Créer un site internet
Sarotra ambara, tononkalon'i Ny Avana nohadihadian'i Faniry_Ezeckiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 marsa 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
sary nindramina Sarotra ambara

Mpanoratra :
Ny Avana Ramanantoanina
Loharano : Six Poètes Malgaches d'expression malgache, F.-X. Mahah (2009)
Nanadihady : Faniry Ezeckiel


Ny Avana Ramanantoanina
Faniry Ezeckiel

Ny olombelona dia nomena andraikitra manokana manandrify azy ary mety hiovaova manaraka ny fikorisan'ny fotoana izany. Izany toe-javatra izany no nantsoin'ny Malagasy hoe tendry ary ninoany sy nankatoaviny tokoa. Manoritsoritra ny toetran'ny tendry eto ity sanganasan'i Ny Avana Ramanantoanina mitondra ny lohateny hoe : "Sarotra ambara" ity.
Rehefa voaboasana ny tononkalo dia misongadina ao fa manan-kery amin'ny olombelona rehetra ny tendry ary fantatra koa fa tsy azo lavina na andosirana izy.


***

Manan-kery amin'ny olona tsy ankanavaka ny tendry
Efa lisaka am-bavan'ny Malagasy ny hoe "tsy misy mahalala izay havoakan'ny ampitso". Ary nitondra fanantenana tsy ho resin'ny sarotra ho azy izany. Ary izany tokoa satria samy manana ny anjara masoandrony ny tsirairay. Raha halalinina kokoa dia hoe na iza na iza dia efa nitsiky rehefa tojo ny mahafinaritra eo amin'ny fiainana. Rehefa mahazo izay irina, tafapetraka amin'ny avo, dia solanga tokoa ary faly sy ravo. Hita taratra eny amin'ny fiarahamonina izany ary matetika dia amin'ny fomba tsy ampoizina no hitrangan'izany hafaliana tampoka izany.


SAROTRA AMBARA

Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry
isika olombelona anisan'izany
ny Tompo Mpitondra mahay sady hendry
asainy mitsiky ary mitomany.

Imbetika isika dia faly dia faly
omen-kasambarana soa sy mirindra,
mbetika kosa, indrisy! Mijaly,
toa latsaka lalina, lalina indrindra.

Misento ny saina : injao manontany;
mba inona indrindra no anton'ireny?
moa ve fitiavany sa fitsapana
'Ty nofo malemy ka sorisoreny.

Mangina, mangina, mangina ry foko
ny tendrin'ny avo ka zavatra tsara
anio ravoravo, ampitso toloko
ny anton'izany ka sarotra ambara.

Ny Avana Ramanantoanina


Arantin'ny pôeta eto izany hoe : "Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry... asainy mitsiky...". Eo koa ny hoe:
 
"Imbetika isika faly dia faly
 Omen-kasambarana soa sy mirindra..."
 
Tanisain'ireo andinin-tsoratra anaty tononkalo ireo ny hafaliana lalovantsika ary manaporofo izany fa ny tendry no antom-pisian'ireo fahasoavana mandalo eo amintsika.

Tsy ny soa ihany anefa no raisina amin'ny tendry fa ny ratsy koa. Rehefa ho avy ny loza, "Ny patsa iray tsy omby vava". "Ny ranon'apango aza misy voay" hoy ireo Ntaolo razantsika. Amin'ny fotoana tsy ampoizina no hitrangan'ny fahoriana eo amin'ny olombelona. "Tsy mampiomana tokoa ny loza" hoy  ny ambetin-tenin'ireo niharam-boina. Tsy misy iomanana ny fahatongavan'ireo ora maloka mitondra fijaliana ho an'ny tsirairay. Tsy maintsy sedraina amin'ny fotoana ihaviany izany. Tanisain'i Ny Avana Ramanantoanina amin'ny tononkalony eto ireo hirifiry mitranga tampoka mampisento izay tandrifiny:

"Mbetika kosa indrisy mijaly
 toa latsaka lalina, lalina indrindra."
 
Ny ankaratsiana koa araka izany dia tendry tsy maintsy lalovana.

