Créer un site internet

'Ndao hianatra fitenim-paritra

'Ndao hianatra fitenim-paritra
Heriarilala Andriamamonjy - 15/06/2024

'NDAO HIANATRA FITENIM-PARITRA

Tontosa tao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina AKORY HALY Mahajanga ny alakamisy 12 jona lasa teo ny hetsika "'Ndao hianatra fitenim-paritra", hetsika natao hankalazana ny iray volan'ny ny teny malagasy ao Mahajanga. Ratolojanahary Njara Tiana na Rnt Mpikalo no mpandahateny tamin'izany. Izy izay fantatra fa pôeta mpikambana ao amin'ny Havàtsa-UPEM.

Nampiavaka ity hetsika ity ny velakevitra izay niompana tamin'ny fanasinkasinana ny lanjan'ny fitenim-paritra. Nasongadin'i Rnt Mpikalo fa antony telo raha kely indrindra no ilana ny fitenim-paritra:

- ampiroboroboana ny fizahantany
- itadiavam-bola amin'ny alalan'ny fampianarana
- ampiasaina rehefa miasa ivelan'ny faritra nonenana taloha

Nisy araka izany ny fanazavana voambolana avy amina fiteny samihafa eto Madagasikara. Nandravaka ity hetsika ity koa ny seho an-tsehatra notontosain'ny Vondron'ny Mpiangaly Tantara izay nanehoana ny fiteny betsileo sy merina ary sakalava. Nahasarika ny dihy mampiavaka ny isam-paritra nataon'izy ireo mba hanehoana ny harenan'ny kolontsaina malagasy.
Tsy diso anjara tamin'ity seho ity ny fiantsana tononkalo nataon'ny mpianatry ny Oniversite sy ny slam niangalian'i Ombre de la plume izay mpanakanto avy ao an-toerana.





Date de dernière mise à jour : 15/06/2024