Andron’ny Fanambadian’i Koto sy i Kala

Mafy be ny Dadanay
Felana Radoniaina - 21/06/2024

Andron’ny Fanambadian’i Koto sy i Kala


Andron’ny Fanambadian’i Koto sy i Kala

Anio àry dia efa niova sahady
Ny iantsoana anareo dia “izy mivady”
Anarana kely tsy saro-tononina
Fa mampisy haja amin-tany ama-monina
Koa aoka ho filamatra, ‘olona ilaina’
Manadino tena, ny hafa no ao an-tsaina
Vonona hiady amin’ny fitiavan-tena
Fa io no mampietry na iza firenena.

Notsongaina tamin'ny tononkalon'i
Violette de Parme na Memée. Andininy fahavalo.
Sabotsy, 5 Septembre 1987

Andro iray toa zato, andro iray tsy fanadino ilay andron'ny mariazy. Niompana indrindra amin'io andro miavaka io ity tononkalon'i Violette de Parme hoe Andron'ny Fanambadian'i Koto sy i Kala ity. Raha jerena indray mitopy maso dia manana endrika kabary kely ombam-pirarian-tsoa sy mifono anatra ho azy roa kely no mibahana ao anatin'ilay tononkalo. Ny andininy fahavalo no ifantohana amin'ity fandalinana ity. Hasongadin'io andininy io ny fiovan'ny fiainan'izy roa, ny hasarobidin'ny maha mpivady ary ny toetra mila ananana anatin'ny fanambadiana.


***

• Fiovan'ny fiainana

Raha mbola nifampizaha toetra teny, nifanjohy teny ho eny izy roa kely dia mbola tsy fantatry ny rehetra ilay dina nifanaovan'izy ireo tany ho any. Vita izao ny fisoratam-panambadiana ka natsoina hoe "izy mivady" izy ireo.

"Anio àry dia niova sahady
 Ny iantsoana anareo dia "izy mivady".
 
Misy heviny lalina ilay hoe "izy mivady". Tsy roa intsony izy ireo fa lasa nofo iray. Fiainam-baovao satria tsy irery intsony fa efa manana vady iankinana sy ianteherana. Tafiditra amin'izany izay mety ho fanapahan-kevitra rehetra ao an-tokantrano, efa "izy mivady" indray ankehitriny no midinika izany.

• Ny hasarobin'ny maha mpivady

Zovy moa no tsy hiaiky fa manan-danja eo anivon'ny fiarahamonina tokoa izany olona vita soratra ara-dalàna izany? "Mampisy haja amin'ny tany ama-monina" hoy i Violette de Parme ilay maha mpivady. Eny fa na dia eo anivon'ny havam-bady fotsiny tokoa aza, manaja anao ireo rehefa tena vady ianao.

• Toetra mila ananana


"manadino tena, ny hafa no ao an-tsaina
 Vonona hiady amin'ny fitiavan-tena"

 Vonona hiady amin'ny fitiavan-tena"

Izany ka toetra mendrika hananana anaty tokantrano. Manadino tena, izy aloha vao izaho, izay ilay manadino tena. Mitady izay hahasoa ny andaniny ny ankilany fa tsy tia tena. Afaka ny ho sambatra izy ireo satria hifampiahy, hifampizaka, hifamela heloka rehefa manao ny hafa ho ambony noho ny tena.

***

Raha iny andininy iny ihany dia efa nandraisana anatra tsara avy amin'ilay poeta. Na vao haingana na efa ela ny andron'ny fanambadiana dia enga anie ho to amin'ny tsirairay koa io tso-dranon'i Koto sy i Kala io.



Date de dernière mise à jour : 20/06/2024