Randja Zanamihoatra sy ny harivan-tafasiriny
Ratsimbazafy Ny Hasina - 29/02/2024

Randja Zanamihoatra sy ilay harivan-tafasiriny

    Poeta tsy zoviana amin’ny maro intsony Randja Zanamihoatra ary ny fanoratana Poezia lalina sy saro-takarina no tena nahafantarana azy. Nanao asasoratra hafa toy ny tantara sy famotopotoran-kevitra ihany koa anefa izy. Amin’izao fahatsiarovana ny andro nahaterahany izao dia ilay karazana soratra mitantara ny tenany  (autobiographie) no handeha hakana sombiny mba hahatsiarovana azy.  Tsy mahazatra loatra ny mandalina azy ity kanefa mifono hevitra mahaliana ihany koa izany. Nandalo fiainana sarotra isan-karazany tokoa Randja Zanamihoatra kanefa tsy nahasakana azy tsy hametraka ilay heviny momba ny tontolon’ny fanoratana izany. Niavaka ihany koa ny fitiavana nasehony ny reniny izay isan’ny nanampy azy tamin’izay fitiavana ny boky sy ny tontolony izay. Noraisina amin’izao famakafakana izao ny sorany “Ny harivan-tafasiry” tao amin’ny amboara Ako sy Feo ny 24 janoary 1956.

Ilay harivan-tafasiry : tafatafa ho an’ny mpampianatra sy mpianatra

    Nilazalaza ny antony nanaovany soratra momba ny tenany i Randja Zanamihoatra, teny am-piandohana. Nambarany fa te hanampy ny mpampianatra sy mpianatra izy. Koa izay indrindra no nahatonga ny lohateniny hoe “Ny harivan-tafasiry” satria karazana tafatafa ifanaovan’ny mpianakavy ihany no nataony fa tsy fitia te hanolotra ny tenany akory. Hoy indrindra izy :

Ny fampahalalana ny amin’ny mpanoratra iray dia fanomezana ihany ny tantarany. Raha ny marina, tsy mbola mahafinaritra ahy velively ny hanolotra ny tantarako: mbola eo an-tenantenany izao, mbola eo am-perin’ny fiainana azy mihitsy. Ary ny hitantara sahady izay mbola an-dalam-piforonana ao amin’ny fotoana sy habakabaka ve, na atao aza hoe ”mpanoratra”? Asa lahy! Fa ho tody eny ihany isika – tsy maintsy - ary hatao tokoa izany rehefa mby amin’ny fotoana mahamety: “ny harivan-tafasiry”. (…)
    Anefa indray koa izato efa mba fiezahanareo hahalala bebe kokoa sy ny fanantenanareo avy hatrany! Ny tsy hamaly dia sarotra, ny hamaly koa torak’izany. (…) Ny lafiny inona re ny mety hahaliana kokoa momba an-dRandja araka ny maha mpanoratra azy sy ny asa sorany nivoaka hatreto?
    Lazaiko fa te-hanome fahafaham-po anareo mpampianatra sy mpianatra aho: izany faniriako izany no raiso ho lehibe indrindra fa tahiny ka tsy mifanendry amin’ny fanantenanareo izay hatolotro.
Randja Zanamihoatra
    
Rehefa nanosika azy mafy izay fitiavana ny mpampianatra sy mpianatra izay dia nataony ihany ilay “Ny harivan-tafasiry” ary izao nivoaka tato anaty amboara Ako sy Feo izao.

Asasoratra : fahafinaretan’ny fo sy ny saina

    Fanontaniana napetraky ny mpanoratra Randja Zanamihoatra amin’ny tenany avy hatrany ny amin’ny antony nanoratany. Misy ny iombonany amin’ny mpanoratra hafa ary ao kosa anefa ireo mampiavaka ny mpanoratra tsirairay rehefa “foy” ny “atody” ka manomboka hary elatra ilay asasoratra. Hoy indrindra izy:
 
Nanoratra aho. Nahoana? Tsy tafahoatra noho izany antony nahatonga ireny “mpanoratra” rehetra ireny ho nanoratra: fanoiran’ny fihetseham-po na ny saina ao amin’ny olona mora tohina kokoa noho ny hafa sady efa manana rahateo koa, ao anatiny ao, ilay karazana atody mora foy amin’ny fotoana sy anton-javatra, tsy ampoipoizina akory. Aorian’izany vao mety ho samy hafa ny mpanoratra, ary hatreto koa ny samy manana izay karohiny.
Randja Zanamihoatra

