Mifamatotra - Rakotomavo Gilbert

Mifamatotra - Rakotomavo Gilbert 2024
Tsikimilamina Rakotomavo - 17/07/2024

MIFAMATOTRA

MIFAMATOTRA
RAKOTOMAVO Gilbert
(1938-2000)

Mpanoratra manana ny iavahany amin’ny hafa Rakotomavo Gilbert. Hita taratra ny fananany talenta manokana izay tena mampihetsi-po ny mpamaky na mpihaino. Tara-kevitra iray amin’ireo efa naharihariny no atolotra amin’izao 17 jolay ahatsiarovana azy izao.

Fitia mampifandray!
Fitia mampikambana!,
Fitia mampiraikitra!
Fitia mampifamatotra!

Maro ireo tombontsoa ateraky ny fitiavana eo anivon’ny tontolo anjakan’izany. Ireo endrika isehoan’ny tena fitiavana ao amin’ny kalon-dRakotomavo Gilbert notsongaina tao amin’ny bokiny Safatsiroa no andalanina etoana.

***

MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA

Ny tena fitiavana dia ny fiheverana sy fikatsahana izay tsara indrindra ho an’ny olon-kafa ka tsy itadiavana ny tombontsoa manokana ho an’ny tena.

“Koa mahareta mivavaha
 Hitady ho an’ny soa iombonana
 Dia mahereza mahatanjaha
 Hampandroso ny fiangonana”
 Safatsiroa tak 68

Mariky ny fitiavana ny fankaherezana ny hafa mba hirosoany ho amin’ny asa tsaratsara sy mendrika kokoa. Fanentanana ny mpanompon’Andriamanitra mba hijery ny mahasoa ny besinimaro moa no ampitaina ao anatin’ny tononkalo. Asam-piangonana mantsy no ambara; koa izay laharam-pahamehana ho an’ny rehetra araka ny sitrapon’Andriamanitra no tokony ho katsahin’ny Mpitondra fiangonana.  Anisan’ny asa mafy indrindra no iantsorohan’izy ireny, koa ilana faharetana sy fiaretana ireo sedra maro izay tsy maintsy lalovana izany. Mampahery ny mpanompon’Andriamanitra àry ny tononkalo amin’ny alalan’ny tenim-pitiavana mba hahefany be amin’ny tsara izay niantsoan’ny Tompo azy. Araka izany, ny fitenenana am-pitiavana no fomba mahomby hampandrosoana ny fiainan’ny hafa.

FIFANAJANA

Fototry ny fahatezan’ny fiarahana eo amin’ny olon-droa ny fifanajana. Mari-pitiavana feno fatra sy fomba hikoloana ny fiombonana izany.

“Izao no mba hafatra tiako hitoetra
 Ho tena kiady amin’ny atao rehetra
 Mahaiza manaja fitia ao anaty
 F’izany no voady natao mandra-maty”
 Safatsiroa tak 69

Zava-dehibe eto ny torolalana ampitaina amin’ny mpiara-belona mba hampahomby azy eo amin’ny sehatry ny fitiavana. Misarika ny olona miroso amin’ny fanambadiana ny poeta eto amin’ny tononkalo mba hahay hifanaja sy hifanome voninahitra eo amin’ny fiombonan’izy ireo. Manamafy izany ny hoe:

“Ny fitiavana tena fitiavana
 Mifanaja ny tia sy ny tiana
 Dia ny andaniny roa amin’ny Havana
 Tafatambatra fianakaviana”
 Safatsiroa,tak 71
 
Aseho eto fa ilaina ny fahari-po eo amin’ny fitiavana satria mila maharitra sy miaritra ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainana ny isambatan’olona. Raha mitoetra amin’izany mantsy ny mpivady dia milamina ny fo sy ny saina ary afaka mifandray sy mifankahafantatra tsara.

MIAINA NY DINA

Miara-dalana mandrakariva amin’ny fifankatiavana ny fametrahana ny dina izay mamaritra ny fomba fanehoana sy fifampizarana ny fitiavana. Tsy fepetra natao ho zioga mavesatra eo amin’ny mpifankatia anefa izany fa singa hanamafisana ny fomba fiarahana. Ilaina ny fanatanterahana izany mba hahatasapan’ny tsirairay ny lanjan’ny fifankatiavan’izy ireo.

“Ka ny dina ao anaty
 Fa hoe aina no fetra
 No hajao tsy ho faty
 Fa izay no tarigetra”
 Safatsiroa, tak 72

Zava-dehibe ny fanajana ny voady natao teo anatrehan’Andriamanitra ary tsy tokony hotoherina na hidifiana izany, fa tsy maintsy arahina antsakany sy andavany. Ny fifampitokisana mantsy no tena ilaina eo amin’ny fiarahan’olon-droa. Rehefa tafatoetra izany dia maharitra ny fitiavana na dia maro aza ireo fakam-panahy manaloka ny fifankatiavan’izy ireo. Ny tononkalo eto dia  maneho fa ilaina ny fifehezan-tena sy fihetseham-po, anisan’izany ny fahatokiana eo amin’ny fiainana mba hahamarin-toerana ny fiombonam-po. Manamafy izany ny hoe:

“Ny fanantenana ‘lay Hasim-panahy
 Hambomba hatrany ‘zay enti-miady
 No toa bararata noladinim-bahy
 Hamatotra feno ny tena mpivady”.
 Safatsiroa,tak 70

Tsy vitan’ny herin’ny tena samirery ny fanorenana tokantrano fa mifandrohy mandrakariva amin’ny vavaka arahim-pinoana. Rehefa aorina eo anatrehan’Andriamanitra ny fanambadiana dia azo antoka fa misy ny arofanina izay mifehy ny mpivady. Izany indrindra no mampaharitra ny tokantrano.


***

Araka ireo voambara ireo dia tsapa fa mampirisika ny mpiara-belona hijoro amin’ny fitiavana marina ny poeta Rakotomavo Gilbert. Maneho mandrakariva ny kalony fa misy hatrany ny maraina sy tara-pahazavana ho an’izay mampanjaka ny fitiavana. Toe-tsaina mendrika tahafina amin’izao vanimpotoanan’ny fisalasalana sy fifampiahiahiana izao izany.


Date de dernière mise à jour : 16/07/2024