Hita eto ary fa na zovy na zovy dia mizotra manaraka ny tondro voalamin'ny tendry ka samy mandray ny tandrify azy fa isika olombelona no voasingana hanakatra izany:
 
"Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry
 isika olombelona anisan'izany
 ny tompo mpitondra mahay sady hendry
 asainy mitsiky ary mitomany"
 
Hoy ny fanombohan'ny pôeta ny aingam-panahiny ary tohiziny ao amin'ny andininy faharoa fa mifandimbindimby ao anatin'izany tondro iainana izany ny soa sy ny ratsy:
 
"Imbetika isika dia faly dia faly
 omen-kasambarana soa sy mirindra
 mbetika kosa, indrisy! Mijaly
 toa latsaka lalina, lalina indrindra"
 
Hoy ny mpanoratra manazava izany sady manamafy ny hevitra avoitrany ny famerenany indroa ny teny hoe "lalina" eto no mampiseho fa tsy takatry ny saina izay voatendry.
 
Mety halaim-panahy hanohitra izay voatendry ny olombelona matetika indrindra rehefa tojo ankaratsiana,. Koa andeha hohadihadiana indray fa tsy azo lavina na andosirana izy io.

*

Tsy azo lavina, tsy azo andosirana, ny tendry
Na dia ta hanohitra mafy ny zava-misy aza isika indraindray dia tsy afa-manoatra manoloana ny tendry. Na inona midona na inona lalovana dia tsy maintsy atrehina izany. Tsy afaka hivily lalana hiery ny lalan-tsarotra isika na dia mamaky loha sy tsy takatry ny eritreritra aza izay lalovana matetika ka mahareraka antsika. Mahavariana sy mahavalalanina loatra ny sarim-panontaniana apetraky ny mpanoratra momba izany eto ka misarika ny saina handalina toa azy:
 
"Misento ny saina: injao manontany
 mba inona indrindra no anton'izany?
 moa ve fitiavany sa fitsapana
 'ty nofo malemy ka sorisoreny."

Araka izany dia tsy maintsy ekena ny tendry. Manaraka izany dia azo ambara ho didy ny tendry ka tsy azo ivalozana. Na inona ezaka ataon'ny tsirairay, na inona tanjona kendreny dia ny tendry no mandavorary azy. Nahoana ary? Inoan'ny malagasy fa avy amiin'ilay mpahary ny loharanon'ny tendry. "Fikasana ny an'olombelona fa ny didy an'Andriamanitra" hoy ny fahendren'ireo razana izay nandala tokoa ny finoana. Amin'izy ireo dia lehibe loatra Andriamanitra ary mahay manendry araka ny tokony ho izy. "Ny tendrin'ny avo ka zavatra tsara" hoy ny poeta eto, izay mankasitraka ny fitondran'ilay nahary. Na ahoana na ahoana hevitra novolaintsika olombelona rehefa tsy voatendry dia zava-poana. Hoy ny mpanoratra mampionon-tena sy manaiky ny tendry eo am-pamaranana ny sorakantony:
 
"Mangina, mangina, mangina ry foko
 ny tendrin'ny avo ka zavatra tsara
 anio ravoravo, ampitso toloko
 ny anton'izany ka sarotra ambara."
 
Averiny intelo mihitsy ny hoe "mangina" enti-manamafy fa tsy azo ihodivirana ny tendry ary ambony lavitra mihoatra noho ny olombelona ny fahendren'ilay mpanendry ka tsy hay toherina. Araka izany dia tsy azo lavina ny tendry izay natolotr'ilay mpahary.

***

Raha fintinina dia mialoha lalana ny fiainan'ny tsirairay ny tendry ary tsy azo dinganina fa tsy maintsy arahina araka izay fotoana isehoan'izay mitranga rehetra. Hain'ity mpanakanto andrarezin'ny literatiora malagasy ity ny manaingo amin'ny voambolana voafantina tsotra nefa mahafehy ny tian'ny aingam-panahiny holazaina. Amin'izao vaninandro tena sarotra diavin'ny olombelona izao ka mahamaro ireo mamoy fo sy tsy manisy lanjany ny maha izy azy intsony ary mampirongatra ny famonoan-tena mihitsy aza dia soratra natao hitaiza sy hanoro lalana tokoa ity sanganasan'i Ny Avana Ramanantoanina ity noho izy misarika ny maro hahay hiatrika ny zava-misy ka hahaizan'ny isam-baravarana mahay mankamamy indray ny fiainana.


Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

© poetawebs

Date de dernière mise à jour : 28/03/2020