Mafy be ny Dadanay - Ratsimaholy Francinet

Mafy be ny Dadanay
Toetra Ràja - 15/06/2024

MAFY BE NY DADANAY

MAFY BE NY DADANAY

Io mifoha maraina be
Mivikiviky raha mandeha
Hiasa, hamelona anay
Mafy be ny Dadanay.

RATSIMAHOLY Francinet
in Amboara, tak 58

15 jona 1949 - 15 jona 2024, mitsingerina anio ny faha-75 taonan-dRATSIMAHOLY Francinet poeta, mpanoratra, mpampianatra ary mpanabe. Ironana bebe kokoa amin'ity famakafakan-kevitra ity ny lanjan'ny fanabeazana mivohitra ao amin'ny fiainany sy ny asasorany. Tia sy mitsinjo ny hoavin'ny ankizy izy ary zava-dehibe aminy ny firindra sy fahatomombanan'ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy zanaka. Anisany ny taratra ato amin'ity tononkalo "Mafy be ny dadanay" ity, nalaina tao amin'ny bokiny "Amboara" tak 58 ka ifantohana amin'ny andininy voalohany. Inona no mety ho akon'ny fameloman'ny ray ny zanany eo amin'ny fiarahamonina? Ny hananana taranaka vanona sy hanandratra ny fiarahamonina no tanjona. Mety hamotika ny fiarahamonina anefa ny fameloman-janaka atao amin'ny fomba amam-panao tsy mendrika. Ilaina araka izany ny fananana ray modely azo tahafin'ny fiarahamonina.

***

Taranaka vanona sy hanandratra ny fiarahamonina

Loham-pianakaviana ny ray, antsoin'i Francinet Ratsimaholy hoe dada, ary miasa sy mitady vola hamelomana ny ankohonana. Manao ny fara-heriny izy "Io mifoha maraina be" io, toy ny tolon'ny tantsaha mandao tokantrano vao mangiran-dratsy ary mety ho jihitry ny hatsiaka mamirifiry aza. "Mivikiviky raha mandeha" izy, izany hoe "Mamindra mailamailaka amim-paharisihana; manao dia maika" araka ny Rakibolan-dRajemisa-Raolison (1985). Hamonjy fotoana izy, araka izany, fa tsy milaika toy ny famindran'ny mpiala sasatra. Mety ho asa mafy no hatrehina, toy ny famadihan'ny tantsaha bainga, ady aman'ain'ny miaramila, fitsarana tsy mitongilana sns. Kanefa "Mafy be ny Dadanay" ka manana fahatokisana azy tanteraka ny zanany satria "Hiasa, hamelona anay" ilay ray ary afaka mioty valin-katsembohana mifanaraka amin'izany. Mendri-piderana ny dada toy izany raha sady mahatafita zanaka no tsy mamono ny fiarahamonina.

Famelomana mihataka amin'ny fomba amam-panao tsy mendrika

Mahafantatra ny foto-piveloman'ny rainy ny zanaka amin'ny ankapobeny: mpampianatra, mpitsabo, mpitsara, mpamboly... ankoatra ny asa aman'andraikitra manokana amin'ny politika, fiangonana, fikambanana izay mety hitaky ora maro isan-kerinandro. Azo lazaina ho vitsy kosa anefa ireo mahafantatra ny fomba amam-panao tsy mendrika miafina ao ambadik'ireny asa mahazatra ireny toy ny kolikoly, risoriso, fitongilanana, halatra an-kitsirano, vono olona... Mety ho tsy ampoizina fa ity dadany mifoha maraina be sy mivikiviky ity anie ka hamonjy halatra, hanatrika fivoriana avo lenta amin'ny kolikoly, hanasonia taratasim-bola mamohehitra sy tsy fampiseho masoandro. Misy ireo tsy hita alina fa hay mpiombon'antoka amin'ny andian-dahalo mpanani-bohitra... Tsy hary voatanisa ny ohatry ny fomba amam-panao tsy mendrika fa "Mafy be ny Dadanay", izany hoe afaka manamontsana ny mpifanandrina aminy, mandemy ireo hovolosana amam-bolony, mampandefitra ny rariny sy hitsiny, mampitolefika ny lalàna, mampangina ny feon'ny fieritreretana... sy izay mety hifanohitra amin'ny modelim-piainana mahasoa ny fiarahamonina sy ny firenena.


Ray modely hotahafin'ny fiarahamonina

Dada mpamelona sady modelin'ny fiarahamonina ireo miasa am-pahamarinana, tsy manaiky ho resin'ny fakam-panahy hambotry ny mpiara-belona, tsy tia tena, mitsinjo ny madinika ary mahatsapa ny antsoina hoe "voin-kava mahatratra" fa tsy sanatria izy indray no hamely havana. Ny ray modely koa dia manao ny asan'ny Tompo amin'ny andavanandro: "ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao" izay fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin'ny Jakoba 1, 27. Izy ireo koa no mamonjy fotoam-pivavahana isak'alahady, miampy ireo fivoriana samihafan'ny diakona sy sampana... kanefa tsy mangalatra akoho ny alatsinainy. Izy ireo koa no tena dada "mafy be", izany hoe sahy manindrom-paingotra ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny fanaon'ny mpiara-miangona dieny alatsinainy.

***

"Mafy be ny Dadanay" ka hajahajain'ny fiarahamonina fa "avo toerana" ka reharehan'ny zanaka, ny fianakaviana, ny mpiray tanindrazana, ny fiangonana... Mety hanakimpy maso anefa izy ireo ka mankasitraka ihany, na hanome tsiny mihitsy raha mahatsapa fa mampitondra faisana ny fiarahamonina sy ny tanindrazana ny fomba amam-panaon'ilay dada mpivikiviky vao maraina. Fetin'ny ray rahampitso, omeo fanomezana mendrika izy, asehoy azy koa ny maha zanaka mpanandratra ny fiarahamonina anao izay ho tonga ray modelin'ny fiarahamonina ao aoriana.

Date de dernière mise à jour : 11/06/2024