IDEALIM-PIAINANA
Hoy Rabary :
"Mifidiana
idealy-fari-pahaizana-ambony ho tratrarina
Ny
tenanao manontolo no ampanaovy ny asanao"
In Sorapiainana 3,Tak 171
Fomba fiheverana mendrika ampitaina amin’ny mpiara-belona ankehitriny
ity hafatry Rabary, ilay Poeta, Mpanoratra, Mpitandrina, Mpampianatra,
Mpanao gazety, Akademisianina ity. Tsikaritra eo amin’ny fiarahamonina
mantsy ny hoe mpitari-bato vilam-bava ka tsy mifanandrify amin’izay
ambara ny tanterahina. Eto amin’ny tosa-kevitra ity anefa dia ny
fiainan’ny mpanoratra manokana no vavolombelon’ny tantara manasongadina
izany. Na izany aza anefa dia manoro ny mpiara-miaina rehetra izy tsy
handraraka ilo mby an-doha fa hiseho ho fitaratra tsy mandainga.
Raha zohina dia manamarina ny ampahan-kevitra arosony ny
fiainan-dRabary izay nilofo hatrany teo amin’ny fianarana. Nanovo
fahalalana tao amin’ny sekoly fanomanana mpampianatra "Normal School"
mantsy izy ary sangany tokoa. Tsy ho mpampianatra velively anefa
no nokendreny tamin’izany fa ny ho dokotera.
Liam-pahalalana hatrany izy ka manaporofo izany ny fianarana sy
fampianaran-tena nataony tamin’ireo taranja samihafa toy ny jeometria,
simia, jeolojia, teolojia, psikolojia, fizika, teny latina sy grika.
Ireny ezaka ireny no nahatonga azy ho mpanabe sy nisahana andraikitra
teo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fitoriana ny filazantsara.
Ankoatra izany dia maro ireo sokajin’olona te hiseho hoe vazaha
tamin’ny fotoan’androny; saingy sahy nijoro sy niseho hatrany amin’ny
maha Malagasy azy Rabary.
Na dia foko samy hafa aza no nipoiran’ity poeta ity satria Sakalava avy
amin-drainy izy, ary Merina avy amin-dreniny dia miharo sy mivelatra
tao aminy ny toetra sy kolontsaina mifameno maneho ny maha Malagasy.
Mampiharihary izany fa nijoro ho Malagasy reharehan’ny Malagasy izy teo
amin’ny tontolony. Izany no naha voaendrikendrika azy tamin’ny
raharahan’ny V.V.S. ka nanibohana an-tranomaizina azy niaraka tamin-dry
Pasitera Ravelojaona sy ry Mompera Manifatra kanefa afaka nadiodio
ihany avy eo.
Teo amin’ny serasera dia teny malagasy hatrany no nitenenan’ny
tompon-tany sy vahiny tany aloha hany ka voatery nianatra teny
malagasy avokoa ny mpiavy teto Madagasikara, ary teny malagasy no
nianaran’ny zana-bahoaka ny fahaizan-drehetra.
Nampahonena fa rehefa lasan’ny vahiny anefa ny fanjakana dia ny teny
vahiny indray no nanjaka ary teny vahiny no nianarana ny zavatra
rehetra. Noheverina ho ambany sy tsy ampy fahaizana izany miteny
malagasy izany. Na izany aza anefa tsy nampihemotra an-dRabary izany fa
vao mainka aza nampitombo ny fandalany ny tenin-drazany. Teo amin’ny
maha mpitory teny sy maha mpanoratra sy poeta azy izy no nanampatra ny
fifehezana ny teny malagasy. Nanehoany ny famolahany ny teny malagasy
avokoa ny tononkalo sy tonon-kira, famoaboasan-kevitra, tantara
foronina sy tantara marina. Nikatsaka ny tantaran-drazany izy indrindra
ny fahasamihafana nisy teo amin’ireo loharano nipoirany. Niseho ho
Malagasy hatrany izy ka tsy nisitrisitrika na menamenatra amin’izany fa
nirehareha hatrany. Rehefa atao ny antontanisa dia asasoratra
isan-karazany amin’ny teny malagasy miisa 239 no vitany teo
anelanelan’ny 1900 sy 1961.
Raha ireo nambara ireo ny foto-kevitra niorenan’ity poeta mijoro ity,
inona kosa ny teny miampita amin’ny taranaka malagasy miaina amin’izao
taon-diavina izao ?
An-daniny dia zava-dehibe ny filofosana amin’ny fianarana. Mbola
miavaka eo amin’ny tontolo ivelarany hatrany ny olona mikatsaka
fahalalana ka ilazan’ny fiarahamonina ankehitriny amin’ny hoe "ampy
solaitra". Ny fiezahana hikaroka sy hitozo amin’ny tanjona
tian-kotratrarina no mampahomby amin’ny hoavy. Ireny sehatra samihafa
halalinina sy irotsahana ireny indray avy eo no manefy ny tsirairay ho
amin’ny tontolo mivelatra kokoa.
An-kilany dia tena fototry ny fampandrosoana ny toe-tsaina ny fijoroana
amin’ny maha Malagasy. Na dia efa mivahavaha aza ny fikajiana ireo
harentsaina dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fameloma-maso
ny hasin’ny teny izay manasongadina ny maha Malagasy. Ny fiainana izany
na ny fampiasana azy tsy misy fangaro amin’ny andavanandro no fototra
hampahomby sy tsy hanimbazimban’ny hafa ny teny malagasy. Araka izany,
ny mpiara-belona tsy an-kanavaka no tokony hanao ezaka goavana hifehy
ny teny izay ambara sy soratana.
Fiainana mendrika hotahafin’ny taranaka mifandimby no nataon’ireo
mpialoha lalana tahaka an-dRabary. Porofon’izany ireo
sokajin-dahatsoratra narindrany ho tantara, tononkalo, sombin-tantara,
lahatsoratra.
Mitodika amin’ny mpikirakira fampitam-baovao ny fanehoan-kevitry Rabary
amin’izao andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety
izao.
Ny fampiasana manontolo ny tena na ny filofosana tsy misy hataka andro
no ahazoana antoka fa hisy ny vokatsoa otazana amin’ny ho avy. Ilaina
ihany koa ny asa sy ezaka avy amin’ny tenan’ny tsirairay fa izany no
mitondra ho amin’ ny fahombiazana.
Date de dernière mise à jour : 02/05/2024