Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

30 mey 2017

Pôetawebs 2017

BOKY SY ZON'NY MPAMORONA

Mendrika hajain'ny fiaraha-monina ny vidin'ny dinitra.

Nankalazaina tamin'ny 23 avrily teo ny andro maneran-tanin'ny boky sy ny zon'ny mpamorona. Voakasik'izany ny Poety amin'ny maha mpamorona asa kanto sy asan'ny saina azy.

www.lakroa.mg. Miarahaba anao Toetra Ràja. Misaotra anao mizara tsy tapaka etoana ny eritreritrao. Ahoana ny hevitrao momba ny mpamorona tononkalo ?

Toetra Ràja. Miarahaba ny gazety www.lakroa.mg sy ireo mpamaky azy sy mpitsidika ny tranonkala. Asan'ny saina tokoa ny poezia ary anompanan'ny mpamorona hery sy fotoana. Mendrika araka izany raha ho hajain'ny fiaraha-monina ny vidin'izany antsoina hoe dinitra poeta izany.

Dinitra
poeta
no rihitra
irafetan'
ny kolo
manoloana
ny tolom-
pandrosoana.

www.lakroa.mg. Fa manana adidy ho an'ny fiaraha-monina koa ny poety ?

Toetra Ràja. Eny, ny poety koa etsy andaniny dia tokony hanome voninahitra ny mpamaky amin'ny alalan'ny soratra kanto sy voakaly. Ny tena poety dia manana traikefa manokana momba ny fifehezana ny teny ary manaja ny fitsipi-panoratana sy mandrindra izany ho kanto mahate ho tia.

“Ny bitsika atolotro ho anao tiako indrindra,
 rangotiko amin’ny penina, ezahiko hirindra!”


www.lakroa.mg. "Rangotiko" hoy ianao, izany hoe natao hiraikitra tsara amin'ny toerana tiana hametrahana azy?

Toetra Ràja. Hanolatra mihitsy aza. Tamin'ny andro taloha mantsy dia vato no anoratana ireny teny voarindra ireny. Iza indray moa no tsy mahatsapa ny hasarobidin'ny tsangambato?

Misy olon'ny siansa aza taty aoriana mahavatra mikaroka ireny tenin'ny alaovalo ireny. Ianao koa angamba... Inoako !


"Izao dia izao
ary ianao,
tsy hiato
hitady vato
misy soratra
manolatra
."


Ny soratra mantsy dia mitoetra. Amin'ny fotoana anoratana azy dia tsy mbola fantatra izay mety ho fetr'andro iainany. Misy ireo maty am-piterahana. Ao ireo lava andro saingy mety tsy hahafeno ny fepetra mahamendrika holovan'ny taranaka azy noho ny tsirambina zary lala-masaka taratra ao anatiny. Loza ho an'ny literatiora sy ny tontolo no aterany.


www.lakroa.mg. Aiza ho aiza ny toeran'ny Poety ao anatin'ny zon'ny mpamorona?

Toetra Ràja. Raha miresaka zon'ny mpamorona isika dia tonga ao an-tsaina ny fiarovana azy amin'ny hafetsifetsen'ny mpanararaotra.

Misy ny mpamorona mialokaloka any amin'ny OMDA. Misy ireo efa namoaka boky ka nampiasa ny laharana ISBN, ny "copyright" sns. Ao ireo mamoaka amin'ny gazety an-tsoratra, izay manana ny lanjany, tsy amin'ny fampielezana ihany fa amin'ny fitehirizana koa.

Ny somary mampanahy dia ny paradisan'ny tsirambina sy ny halatra mitranga any amin'ireny tambazotra sosialy ireny.


www.lakroa.mg. Misy poety anefa ankehitriny mizara tononkalo maimaimpoana amin'ny tambazotra sosialy. Tsy izy ireo ihany ve no manao tsirambina ny zony?

Toetra Ràja. Tsara fipetraka izay fanontaniana izay. Ifampizarana zavatra maro io toerana io ary zara aza misy azy ahafahana manao izany. Misy ireo mandray azy ireny ho kianja fanazaran-tena. Ao ireo mihevitra fa ao mihitsy no toerana mendrika hamoahana asa soratra. Rehefa dinihina sy eritreretina anefa dia misy lanjany sy antoka kokoa ilay rangotra an-taratasy azo tsapain-tanana toy ny boky aman-gazety.

 

www.lakroa.mg. Ka ampandeferina ary ve ny tambazotra?

Toetra Ràja. Angamba kosa tsy mba toerana natao hiarovana ny zon'ny mpamorona izy ireny. Fampahafantarana sy fanentanana angaha no tsara atao any, isarihana ny mpamaky hianoka ny votoatin'ny boky na gazety. Tsy misy mahadiso ny fametrahana santionany na fanandraman-tsiro ao anatiny anefa.

 

www.lakroa.mg. Ny fahalalahan'ny vavahadin'ny tambazotra sosialy ve mety hisarika any amin'ny baranahiny?

Toetra Ràja. Malalaka ny vavahady fidirana saingy tery ny fivoahana noho ny tsirony mahatamana ny maro ao.

Tsara ihany anefa raha mba izay tena masaka sy vonona no aseho. Io ilay hoe fanajana ny mpamaky.


"Tsy miato
manavao...
rarivato
no atao,
efa vonona
izy izao
ka tononina
ho anao
."

 

www.lakroa.mg. Mandray an'izay asa famoronana toy ny "rarivato" izay ve ny poety ankehitriny?

Toetra Ràja. Ny mpandrarivato dia tsy mampitoetoe-poana ireo vatony amin'ny asa kanto ataony. Ny vato tsirairay, rehefa tombanantsika eny amin'ny rindrina, dia samy manana ny toerany, toy ny efa voadinika, voasaina sy voakajy ary voarefy tsara aza. Toy izany koa ny mpanosodoko sy ny poety.

Sarotra ny mivantambantana manao fanakianana ny asan'ny namana poety. Fa ny tena marina dia izao: toa mihazakazaka loatra ny mpamorona tononkalo sasany ankehitriny hany ka na izy ho potraka na izy hamingana ny mpamaky. Ny asa atao am-pahamaizana sy tsy am-piheverana anio mantsy, raha toa ka manolatra, dia zary ho fandrika hiainan'ny taranaka.

 

www.lakroa.mg. "Aza mihazakazaka loatra ry mpamorona", izay hafatry Toetra Ràja izay no entintsika hanaovam-beloma indray ny tapatapakahitra amin'ity herinandro ity.

Toetra Ràja. Misaotra tompoko. amin'ny heriny indray ô!

www.lakroa.mg

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 08/06/2017

×