Créer un site internet
Faha-15 taonan'ny Poetawebs, tsiahin'i Andry Rasamindrakotroka
Poetawebs - 06/05/2024

 Faha-15 taonan'ny Poetawebs, tsiahin'i Andry Rasamindrakotroka

Ampifaliana tokoa no hiarabana ny POETAWEBS noho ny fahatratrarany ny faha-15 taona niorenany izao. Tamin-kisendrasendra tanaty aterineto sy  tambazotran-tserasera no nahalalana azy tany am-boalohany. Noho ny andraikitra maro nosahanina moa, tsy dia nanam-potoana loatra namakiana amin’ny antsipirian'ny votoatiny, fa vitan’ny topy maso maimaika ohatra ireo lohahevitra sy vaovao maro be mivoaka isan'andro.

Taty aoriana anefa rehefa nieritreritra ny hamoaka boky mirakitra amboaran-tononkalo dia nanomboka nijery sy nandalina ireo sehatra rehetra mety hanapariahana izany amboaran-tononkalo izany. Teo no nahitanay ny mampiavaka ny POETAWEBS, tsy vitan’ny famoahana tononkalo, fa misy koa famakafakana sy fandalinana ny tononkalo mba hahalalana sy hahazoana tsara ny ventin-kevitra vohiziny sy tiany hampitaina, ny fampahalalana sy ny fandalinana ny fiainan’ny mpanoratra, sns, izay tsy hita loatra any amin’ny hafa.

Ambonin’izany koa moa, izay tsy latsa-danja ny fahalalana fa hay Atoa Toetra RAJAONARIVONY, zanaka mpiara-miasa Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Fahasalamana ny Faritanin’Antananarivo (Service Provincial de la Santé de la Province d’Antananarivo) Dr Daniel RAJAONARIVONY, fony izahay voatendry ho Lehiben’ny Faripiadidian’ny Fahasalaman’ny Imerina Andrefana (Circonscription Médicale de l’Imerina Ouest), nisy ny distrikan’Atsimondrano - Ankazobe sy Arivonimamo ary Ambohidratrimo, no namorona sy tomponandraikitra voalohany ny POETAWEBS.

I Toetra RAJAONARIVONY koa moa, ambonin’izany, nanampy be dia be tamin’ny famolavolana sy ny fampahalalana voalohany ny raki-tononkalo nosoratanay "TSIAHY SY NY HO AVY". Tena nanana Zandry tokoa.

Mbola mamerina ny fiarahabana ny POETAWEBS noho ny tsingerin-taona faha-15 niorenany, ary mirary soa sy fahombiazana tanteraka ho an’ny 15 taona manaraka, hiroborobo sy ho tahin’ny Tompo hatrany!

Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Professeur Titulaire Emérite, Faculté de Médecine d’Antananarivo
Ancien Ministre de la Santé et Planning Familial
MADAGASCAR


Date de dernière mise à jour : 06/05/2024