Havàtsa-UPEM sampana Frantsa - 20 taona
Nangonin'i Andrymann - 10/05/2024

Havàtsa-UPEM sampana Frantsa - 20 taona

Nankalazaina tao, Le Kremlin-Bicêtre (Parisy IDF) ny 27 Avrily 2024, ny faha-20 taonan'ny Havàtsa-UPEM sampana Frantsa.

Ny hiram-pirenena sy ny hira faneva no nanombohana ny lanonana, mialoha ireo lahateny nifandimbiasana, antsa tononkalo sy hira, fanolorana ny boky tsangambato antsoina hoe "Sangan-Tsangana". Nisy koa ny fivarotana - fampirantiana boky sy buffet mpamatsy sakafo.

Nanome voninahitra ny fotoana ny REPERMAD UNESCO (REprésentation PErmanente de la République de Madagascar auprès de l’UNESCO) tamin'ny alalan'ny mpanolotsaina Fanabeazana Andrianome Rakotomanantsoa, ny INALCO nahitana ny profesora ela nihetezana Narivelo Rajaonarimanana, ny Havàtsa-UPEM Foibe (Andriamanalinarivo Rainibemirindra) sy ny sampany ao Soisy (Jean Andriamananaivo), ireo fikambanana rahavavy toy ny FTM (Fampianarana Teny Malagasy) notarihin'ny filohany Tafika Rakotomavo, ny FI.MPI.MA (Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy) maneran-tany notarihin'ny filohany Hanitra Andriamboavonjy sy Dera Ramandraivonona, ny FI.MPI.MA faritany Frantsa (Sedera Razafindrazaka Filohany), ny FI.MPI.MA sampana Parisy (Bodo Langlois Filohany), ny Kolo Malagasy (Idealy Andriamanjato Filohany), ny CEN-RNS (Rencontres Nationales Sportives), ny AMANDIE (Association Madagascar Normandie), ny P'ART ÎLE MADAGASCAR (Promotion de l'Art et de la Culture de la Grande Île Madagascar), ireo mpanakanto samihafa (Ny tariky Hary Louis Andrianaivo, ny Voromanga Vaovao tarihin’i Sarah Raharijesy, ny Amboarampeo Iraky ny Lanitra).

Rtoa Joelle Andriantody no tonian-danonana.

Nisantatra ny lahateny fanomezam-boninahitra i Tafika Rakotomavo, nodimbiasan'i Bodo Langlois, ny profesora elanihetezana Narivelo Rajaonarimanana, Manantsoa Andriamiarina (Filohan'ny Havàtsa-UPEM sampana Frantsa) ary Andrianome Rakotomanantsoa.

Nandritra ny lahateniny dia namaky an-dalan-tononkalo nosoratany izay nampahatsiahy ireo mpanorina folo mianadahy ny Filoha Manantsoa Andriamiarina :

"Raha atao ny tombambokatra sy ny topimaso
 Dia Havàtsa-Frantsa tsy voasemban’ankaso
 No niaraha-natsangan’izy mianadahy niisa folo
 Tamim-pahavitrihana sy hafanam-po manontolo
 Tao i FX-Mahah, i Fredy Jaofera, i Hanitr’Ony
 Tao koa i Toetra Ràja, i Ny Kanto, i Andamioly
 i DadaRabe, i Andry Salomon, i Aina, i Lalatiana
 Izy folo  mianadahy ireo no vy nahitana sy nianteheran’ny fitokiana"

Nanazava fohy ny antom-pisiany sy ny hevitra entin’ny anarana Havàtsa-UPEM (Havàtsa=tombokavatsa, tombokase = tandra vadin-koditra) izy. Nasongadiny koa ny fomba namokarana ilay boky vaovao "Sangan-Tsangana".

I Hanitr'Ony kosa, filoha teo aloha, dia nanoritsoritra ny tantara nodiavin'ity sampana ity ary namarana tamin’ny kabary fisaorana.

Nandritra ny hetsika dia nanao tohivakana ny antsan-tononkalo na literatiora noelanelanina hira sy mozika, nozarain'ny mpikambana Havàtsa-UPEM sampana Frantsa toa an'i MRG, Antsiva, Hanitr’Ony, Lalah, ny sketch’ i Arivony Jeannot sy i Fara, feo-mozika valiha an’i D.D. Sorajavona. Nahazo ny anjarany koa  ry Andriamanalinarivo Rainibemirindra sy Jean Andriamananaivo. Nandray anjara tao amin’ny programa i Colombe, nanao tononkalo tenim-paritra, sy i Rolland tamin’ny teny anglisy.

Nanamarika an'ity fotoana ity teny amin’ny stand ny fanolorana sy fanazavana ny boky "Sangan-Tsangana" ho tsangambaton'izao faha-20 taona izao, ahitana ny sanganasan'ireo mpikambana. Marihina fa mandrafitra ny lohatenin'ity boky 200 takila ity ny maha "sanganasa" sy maha "tsangambato" azy. Manga midorehitra ny fonony, ahitana ny marik'izany tsangambato izany. Ny fonony ivoho kosa ahitana tononkalo mamintina an'izany "Sangan-Tsangana" izany.

Nandritry ny fiatoana dia afaka  nividy izay sakafo malagasy vokatry ny fahaiza-mahandron'ny "Au Soleil de Madagascar" ny mpanontrona tonga. Nanazava ny maha jaka mitam-pihavanana ny fizarana mofomamin'ny faha-20 taonan'ny sampana, i Antsiva tao anatin'ny lahateniny kanto sy mifono hevitra mahasoa. Niarana nindredona tamin'izany ny "Happy birthday" narahin’ny mozikan'ny tarik’i Hary Louis. Tao aorian’izany dia mbola nitohy ny antsan-tononkalo, hira sy mozika mialoha ny kabary fisaorana namaranan'i Hanitr’Ony ny fotoana.

Miankavanana : Andrymann, Hanitra Andriamboavonjy, Andrianome Rakotomanantsoa, Bodo Langlois, Pr Narivelo Rajaonarimanana
Havàtsa-Upem sampana Frantsa. Miankavanana : Andrymann,, M.R.G., Rani, Antsiva, Arivony Jeannot, Andry Salomon
Havàtsa-Upem sampana Frantsa, niampy ny Foibe sy ny sampana Soisy. Miankavanana : D.D. Sorajavona, Andriamanalinarivo Rainibemirindra, Jean Andriamananaivo, M.R.G., Hanitr'Ony, Raivo Patricia, Andry Salomon
Joelle Andriantody sy D.D. Sorajavona
Ny boky Sangan-Tsangana
_________________________________
Lahatsoratra nangonin'i Andrymann
Sary : Andrymann sy Gasy Diaspo

Date de dernière mise à jour : 10/05/2024