Famakafakana ny tononkalo Zo Nantenaina "Manam-bola ve ianao?"

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

18 Oktobra 2011
 

 

MANAM-BOLA VE IANAO?


Tononkalon'i Zo Nantenaina, nofakafakain'i Toetra RAJA


Zo NANTENAINA

Zo Nantenaina
1









2



3
dokotera ô, dokotera ô,
mba vonjeo, mba vonjeo
f'efa hatry ny aninkeheo
ilay zanako ao izao no marary
ka mijaly dia mijaly
fa mafana be ny hodiny
tsy mahatsiaro tena intsony
miadan-tepo koa ny fony
k'inona no fanafodiny?

namaly ilay mpitsabo dia niteny toy izao:
"manam-bola ve ianao?"
niala maina ramatoa fa tsy nanan-ko aloa

telo andro tato aoriana
  4









5
Andriamatoa mpisolo vava ô,
maty ilay mba lahitokako,
ny fahantrako ve no otako?
marary re ny foko, mitolefika toa babo
ka ampio aho mba hitolona sy hitory ilay mpitsabo
fa tsy nojereny akory, nataony toy ny tsisy vidiny
ilay sombinaiko ambavahaona
nataony ho tsy ahoan-tsy ahoana
ka nodimandry...e, tsy fidiny.

namaly ilay mpisolo vava, ary efa fantatrao
"Manam-bola ve ianao?"
gina ramatoa, ankona dia lasa niala
fotoana vitsy monja taorian'izay, nanjary lasa adala.
  6 eny mahavaky fo indrisy
fa n'inona ho zava-misy
na ho olona ho faty
ny valin-teny re? poakaty
n'inona n'inona atao
misy foana manontany
"Manam-bola ve ianao?"


FAMAKAFAKANA

Toetra RAJANa aiza na aiza eto ambonin'ny tany, ankoatra ny faritra faran'izay mitoka-monina indrindra, dia tsy misy izay tsy anjakan'ny vola. Na firenena mahantra na mandroso, na fiaraha-monina reraka na mivoatra dia voakasika avokoa. Hoy indrindra mantsy ny Ntaolo: "ny vola no hozatry ny fiainana", na koa angaha hoe "ny vola no maha rangahy". Ary raha miteny izy hoe "ny ory tsy havan'ny manana" dia mazava ho azy fa ara-bola hatrany no ametrahany ny resaka. Ny Baiboly koa dia mampahatsiahy fa any amin'izay misy ny vola no itoeran'ny fon'ny olona. Miharihary araka izany fa lalina tokoa ny hantsana manelanelana ny ory sy ny manana. Tsy hary ho tanisaina ny ohabolana sy oha-pitenenana mahakasika ny lanjan'ny vola eo amin'ny fiaraha-monina.

"Manam-bola ve ianao", hoy i Zo Nantenaina eto amin'ny tononkalo hofakafakaintsika, izay tsy iresahana afa-tsy ny fanilikilihan'ny fiaraha-monina ireo tsy havana, dia ireo ory izany. Azo zaraina telo ny tononkalo:

— ny fidodododon'ny renim-pianakaviana iray mangata-bonjy amin'ny Dokotera hamelomana ny zanany
— ny "fitonantonany" manoloana Mpisolo vava angatahany hanampy azy hitory ilay Dokotera tsy namonjy
— fehin-kevitra voizin'i Zo Nantenaina momba ny "ampihimamban"'ny vola eo amin'ny lafim-piainana rehetra.

Tsy hifanojo amin'ireo fizarana telo ireo akory ny famakafakana etoana fa handeha angaha holalovantsika aloha ny rafitry ny tononkalo. Rehefa izany dia hasongadina ny maha tononkalon'ny fihetseham-po an'ity asa soratra ity. Farany, handramana ho fakafakaina tsy amim-piangarana ny endriky ny rariny sy ny hitsiny mampifanolana ny lafiny roa.

I/. Rafitry ny tononkalo

Migadona sy mirima ny tononkalo eny fa na dia tsy nataon'ny mpanoratra laharam-pahamehana aza izany. Ahitana tsindrim-peo efatra isaky ny andalana ny tononkalo amin'ny ankapobeny: mba vonjeo, mba vonjeo/ Tsy mahatsiaro tena intsony...

Ny amin'ny rima indray dia nisafidy ny halalaka ihany koa ny mpanoratra indraindray. Ny andalana iantsoana ny anaran'ny Dokotera sy Mpisolo vava, ohatra, dia maningana tsy misy vadiny.

- Andininy voalohany izay namerenana tanteraka ireo fehezantenin'ny renim-pianakaviana
AABB (vonjeo/aninkeheo/marary/mijaly). Marihana fa rima "malemy" ny "marary/mijaly".
Miova indray izany rehefa avy eo. CDDC (hodiny/intsony/fony/fanafodiny).

- Andininy faharoa izay itantaran'ny mpanoratra ny valintenin'ny mpitsabo
Fitantarana no atao eto ka izany indrindra angamba no nanehoana azy hanana endrika lahatsoratra. Na izany aza dia hita taratra ihany ny rima (ramatoa/aloa), izay anatin'ny andalana iray.
- Ny andininy fahatelo izay tsy ahitana afa tsy andalana tokana dia fitantarana ihany koa. Raha antsaina eny an-tsehatra ny tononkalo dia eto no ipetrahan'ny fisentoana sy fihatoana kely. Ny andininy fahefatra dia mitovy firafitra amin'ny voalohany ihany, ary ny fahadimy mitovy amin'ny faharoa. Ny andininy fahenina dia manaraka rafitra AABB afa tsy ny tapany farany izay ahitana an-dalana maningana. Ny fanontaniana sady famaranana amerenana sy anamafisana ny lohateny toa izao dia fahita tsindraindray amin'ny poezia.

