Créer un site internet

Antontan-kalo 2

Nala Tiana, tapatapakahitra
Faniry Ezeckiel - 13/06/2024

ANTONTAN-KALO 2

Anisan'ireo mpikambana nasondro-daharana ho mpiara-miombonantoka eo anivon'ny Akademia Malagasy i Ranoe, tao anatin'ny fivoriambe fanokafana ny taom-piasana akademika 2023-2024 teny amin'ny Lapan'ny Akademia Mlagasy eny Tsimbazaza.

Faniry Ezeckiel
Miarahaba anao Nala Tiana tonga eto amin'ny efitry ny tapatapakahitry ny tranonkala Poetawebs. Azonao ampahafantarina fohy amin'ny mpanjohy antsika ve hoe iza i Nala Tiana eo amin'ny sehatry ny literatiora  ary inona no vaovao entinao ho an'ireo mpiserantsika?

Nala Tiana
Faly miarahaba ny tranonkala Poetawebs. I Nala Tiana indray no vahiny hitafatafa eto... Tanora misehatra ao anatin'ny literatiora, tsy poeta, tsy mpanoratra fa mpizara rediredy sy mpanoratsora-poana fotsiny.
Nanomboka nanoratsoratra ny taona 2016 ary mbola mitohy hatramin'izao. Mpikambana ao amin'ny MPIZAKA SRELARIM nanomboka ny taona 2022.

Na izany aza anefa dia mba efa namoaka boky maromaro ihany aho toy ny HAFATRA, LAFATRA, TEMITRA, ary farany teo ny FO, SAINA MIABO... Efa nanao hetsika maromaro koa toy ny ZARAFANAHY, TAPA-POROHANA, sns... Ary amin'ity indray mitoraka ity dia hitondra ny anjara biriky hanasina sy hanamasina ny teny any amin'ny faritra Vakinankaratra any aho, hiaraka amin'i Haritiana Laska sy i Ny Tsiaro... ANTONTAN-KALO 2 moa no nataonay lohateniny satria efa nisy ny ANTONTAN-KALO tany Tsididy tamin'ny herintaona... Ao amin'ny tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina no hanatanterahana izany ary manomboka amin'ny 2 ora tolaka andro, izay hanasana ny mpankafy sy mpanaraka ny literatiora rehetra.

Faniry Ezeckiel
Inona avy no ho hita mandritra io fampisehoana ataonareo io?

Nala Tiana
Ireo zavatra hita mandritra ny hetsika: antsan-tononkalo, hira, dihy sy fanentanana maro isan-karazany.

Faniry Ezeckiel
Misy mari-pahatsiarovana hatolotrareo ireo mpijery ve?

Nala Tiana
Eny, na dia tsy hisy aza ny boky dia efa nanomana irony ''depliant'' kely irony izahay, amin'ny vidiny mirary dia mirary izy izay misy ny asasoratray 3 mianadahy.

Faniry Ezeckiel
Inona no mampiavaka ity hetsika ataonareo ity amin'ny hetsika hafa?

Nala Tiana
Tahaka ny hetsika rehetra efa nataonay dia isany manana ny mampiavaka azy ity ANTONTAN-KALO 2 ity, isany amin'izany ny votoatiny aloha, efa natao niavaka noho izay efa naseho vahoaka rehetra hatrizay. Manaraka ny fisian'ireo vahiny manokana hanampy anay eny an-tsehatra, isany amin'izany i Sarobidy izay efa tsy zovina amin'ny maro ny fahaizany mihira, eo koa ireo mpandihy efa za-draharaha ary indrindra ny fanohanana avy amin'ireo orin'asa namana toa an'i J&B izay hizara fanomezana ho an'ny mpijery amin'io.

Faniry Ezeckiel
Misy antony manokana ve ny nofidianana ilay anarana hoe Antontan-kalo?

Nala Tiana
Eny, nisy antony manokana tokoa, anisan'izany ny fanatsinkafonana ireo kantonay rehetra efa tany aloha tany, izay tsy dia mbola naseho firy ny mpankafy dia hoezahinay haverina amin'io fotoana io.

Faniry Ezeckiel
Inona no tanjonareo amin'ity hetsika ity?

Nala Tiana
Ny tanjonay hatrany am-boalohany dia ny mba hamerenana ny olona, indrindra ny tanora amin'ny fankafizana ny literatiora malagasy. Tafiditra  ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy moa isika izao dia izay indrindra no hanamafisanay fa mbola velona ary miaina ny teny malagasy ary hoporofoinay amin'io fotoana io izany.

Faniry Ezeckiel
Ankoatra an'Antsirabe sy Tsiroanomandidy, mbola hikasa handeha faritra hafa ve ianareo ?

Nala Tiana
Ankoatra ireo toerana roa ireo dia efa mieritreritra ny hitety faritra maro izahay ary isan'izany ny eto Antananarivo. Hankinina hatrany amin'ny ao ambony moa izany satria ny "manao mora tsy zavatra".

Faniry Ezeckiel
Hafatra farany avy aminao ary ho an'ireo mpamaky.

Nala Tiana
Ny hafatra angamba dia ny hoe: hiavaka dia hiavaka io hetsika io ary tsy ny maso na ny saina ihany no ho voky amin'io fa ny kibo sy ny  fanahy koa.
 
Faniry Ezeckiel
Mankasitraka anao nivahiny teto amin'ny Poetawebs ary mirary anareo hahatontosa ny seho hataonareo.

Nala Tiana
Mankasitraka indrindra anareo ao amin'ny Poetawebs nitafatafa, mirary soa hatrany dia tongava amin'ny ambony indrindra fa tsy ho very maina ny ezaka ataonareo amin'ny fampandrosoana ny literatiora malagasy.
Misaotra tompoko.

Date de dernière mise à jour : 14/06/2024