Créer un site internet

Toditra, tononkalon'i Tsikimilamina Rakotomavo, fandalinan'i Mopera Radoara

Toditra, tononnkalon'i Tsikimilamina Rakotomavo
Radoara - 11/06/2024

TODITRA

Manamarika ny iray volan'ny teny malagasy ny mpiseran'ny Poetawebs amin'ny alalan'ity tononkalo maneho voambolana tsy mahazatra ity. Maneho ny heviny momba izany asasoratra izany ny teratany vahiny antsoina hoe Mopera Radoara. Mpandala ny teny malagasy izy ary ary tsy vahiny amin'ny maro eo amin'ny sehatry ny literatiora satria mpanatrika velakevitra sy hetsika momba ny poezia ary efa nanao famelabelaran-kevitra tamin'ny teny malagasy tao amin'ny Akademiam-pirenena.

Tsiky Rakotomavo no nanoratra tononkalo iray izay mitondra ny lohateny hoe TODITRA, renianarana malakaka be.  Io angolankevitra io no mahavatokilonjy tsara endrika an'ilay tononkalo, io no manavanana azy. Araka ny fahitanay azy, tsanganantononkalo momba ny zavatra tazan'ny masony na momba ny fihetseham-po izay mandrafitra ny asasorany, satria diavolana ny kibo ho antsika eto Madagasikara. Miisa 3 ny andininy, 6 ny andalan'ny andininy 2 voalohany, kanefa 5 ihany ny an'ny andininy fahatelo farany.

Raha vakina amin'ny feo avo, raha ventesina ilay tononkalo momba ny jonitra izay manoritra ny tavantsika indraindray, ny zavatra voalohany izay manaitra ny sofina dia angamba azo arindra tsara kokoa ny adirima satria tsy misy fitovizana amin'ny kodia miadinify. Raha jerena akaiky ilay izy, dia ny andininy farany ihany no somary miredona, somary mirindra satria manaraka ny filaharana ara-drafitra a b d e e c, hany ka miavaka mihitsy ny vadimpeon'ny tononkalo izay feno teny mitsaikona. Ny teny mingadona dia manaitra be araka ny fandrenesan'ny sofinay azy.

Marina fa ankafizina ny fototeny verindroa, kanefa indraindray kosa, azo atao ihany koa ny manova azy mba hampiditra teny vaovao entina hampitombo ny fahalalan ny mpamaky an'ilay tononkalo mahafinaritra. Ohatra, ny matoanteny hoe manendrihendry dia miverina indroa ao anatin ny andininy roa mifanesy, hany ka azo soloana amin'ny teny hafa ny faharoa.
Tena toavinay ny andininy voalohany izay mirindra tsara ara-drafitra. Ny teny hoe mianjady no fanoitra handrafitra azy. Mifameno tsara ny manodidina azy, dia ny fihetseham-po roa samy hafa izay mifanaraka tsara, dia ny sorisory sy ny taraina.

TODITRA

Maneho ianao fa,
misoritra imaso
ireo sorisory izay
mianjady
miseho an-karihary
ireo taraina maro be ;

Tsikaritrao mazàna koa
ny fihetsika manjonitra
tsy nomanina akory
fa miantefa sesilany
anoloanao Ilay....
ilay manendrihendry!

o! ry Ilay manendrihendry
ny fiventinao mifelika
ny famosahanao mifenty
ho sahinao ve ny hanoditra
eny hoy aho toditra!

Tsiky RAKOTOMAVO
_________________________
Fanazavana
manendrihendry : mitily, mitady haka rehefa  tsy misy mahita
toditra : fanandramana sakafo mbola tsy masaka
mifelika : miolaka
mifenty : mahay miteny

Date de dernière mise à jour : 11/06/2024