Tsikimilamina
Rakotomavo - 09/07/2024
KALON’NY FO - KALO AO ANATY
TSIARO an’i Suzy-Andry (1909-1991)
Mitsingerina androany 9 jolay ny nahaterahan’i Suzy-Andry na Suzanne Georgine Ravaoseheno (SgR). Iray amin’ny Zanak’i Edouard Andrianjafitrimo na Stella izay mpanoratra tantara an-dampihazo, mpanoratra tononkalo, mpamoron-kira tao amin’ny fihirana F.F.P.M., mpanao gazety (Ny Basivava, Ny Loharano, Ny Ranovelona, Sakafontsaina) sy Rasoamanantena izy.***
Suzy-Andry
mpamorona
Ankoatra ny maha poeta miavaka
azy dia mamorona tantara indray miseho, lahatsoratra
famakafakan-kevitra amina lohahevitra samihafa izy. Manamafy ireo ny
fandraisany anjara tamin’ny fifaninanana nanoratra ka nahazoan’ny
tantara noforoniny “Rakitry ny fony”
ny laharana voalohany.
Suzy- Andry
mpanoratra an-gazety
Havanana amin’ny fanoratana izy, anisan’ny nametrahany ny
raki-tsorany ny gazety Akon’Iarivo tamin'ny 1929, gazety Sakafontsaina
nanomboka tamin'ny 1931, ny Revio Tatamo…Suzy-Andry
mpanabe
Mpampianatra tia mizara
fahalalana ary mikolo hatrany ny tontolo manodidina azy ho kanto izy.
Suzy-Andry
mpiandraikitra
Iray tamin’ireo nanorina ny fikambanan’ny U.P.E.M. izy tamin'ny
1952 araka ny sora-tanany izay napetrany ho an’ny taranaka.
Nitana andraikitra samihafa izy toy ny tonian-dahatsoratra tao amin’ny revio “Tatamo” lah 1 ny jolay-aogositra-septambra 1953, ny tonian-dahatsoratry ny gazetin’ny Foyer Zazavavy ny 1956. Voafidy ho filoha lefitry ny fikambanana U.P.E.M. izy ny 1984.
Ankoatra ireo dia mizara fanahy i Suzy-Andry ka maneho an-karihary fa kalon’ny fo ny poezia. Hoy indrindra izy tao amin’ny Revio Tatamo ny 1959 :
"Kalon’ny fo dia fanomezana niaraka teraka ho nateraka ho poeta ka tsy hay ianarana fa ny fandaharana azy amin’ny rima sy ny fingadony kosa dia toy ny firavaka haravaka azy - ka azo ianarana".
Kalon’ny
fo, kalo ao anaty
Kalon’ny fo, kalo ao anaty mampamelovelo izay mampangotsoka
ny fanahy àry no asongadin’ny tononkalony amin’ny hoe :
"Ny tany no zary mangina
Tsy miavona hono tsy akory
Fa endrika mbola variana
Tandindon’ny fo oriory"
Tsy hay faritana ny habaky ny sento rehefa tojo ny tranga mahonena izay manelohelo ny toerana lalovany. Miteraka fahanginana lalina izany ary mahavery hevitra sy mampirondrona.
Ao amin’ny "kalon’ny fo, kalo ao anaty" ihany koa no andokoan’ i Suzy-Andry ny voahary izay maneho ny tontolo taza-maso tahaka izao ririnina mamirifiry iainana eto Madagasikara izao. Manara-dia izany vanimpotoana izany anefa ny fiainam-piarahamonina izay tsy ahita-mangirana fa miaina anaty fahantrana lalina.
"Merimerika maraina ‘zany andro
Toa tsy hita antenaina ilay masoandro
‘zany vorona mpikalo mantsy roy
Toa tsy hita mba handalo toa hafoy."
Ao amin’ny "Kalon’ny fo, kalo ao anaty" no amosahan’i Suzy-Andry ny fahakiviana na ny fahadisoam-panantenana noho ny fifamahofahoam-piainana. Tsy tanteraka mantsy izay nofinofy sy fikasana nirina ho azo teo am-pelantanana.