Nomarihiny anefa fa tsy fitadiavana laza no antony hanoratany fa fikatsahana kosa ilay fahafinaretan’ny fo sy ny saina:

Marina fa anisan’ireo votoatin-toetra miafina ao amin’ny olombelona ny “faniriana ho ngeza” – ary koa ny “fitadiavam-pahafinaretana”. Raha ny “laza” araka ny heviny tena mahavantana, dia tsy ho tonga mahalaza velively ny nanoratako, (…) fa nanoratra aho : “mahafinaritra” ahy izany: ‘ndraika fitakian’ny fo, mbetika fitakian’ny saina.
Randja Zanamihoatra

Randja Zanamihoatra : mpanoratra nitandrina fatratra ny asasorany

    Nahasarotiny ny mpanoratra Randja Zanamihoatra mihitsy ny fomba fanoratra. Ankoatra ny tsipelina, mahavatra mihitsy izy mifantina izay voambolana mahalaza ny hevitra iray, mikaroka sy mandalina izy. Indraindray aza anaty asasorany, hahitana ireny teny malagasy tranainy efa tsy fampiasan’ny taranaka ankehitriny ireny intsony. Torak’izay koa ny hevitra, tia mamotopototra izy ary mandinika izay rehetra hambarany ary matetika lalina sy mamboraka zava-miafina maro izy ireny. Hoy indrindra izy:

Nitandrina fatratra ny soratro aho: saro-nianina mihitsy tamin’izay vita, mifantina, nandalina, “ta-hahavita ny faran’ny fahafaham-poko ao aminy”, fa tsy nahita! Ary mbola mitady. Ah! Tsapako fa sarotra ny manoratra.

    Na efa mpanoratra malaza aza izy dia nampiaiky azy ny mahasarotra ny asa fanoratana. Mpanoratra tena tia mamaky boky izy ary misy aza notompoiny mihitsy ny boky sasany, araka ny filazany. Noraisiny ho tahaka ny hadalana mihitsy izy ireny indraindray kanefa tena tiany. Inoana fa anisan’ny nananany hevitra betsaka teo amin’ny famoronana asasoratra ny fifaneraserany tamin’ireny boky isan-karazany ireny:

Karazam-boky maro samihafa no efa novakiko hatrany amin’ny faha valo ambinifolo taonako no ho mankaty; nisy aza notompoina mihitsy… ary soa fa nalaky najanona…. Boky! Boky! Niaina sy nilona tao aminy aho. Fa hadalana notiavina izany!
Randja Zanamihoatra

Randja Zanamihoatra: mpanoratra tena tia ny reniny

    Rehefa avy niresaka ireo fototra nijoroany amin’ny asa fanoratana ireo Randja Zanamihoatra dia niditra tamin’ny fanolorana ny daty isan-karazany izay nodiaviny nanomboka izy nipetraka tany Ambositra hatreo amin’ny taona 1956. Na teo aza ny fitadiavana izay nahazaka maniraka dia nanaitra ary nanamarika ny fomba fitantarany ny fitiavany ny reniny niteraka azy. Tsy fahita firy izy ity kanefa vao manomboka ny fitantarany dia ireto avy hatrany no nambarany:

Tsy nanana afa-tsy izaho i Neny, tsy nanana afa-tsy izy aho. Mananontena izy nefa nanana ihany toy ny lehilahy. Varotra ny asanay. Mba nokasainy ho tonga mpiasam-panjakana ihany aho, nefa tsia indray: tsy ho toha ny hanaraka ilay lahy tokana any am-pirioriovana. 
Randja Zanamihoatra

    Eny, rehefa niroso ny fitantarany, nampahatsiahiviny fa ilay nosafidin’ny reniny ihany koa no nampiakariny ho ravaky ny tokantranony:

Nieran’i Mama ny amin’ny zazavavy anankiray mba efa nokendreny ho vadiko aho: nanaiky. Ary koa fitiavana. Ny 2 Aogositra 1947: vita ny fanambadianay; tsy mba afa-nanatrika i Mama fa narary. Ny 23 aogositra 1947: nandao anay izy. Nikimpy izao tontolo izao. Ary injany tafafoha eto indray ny fanaikitraikitry ny fo!.
Randja Zanamihoatra

