LohatenyNinseho masoandro ny boky Livatra
Poetawebs - 07/05/2024

NISEHO MASOANDRO NY BOKY LIVATRA

Tao anaty hafaliana sy firahalahiana tanteraka no namoahan'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny boky LIVATRA, ny sabotsy 4 Mey 2024 lasa teo tao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy Kolontsaina Akon'Ankaratra. Nandray ny fitenenana voalohany, nitondra ny tenin'ny  ny mpamoaka ny boky ny vaomieran'ny serasera ao amin'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo: Hiaka Mikalo. Raha efa izany, nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fotoana ny lehiben'ny sampandraharahan'ny Kolontsaina ao Vakinankaratra, Andriamatoa RAKOTOSOLOFO Serge, sady niarahaba sy nirary ny soa sahady ho an'ny mpiraifaribolana.

Notohizina tamin'ny vela-kevitra momba ny tantaran'ny Faribolana Sandratra izay manitsaka ny faha-35 taonany sy ny Faribolana Sandratra sampana Betafo izay mankalaza ny faharoa taonany ny fotoana avy eo. I Faniry Ezeckiel izay mpandrindra ny Faribolana Sandratra sampana Betafo no nitondra ny velakevitra .Ankoatra ny tantaram-paribolana dia nosoritsoritana manokana ny mikasika ny boky LIVATRA izay mifandrohy tamin'ny lalana nodiavin'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo.

Nirosoana avy eo ny seho nenti-namoaka ny boky, namaky ny teny fanolorana izay nosoratan-dRanoe i Solomon RAKOTONIRINA. Naseho tsirairay niaraka tamin'ny boky avy eo ireo mpanoratra ao anatiny : Hiaka Mikalo, Ny Avo Elabakaka, Faniry Ezeckiel, Riana, Aloka Miserana, Ny Fiainana, Nofenoina Natiora Nitsimoka, Ny Tsiaro Fanaperana, B'y Hakay , Kintan'ny Natiora.

Noraisina ho mpiraifaribolana ao BETAFO tamin'io tolaka andro io koa ireo mpanoratra efatra mianadahy : Ny Tsiaro, Nofenoina Natiora Nitsimoka, Ny Tsiaro Fanaperana, Ny Kintan'ny Natiora. Notolorana mari-pamantarana izy efatra mianadahy ireo.

Noravahana antsa tononkalo sy hira ny sehatra rehetra. Nanotrona sy nandray anjara ireo fikambanana ara-java-kanto vitsivitsy : Ny Havàtsa Upem Antsirabe, Ny Faribolana Sandratra Antsirabe, ny Slam 110, ny Malama Antsirabe.
Nanentana ny fotoana rehetra i Ny Tsiaro.

Nanakatonana ny fotoana ny lahateny fankasitrahana sy fiaraha-naka sary fahatsiarovana ho an'ny rehetra.

Marihina fa ity LIVATRA ity no boky fahatelo navoakan'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo, izay sampana zandriny indrindra eto Madagasikara, mandia ny faharoa taonany.



Date de dernière mise à jour : 07/05/2024