Tenin'i Tsikimilamina Rakotomavo

Korisam-penin'ny Poetawebs, Tsikimilamina Rakotomavo
Tsikimilamina Rakotomavo - 15/07/2024

Korisam-peninin'ny Poetawebs - 2024

Manana hafatra manokana ho anao ny Poetawebs mandritra ity taona 2024 ity.
Atolotr'i Tsikimilamina Rakotomavo
:

"Ombon-tsoa omban'ny tsara
 Mahavanona... any am-para!!!
"

Mivahavaha ny fifandraisantsika olombelona samy olombelona. Mahagaga fa tsy mety ho lavorary izany noho ny fahasamihafana sy ny hantsana misy eo anivon'ny tontolontsika.
Ny firaisankinan'ny mpianakavy izay manana ra iraisana sy  foto-kevitra ijoroana ikambanana dia toa tsy ahitana taratra ny firaiketam-po intsony. Miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahaiza-miaina ka mampiseho lany ny habibiana eo amin'ny toetra amam-pitondrantena.
Ny eo amin'ny sehatry ny finoana izay heverina fa tahala andrariana ny fitoniana  tapitra ohatra no vao mainka toa hady mangitsoka mampivarahontsana tsy azo hatonina akory.
Ny fanimbazimbana ny Soatoavina anorenana ny fanabeazana maha olona no mahatorotoro ny fahendrena mamy sy nolalaina hatrizay.
Ny fampanantenana politika andaminana ny andavanandron'ny besinimaro dia toa mampisara-bazana ny Ambanilanitra ka tsy ahafaha-mitsinjo ny ampitso izay mbola baraingo amin'ny mpiara-belona rehetra.
Rotika ny fihavanana !
Ny famerenana ny fiombonana amin'ny sehatra maro izay tsy manan-tanjona afa-tsy fikatsahana ny SOA IOMBONANA ihany no fototry ny fahombiazan'ny fiarahamonina misy antsika.
Ny fiombonam-po, fiombonan-tsaina, fiombonana aina, fiombonam-panahy izay   zorom-piainan'ny isambatan'olona ampiraisina ihany no ahafahana mandrafitra, manorina olom-banona vonona hiatrika ny ampitso tonga lafatra.
Ny saina miara-mihevitra no itoeran'ny fifandeferana. Ny tanana miara-mandray izay ahazoana vokatra azo tsapain-tanana no ahazoana fahombiazana.
Ny fo miara-mitepo no ahafahana manakanto ny tontolo itoerana sy ivelomana.
Vokatsoa ateraky ny fiombonana mantsy ny fanetren-tena, ny fiheverana ny fisian'ny hafa, ny fanajana ny safidin'ny besinimaro, ny fanajana ny  rafitra an-tanan-tohatra, ny fahaiza-mandanjalanja ny atao, ny fahatahorana ny tsiny sy ny tody, ny fandalana ny marina eo amin'izay rehetra heverina sy tontosaina...
Koa ny fiombonana amin'ny soa sy ny tsara ihany araka izany no mahavanona ny taranaka handimby.

Ato ny rohin'ny fandalinana feno momba ireo tenin'ny mpikamban'ny Poetawebs.

Date de dernière mise à jour : 02/07/2024