Faha-15 taonan'ny Poetawebs - Mina Ilarion

Lohateny
Mina Ilarion - 19/05/2024

Faha-15 taonan'ny Poetawebs - Mina Ilarion

Efa ela no henoko foana ilay anarana hoe “Poetawebs”, fa tamin’ny fankalazana ny fahafolo taonany vao haiko tsara ny antom-pisiany sy ny tanjony. Tamin’ny namoahana ny “Sorapiainana” voalohany 2019 tao amin’ny CEMDLAC Analakely tamin’izany.

Hitako hoe ilain’ny mpankafy, mpikaroka sy ny mpianatra ary ny mpanoratra ny “Poetawebs”, amin’ny alalan’ireo sorapiainan’ny mpanoratra, tsy hita raha tsy ao amin’ny tranokalany, ny fandalinana asasoratra, fampitana ny vaovao mahakasika ny literatiora maneran-tany. Raha tahaka ahy manokana dia ao amin’ny “Poetawebs” no maka sy mijery sorapiainan’ireo mpanoratra kalaza fahiny sy mbola tompon’ny vanim-potoana amin’izao. Indray mandeha isan-kerinandro aho raha kely no manokatra ny tranokala hijereko ny fikarohana efa vitany.

Maro ny fahatsiarovana niarahana tamin’ny “Poetawebs” sy ny tomponandraikitra mandrafitra azy, fa ny tena tsy hadinoko dia ny fampiasany ny sary nalaiko teny amin’ny seho isan-karazany ary hapetrany foana ny soniako. Mirehareha anaty erỳ rehefa misy ireny satria sarin’ny olona kely tahaka ahy no ampiasain’ny tranonkala malaza tahaka an’ny “Poetawebs”.

Mirary soa anareo amin’izao faha-15 anareo izao, ho tratry ny 15 taona manaraka indray, hanana herin-tsaina hikaroka ny haisoratra malagasy, hitombo ny tahirim-bokatra, hotazan’ireo tia karokaroka toa anay.

Mina Ilarion


Date de dernière mise à jour : 17/05/2024