Créer un site internet

Bolespara, mpanabe ho olom-banona

Bolespara, mpanabe ho olom-banona
Heriarilala Andriamamonjy - 29/07/2024

Bolespara, mpanabe ho olom-banona

29 jolay 1901 - 29 jolay 2024

123 taona i Bolespara na Rafanoharana raha mbola teo. Andeha hotsaroana vetivety izy !
Tsy misy izay tsy mahalala ny "mahaiza misaotra" isika taranaka ankehitriny. Tononkalo noforonin-dRasoamiaramanana izay fanta-daza amin'ny anarana hoe Rafanoharana na Bolespara.

Fa inona no tena ventin-kevitr'ity tononkalo ity ?

1- Fampianarana ny ankizy hahay misaotra rehefa tolorana zavatra

"Raha misy manome
 Zavatra ho anao
 Kingà miteny hoe :
"Misaotra tompoko ô !""

"Kingà", hoy ny mpanoratra, izany hoe mampirisika avy hatrany izy fa tsy tokony hisalasala mihitsy rehefa haneho izany fisaorana izany. Tokony ho mailaka sy malaky amin'ny fankasitrahana izay notoloran-javatra.

2- Mandinika ny zavaboahary manodidina ny mpanoratra ary misarika ny sain'ny zaza koa izy handinika tahaka azy

Tsikariny fa manana fomba hafa tsy mitovy amin'ny biby rehetra ny akoho, miandrandra ny lanitra rehefa nahita ilay fanalana hetaheta. Nampitahainy tamin'ireo nahazo zava-tsoa ka mankasitraka izay azony izany.

"Ny akoho misotro rano,
 Na be na kely eo,
 Andeha ange tazano,
 Diniho sy jereo."

3- Mampahatsiahy ny ankizy fa ambony fisaina mihoatra lavitra ny akoho ny olona ka tokony hahay mankasitraka

"Izay azo andrandraina,
 Fisaorana no atao !
 Rankizy, mba misaina :
 Ambaka ve hianao ?"

Milaza izany fa tsy tokony haneho tsy fahafaham-po velively izay olona notoloran-javatra. Tsy tokony hitady tombony na fanampiny fa hifaly avy hatrany amin'izay efa nomena ka haneho fisaorana.

Date de dernière mise à jour : 25/07/2024