Créer un site internet

Toetra Ràja - 15 taonan'ny Poetawebs

Toetra Ràja manazava ny fankalazana ny faha-15 taonan'ny Poetawebs
Toetra Ràja/Felana Radoniaina - 21/07/2024

TOHOKALON'NY POETA, ZARA TRAIKEFA

Hankalaza ny faha-15 taonany ny Poetawebs amin'ny zoma izao (26 jolay 2024). Hifamotoana eny amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy amin'ny 9 ora maraina ireo mpanaraka azy. Manazava ny mety ho endrik'izany fankalazana izany i Toetra Ràja amin'ny famaliana ny fanontanian'i Felana Radoniaina.

Felana Radoniaina
Miarahaba anao Toetra Ràja. "Tohokalon'ny poeta, zara traikefa" no lohateny hita ao amin'ny petadrindrina. Mahaliana izany! Inona avy re no mety antenain'ny mpanatrika ho hita sy re amin'io fotoana miavaka io e?

Toetra Ràja
Miarahaba anao Felana Radoniaina ary miarahaba ireo mpanaraka ny tranonkala. Ilay molotra mibitsika kalo kanto eo an-tsofin'ny mpihaino no ambaran'io tohokalo io, koa sady hita sy re ireo organa roa ireo. Amin'ny maha fankalazana tsingerintaona azy dia hanana endrika fety ny hetsika, fetin'ny mpahandro sy fetin'ny asaina. Hisy fizarana traikefa koa anefa ao satria izany indrindra no anisan'ny voizin'ny Poetawebs ao anatin'ny tranonkalany. Hiseho amin'ny endrika velakevitra izany. Hanana anjara fitenenana ny mpanatrika. Hoelanelanina antsa sy fanentanana amin'ny endrika samihafa izany ka antenaina fa samy ho voky hafaliana ny rehetra.

Felana Radoniaina
Azo fantarina ve izao ny isan'ny mpikambana amin'ny Poetawebs?

Toetra Ràja
Tsy tena ny isany angamba no zava-dehibe fa ny fiarahana mientan'ny mpikambana sy ny fahavitrihan'ny fifandraisana amin'ny poeta namana sy ireo tompom-pahalalana maro. Tany am-boalohany dia saika poeta avokoa no mpikambana. Nanatevina izany taty aoriana ny mpikaroka, mpanao gazety, teknisianina sns. Ny olona no maha Poetawebs ny Poetawebs, ireo olona 10 mifampiresaka matetika, miampy poeta mamaly hatrany ny antso satria mahatsapa fa iraisana ny tanjona.

Felana Radoniaina
Azonao resahina ve izay tanjona izay sy ny antom-pisian'ny Poetawebs?

Toetra Ràja
Tanjon'ny Poetawebs ny fanandratana ny literatiora malagasy amin'ny alalan'ny fanomezan-danja ny tontolon'ny poeta. Mazava ny antom-pisiany tamin'ny 2009 namoronana azy. Natsangana ny Poetawebs noho ny fahatsapana fahabangan'ny asa fandalinana teo anivon'ny aterineto.

Felana Radoniaina
Natokana ho an'ny poeta ihany ve ilay hetsika hatao io? Iza avy no mety handray soa amin'ny fanatrehana azy?

Toetra Ràja
Hisy poeta tokoa hanatrika ny fankalazana ary handray anjara ao ry zareo. Rariny sy hitsiny izany satria izy ireo no mampiaina ny tranonkala atolotra ny fiarahamonina. Araka izany dia handray soa amin'ny fanatrehana io fety io ny fiarahamonina toy ny taranaka poeta, ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, mpanoratra, mpiasa isan-tsokajiny ary ireo rehetra liana amin'ny tontolon'ny poezia.

Felana Radoniaina
Eto am-pamaranana, dia mirary ny Poetawebs hanohy hatrany ny dia!

Toetra Ràja
Mankasitraka tamin'ny fanasana Felana Radoniaina. Amin'ny zoma ny fotoana, fety no hatrehina, tsara raha tonga aloha hanamorana ny fandaminana.

Date de dernière mise à jour : 21/07/2024