Tsy kivy anie aho!

Tsy kivy anie aho - Samuël Randria
Toetra Ràja - 22/07/2024

TSY KIVY ANIE AHO !

Poeta nobeazina tao anatin'ny fifaliana hatrany i Samuël Randria ka tsy mahagaga raha mirona bebe kokoa amin'izany ny tononkalony. Anisany ity "Tsy kivy anie aho!" ity, nalaina tao amin'ny Gramera malagasy t.19 (1958), andininy voalohany. Mahalasa fisainana indrindra ao amin'io andininy io ny herin'ny hafaliana manoloana ny mety ho fahalemen'ny olombelona. Hozohina akaiky aloha ny tokony hitrakana manoloana ny kilema. Raha efa izany dia hasongadina ny hafaliana tokony haterany.

"Tsy kivy anie aho,
 Tsy ketraka aho
 Mitondra ny oroko petaka;
 Ifalifaliako
 Sy tena tiako
 Ny molotro iray mivareraka."

  *
*   *

Ny tokony hitrakana manoloana ny kilema

Samy manana ny kilemany ny tsirairay : ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pitondran-tena... Ao anatin'ireo tsy tako-nafenina ny tsy fahatomombanana ara-batana, indrindra moa fa rehefa miharihary toy ny vay an-kandrina izany tahaka ny "orona petaka". "Faritra mivohitra eo anivon'ny tarehy, izay organa amin'ny fanamboloana sy fakana fofon'aina ary ilaina amin'ny fitenenana" no namaritan'i R. Rajemina Raolison (1985) azy. Mety tsy hiaina sy hamoaka feo toy ny olon-drehetra araka izany ny petaka orona, ankoatra ny tsy fahenoana vary manitra sy "faharatsian-tarehy". Mety hiteraka eso sy haraby ary teny sompirana an-kisesy afafin'ny fiarahamonina izany.

Noho izany indrindra no andraisan'i Samuël Randria adidy hampiabo ny sain'ireo tompon-kilema satria tandindonin-doza izy ireo noho ny hetraketraky ny manodidina. Halaky ho kivy sy ho ketraka izy ireo raha tsy mitraka, izany hoe higedragedra ka hiitatra hatraty amin'ny rantsam-batana ny fahaketrahana rehefa ho tohin'ny fahasimban-tsaina.

Fananarana sy fanentanana hialana amin'ny fahakiviana no avohitry ny mpanoratra. Sady mampahery izy no maniry ny hitoeran'izany faherezana izany amin'ny alalan'ny mpamaritra matoanteny "anie". Faniriana sy firarian-tsoa rahateo izany ka misarika ny ketraka mba hiarina sy hioitra.

Ny hafaliana tokony haterany

Tsy vitan'ny sakanana tsy ho kivy sy tsy ho ketraka ny tompon-kilema fa mbola sarihina handray am-pifaliana ny toe-batana ara-boajanahary nomena azy. Ahoana tokoa moa no ahafahan'i Samuël Randria mandresy lahatra ny kilemaina ho falifaly amin'izany? Karazana kilema faran-tampony ity "molotra iray mivareraka" noraisin'ny mpanoratra ho azy ity. Sarotra inoana ny fisian'ny olona mitondra izany. Miborotsaka sy mirefarefa mantsy ny hevitry ny mivareraka. Ny molotra ambany no voakasik'izany satria raha ny ambony dia mbola misy molotra iray manohana ihany. Manimba endrika indrindra izany satria misonaka eny foana ny vava. Ny toy izany anefa no nahariana ilay olona sy maha izy azy ary ifalian'i Samuël Randria. Na ny kilema mavesatra toy izany aza ifalian'ny mpanoratra, koa mainka fa ho ireo kilema azo leferina? Miantefa any amin'ireo tompon-kilema rehetra ity hafatra ity.

Ankoatra ny kilema ara-batana, mety ho tsy voaresaka firy ny kilema ara-toe-tsaina izay mivoaka eo imolotra indraindray. Io ihany koa ilay molotra mivareraka, organa mpaneho ampahibemaso izay aloaky ny fo maloto tsy fampiseho masoandro.

  *
*   *


Fisarihana ny mpiara-belona aminy hiabo eo amin'ny fiainana no anisan'ny antom-pamoronan'i Samuël Randria tononkira sy tononkalo. Mitaona ny fiarahamonina hifaly amin'ny tolo-batana nomena azy izy ka hampiasa izany hahatonga olom-banona. Na dia tsy petaka orona sy tsy mivareraka molotra aza i Samuël Randria, satria lehilahy tomady, mijoro, itoeran'ny tanjaka noho izy mpilomano ikoizana, dia mety ho nanana ny kilemany ihany saingy nifalifaliany tamin'ny fiainany ka nahatonga azy ho olom-banona ary mpitarika voalohany ny skoto teto Madagasikara.

Date de dernière mise à jour : 17/07/2024