"Ry ilay nametrahako fanantenana
Ka mba nametrahako izay faniriako
Ry tiako hatramin’ny fahazazana
Kanefa indrisy fa, tonga hijaliako"
Raha aravona izay nambara teo dia poeta miavaka i Suzy-Andry noho ny fahaiza-mamorona, manoratra, mamakafaka. Koa antenaina fa ny toetra amam-pihetsiky ny poeta tahaka izao dia hipaka amin’ny mpamaky ka hahazoana lesona hanatsarana ny fomba fisainana sy fiainana. Ampahany tamin’ny kalon’ny fo nampamiratra an’i Suzy-Andry ihany koa no navohitra. Tsy hay tanana izy ireny arakaraka ny toe-java-misy manainga ny fanahin’ny poeta. Ny tsirairay izay mianoka ny kanto ihany koa dia afaka mikalo ny fahatsapany sy ny fiainana lalovana.
Suzy-Andry
mpiandraikitra
Iray tamin’ireo nanorina ny fikambanan’ny U.P.E.M. izy tamin'ny
1952 araka ny sora-tanany izay napetrany ho an’ny taranaka.Nitana andraikitra samihafa izy toy ny tonian-dahatsoratra tao amin’ny revio “Tatamo” lah 1 ny jolay-aogositra-septambra 1953, ny tonian-dahatsoratry ny gazetin’ny Foyer Zazavavy ny 1956. Voafidy ho filoha lefitry ny fikambanana U.P.E.M. izy ny 1984.
Ankoatra ireo dia mizara fanahy i Suzy-Andry ka maneho an-karihary fa kalon’ny fo ny poezia. Hoy indrindra izy tao amin’ny Revio Tatamo ny 1959 :
"Kalon’ny fo dia fanomezana niaraka teraka ho nateraka ho poeta ka tsy hay ianarana fa ny fandaharana azy amin’ny rima sy ny fingadony kosa dia toy ny firavaka haravaka azy - ka azo ianarana".
Kalon’ny
fo, kalo ao anaty
Kalon’ny fo, kalo ao anaty mampamelovelo izay mampangotsoka
ny fanahy àry no asongadin’ny tononkalony amin’ny hoe :"Ny tany no zary mangina
Tsy miavona hono tsy akory
Fa endrika mbola variana
Tandindon’ny fo oriory"
Tsy hay faritana ny habaky ny sento rehefa tojo ny tranga mahonena izay manelohelo ny toerana lalovany. Miteraka fahanginana lalina izany ary mahavery hevitra sy mampirondrona.
Ao amin’ny "kalon’ny fo, kalo ao anaty" ihany koa no andokoan’ i Suzy-Andry ny voahary izay maneho ny tontolo taza-maso tahaka izao ririnina mamirifiry iainana eto Madagasikara izao. Manara-dia izany vanimpotoana izany anefa ny fiainam-piarahamonina izay tsy ahita-mangirana fa miaina anaty fahantrana lalina.
"Merimerika maraina ‘zany andro
Toa tsy hita antenaina ilay masoandro
‘zany vorona mpikalo mantsy roy
Toa tsy hita mba handalo toa hafoy."
Ao amin’ny "Kalon’ny fo, kalo ao anaty" no amosahan’i Suzy-Andry ny fahakiviana na ny fahadisoam-panantenana noho ny fifamahofahoam-piainana. Tsy tanteraka mantsy izay nofinofy sy fikasana nirina ho azo teo am-pelantanana.
"Ry ilay nametrahako fanantenana
Ka mba nametrahako izay faniriako
Ry tiako hatramin’ny fahazazana
Kanefa indrisy fa, tonga hijaliako"
***
Raha aravona izay nambara teo dia poeta miavaka i Suzy-Andry noho ny fahaiza-mamorona, manoratra, mamakafaka. Koa antenaina fa ny toetra amam-pihetsiky ny poeta tahaka izao dia hipaka amin’ny mpamaky ka hahazoana lesona hanatsarana ny fomba fisainana sy fiainana. Ampahany tamin’ny kalon’ny fo nampamiratra an’i Suzy-Andry ihany koa no navohitra. Tsy hay tanana izy ireny arakaraka ny toe-java-misy manainga ny fanahin’ny poeta. Ny tsirairay izay mianoka ny kanto ihany koa dia afaka mikalo ny fahatsapany sy ny fiainana lalovana.
Date de dernière mise à jour : 06/07/2024