Rehefa hamaramparana ny fitantarany Randja dia mbola tsikaritra ao anatin’izay hatrany ny fahatsiarovany ilay reniny tena tiany ary nohamafisiny fa isan’ny zava-baventy amin’ny fiainany izany:

Ary aiza tamin’ireny zava-baventy manamarika ny fiainako ireny ny tononkirako poeta? Raha niodina tamiko ity tontolo ity? Nisy tononkira iray nosoratako tamin’ny nahafaty an’Ineny, navaloko fotsiny any (…). Ny ronjironjina mahery vaika teo amin’ny adim-piainana dia tsy nahaloaka tononkira teo amin’ny fanahin’ity poeta ity - raha lazainareo fa mandavan-taona ny maha poeta.
Randja Zanamihoatra

    Farany, ao anatin’izay fitiavany ny reny izay dia misy ireo fanontaniana tsy voavalin’ny mpanoratra ka nozarainy tamin’ireo mpamaky, maneho izay fifamatorana lalina eo amin’izy mianaka izay ary tahaka ny manindrimandry azy mialoha ny zavatra hiseho:

Misy zava-mahavariana ihany anefa ao amin’ny fiainan’ny poeta, fa raha tsy mbola volovolon’ny ho faty ny reniko dia efa nahavita tsinahinahy tononkira toa natao ho an’izay andro mainty ihany aho. Misy fotoana ifotorako mihitsy hanoratra zavatra hafa nefa zavatra hafa lavitra noho izany no nivoaka, nisisika tsy laitra akisoka, Vakio, ange, ny “Ry valiha”, pejy farany amin’ny Ako sy Feo. Tsy iny mihitsy no zavatra nokasaiko hosoratana, nefa iny no vita (…).
Randja Zanamihoatra

    Mbola hahatsiarovany ny reny ihany koa ny fotoam-panoratany, fotoana izay hahatsiarovany indrindra ny fikarakaran’ilay reny niteraka sy nanabe kanefa voatery nisaraka noho ny hetraketraky ny mandrakizay:

Fa i Neny kosa, fahavelony, tsy mba nandrara ahy tamin’ny soratra, ny miari-tory no tsy avelany. Fa andro milamina sy tsy nisy ahina koa moa izany. Vatrany mihitsy aza nividy ho ahy izay boky misy poezy hitany any (E! tapitra ela tokoa, mantsy! Fohazinao ka ho mifoha…).
Randja Zanamihoatra

    Hitantsika teo àry ny fanadihadiana ilay soratry ny mpanoratra Randja Zanamihoatra hoe: “Ny harivan-tafasiry” tao amin’ny Amboara Ako sy Feo, ny taona 1956.  Nambarany tao ny antony nanoratany, ny mahasarotiny azy amin’ny asa fanoratana sy ny mahasarotra izany. Ary farany, tao anatin’ny fitantarana izay nataony no nahitana fa miverimberina matetika ny momba ny reniny, izay nahary sy nikarakara azy. Tia sy tsy mahafoy ny reniny i Randja Zanamihoatra, hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny fiafaran’ny fitantarana nataony. Mbola misy zavatra betsaka azo resahina momba ilay “Ny harivan-tafasiry” saingy ireo aloha no masaka azo natolotra. Ankoatra ny tantara natolotry ny mpanoratra ato amin’ny Ako sy Feo dia misy ihany koa ny sorapiainana momba azy ato amin’ny pejin’ny tranonkala Pôetawebs, koa mifameno izy ireny amin’ny fahafantarana misimisy kokoa ny mpanoratra. Hamaranana izao tatitra fohy izao, ireto andininy namaranan’ny mpanoratra ny asany ireto:

“Aza hadinoina fa mbola eo am-pombana ny tantarako aho: zava-tsy mbola vita izany. Aoka hanao ny Asany ny fizotry ny fiainana. Ianareo miandry, izaho koa miandry: mitovy isika. Ary eo no ametrahako firarian-tsoa raha maniry fahombiazana ho anareo tsirairay avy".
Randja Zanamihoatra

Mpanadihady :    
Ratsimbazafy Ny Hasina
29/05/2024


Date de dernière mise à jour : 28/05/2024

×