tantana ny fitiavana ny ray
aman-dreny.
"Fitiavana
miara-mirindra
no samy
andalako azy ireny"
Matetika isika no halaim-panahy handahatra ny fitiavana an'i Dada sy i
Neny ka mametraka ny iray ho eo alohan'ny iray. Misy aza moa ireo samy
manontany ny zaza manao hoe: "Iza no tena
tianao, i Dada sa i Neny?"
Ao amin'ny andininy fahatelo sy fahefatra anefa ny poeta dia
mampahatsiahy fa samy nikely aina sy niaritra izy ireo. Noho izany, tsy
tokony hisy ny tiana kokoa fa tokony hatao zara mira ny fitiavana.
"Ineny
nitondra am-babena,
Idada
nilanja an-tsangory.
Ineny e
fola-damosina,
Idada
niempaka tanana,"
Nasehon'ny mpanoratra fa manana tombony izay mbola velon-dray
aman-dreny. Tokony tsy hanadino na oviana ny hatsaram-po nataon'ireo
niteraka azy. Hoy izy eo amin'ny andininy fahadimy:
"K'ianao
velon-dray eo reny,
Tsarovy
ny soa be noraisina;
Ianao
eto iharan'ny teny,
Ka aza
misetra ny haizina."
Mifanohy amin'izany dia naharihariny koa fa mafy ny iainan'ireo zaza
kamboty. "Velona tsy misy mpiahy", hoy izy. Izany hoe, raha mbola zaza
ny olona iray dia mila fiahiana mandrakariva. Noho izany, aleo hajaina
sy tiavina ny ray aman-dreny raha mbola velona aina.
Raha fintinina àry izay voalaza izay dia
mampahatsiahy antsika i Régis Rajemisa-Raolison fa tsy tokony hisy
olona ho tiana mihoatra ireo nahitana masoandro. Samy nandany
mondron'aina hahasoa antsika na i Dada na i Neny ka tsy tokony
hampitahaina velively ny fitiavana azy roa. Nanasoa antsika ireo
loharano nipoirana ireo ka tokony ho voasoratra mandrakizay ao am-po ny
zava-bitany.
____
Idada sy Ineny
Ny tiako sy mamiko indrindra
Eto an-tany dia Idada sy Ineny ;
Fitiavana miara-mirindra
No samy andalako azy ireny.
Ny lanjam-pitian'izy roa,
Mitovy ka ataoko sahala,
F'ireo sinibe manga roa
Ka tsisy izay tombo sy hala.
Noho Ineny no àry ny tena,
Noho Idada no velon-tsy ory;
Ineny nitondra am-babena,
Idada nilanja an-tsangory.
Ineny e fola-damosina,
Idada niempaka tanana,
Ka samy niara-nitrosina
Mba hamelona sy mba hampanana.
K'ianao velon-dray eo reny,
Tsarovy ny soa be noraisina;
Ianao eto iharan'ny teny,
Ka aza misetra ny haizina.
Tsy fidin'ny zaza kamboty
Ny ho velona tsisy mpiahy,
Fa hadinon'ny fasa-mpioty
Izy ireny ka velon-tsy nahy!
F'ianao mbola velona Ray,
Ianao mbola velona Reny,
Soraty ho mandrakizay
Ao am-po ny nataon'izy ireny.
Tohano raha sendra ka reraka,
Ampio raha sendra ka ory,
F'izany no manatanteraka
Ny sitraka enti-matory.
Koa aza hadinoina na oviana
Na atao tsindry ila mizana,
Na Ineny niangotingotiana
Na Idada nihantahantana!
Régis RAJEMISA-RAOLISON
Date de dernière mise à jour : 19/06/2024