Ny endrika mandringa eo amin'ny rafitra dia tsy mampihen-danja velively ny hakanton'ny tononkalo, satria ny fihetseham-po no tiana hibaribary mihoatra ny rafitra.


II/. Fihetseham-po mihoa-pampana

Antso maika sy mafy mangata-bonjy no anairana ny mpamaky eny amboalohany dia ny "dokotera ô" sy ny "mba vonjeo" izay namafisina indroa mihitsy mba ho ren'ny iantefany. Azo eritreretina mihitsy aza ny kapokapoka nanjo ny varavaran'ny mpitsabo, izay mety ho mbola tao anatin'ny torimasony. Toy izany koa ny an'ilay mpisolo vava saingy fahadodonana nohon'ny heverin'ilay renim-pianakaviana ho tsy rariny no antony.

Mbola mitohy ihany ny teny naverin-droa anehoana ny halalin'ny fanaviana: "ka mijaly dia mijaly". Tsy vitan'izany fa avoitrany tsara ny fivoaran'ny aretina mankany amin'ny fahafatesana: hoditra mafana, tsy fahatsiarovan-tena, fihenan'ny fitepon'ny fo. Raha mbola olona manana fo mitepo ihany no mandre izany talaho sy trangam-pijaliana izany dia hangoraka avy hatrany ka hitady vahaolana. Indrisy anefa fa fanontaniana no nasetrin-dRadoko izany ho valiny: "Manam-bola ve ianao?"

Mbola mampihetsi-po toy izany koa ny fitantaran'ny poeta ny nanjo azy teo anoloan'ny Mpisolo vava. Ny tsy rariny no tena ventim-pitarainany. "Ny fahantrako ve no otako?". Tsy zakan'ilay renim-pianakaviana mihitsy ny "afo be" zakainy nohon'ny tsy fananany ny ampy. Ny mpanota mantsy no mankany amin'ny afo be. Fitsarana eto an-tany ihany no mitranga eto. Heveriny araka izany fa ny mpisolo vava dia ho afaka hiaro azy amin'ny heveriny ho tsindrihazolena. Indrisy anefa fa toy ny olon-drehetra miasa sy mamelom-bady aman-janaka, dia mila tambiny ny mpitsabo.

III/. Asa fitadiavam-bola sa asa soa?

Ny dokotera sy Mpisolo vava dia samy miasa ho an'ny tenany. Samy nahavita fianarana ambony mba hahazoany mivelona sy manana toerana tsara eo amin'ny fiaraha-monina. Fantatra fa ny dokotera dia manao fianianana any amin'ny famaranany ny fianarany ka idirany amin'ny asany. Ao anatin'izany no ahitana ny tsy fanavahana marary na iza na iza.

Misy fetrany ihany anefa ny fianianan'ny dokotera. Fa amin'ny maha olombelona dia tsy ho afaka miasa maimaim-poana isan'andro izy ireny. Ny mpivarotra ohatra dia tsy afaka hizara maimaim-poana ny entam-barotra ho an'ny mpangataka. Ny tsy ampy eto amintsika dia ny toby fitsaboana miankina amin'ny fanjakana izay tokony ho maimaim-poana. Indrisy mantsy fa na dia any amin'ireny toerana ireny aza dia voahilika ihany koa ny tsy manana. Any amin'ny tany mandroso sasany anefa dia misy ny fitsinjovana ny mahantra, tsy amin'ny fitsaboana ihany fa na dia ny fiarovana eny amin'ny fitsarana koa aza indraindray. Iza indray moa no tsy mahalala ny fidangan'ny saran'ny fitsaboana, ny fiarovana sy ny zavatra maro jifain'ny mponina?

Etsy andanin'izany anefa dia "vonjy aina" no nandrasan'ilay renim-pianakaviana an'ingahy Mpitsabo. Amin'ny ankapobeny, rehefa vita ny fitiliana ny aretina vao milaza ny saran'ny fitsaboana ny dokotera. Eto kosa anefa dia ny vola no nandeha aloha: "Manam-bola ve ianao?". Azo eritreretina araka izany fa mety ho miharihary amin'ny endrika ivelan'ilay renim-pianakaviany ny tsy fananany vola: akanjo voron-kitsay, volo komavoka sy misafoto, tarehim-piso sns. Fangorahana sy indra-fo no noheveriny ho azony hisakanana ny fahafatesan-janany.

Eto am-pamaranana dia tiana ho fantatra ny hoe: voakotaba matetika ve ilay Mpitsabo angataham-bonjy eto? Raha tsy maningana fa miverimberina mantsy ny toe-javatra toy izao dia ho sarotra ihany ny hanome tsiny ny Mpitsabo tsy maneho fangorahana, indrindra anie ka vita fianianana izy ireny. Ny mampalahelo dia ny tsy fananan'ilay Mpitsabo torohevitra ho an'ny tsy manana, mba entina nialana tamin'ny fandroahana. Etsy andanin'izany dia tsy misy tokony hanomezan-tsiny ilay renim-pianakaviana akory nangata-bonjy sy hitory ilay Mpitsabo satria "fisaka ny marina ka saro-tadiavina".

Toetra RAJA
 
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021