Rahoviana - Harioley

Fanadihadiana tononkalo - 03/12/2023

Rahoviana - Harioley
Felana Radoniaina - 03/12/2023

RANOE, AKADEMISIANINA MPIARA-MIOMBONANTOKA

Rahoviana

“(…)
Rahoviana no hifaly
Izany olon-tia sy tiana
O! ry vinta-mampijaly
Rahoviana, rahoviana?
Rahoviana no fotoana
Hahitana ilay malala?
Rahoviana no hihaona
Iza re no mahalala? (…)"

Vondrona Ambara, "RAHOVIANA?", tak. 4, and 3

_________________


Ampahany amin'ny tononkalon'i Harioley izay nampitondrainy ny lohateny hoe "Rahoviana", nalaina tao amin'ny Vondrona Ambara, "RAHOVIANA?", tak. 4, and 3, no hohalalinintsika hahatsiarovana azy amin'ity anio ity. Ho hitantsika ny fihetseham-po maniry ho akaiky an'ilay olon-tiana sy ny fahadodonana hihaona indray.

 *
* *

RAHOVIANA

Rahoviana. Izany no nofidin'i Harioley ho lohatenin'ny tononkalo izay nosoratany. Fanontaniana manitikitika izany ary mitaky famaritana fotoana ny valiny. Nahoana ilay mpanoratra no mitaky izany? Hitantsika eo amin'ny andalana fahatelo fa miantefa amin'ilay "vinta-mampijaly" ilay fanontaniana. Nosarahin'ny elanelan-tany noho ny antony tsy azo ihoarana ireo mpifankatia izay te hihaona indray hamerina ny fifaliana tsapa rehefa samy eo.

DODONA

Ny famerenana indroa ilay fanontaniana hoe rahoviana eo amin'ny andalana fahefatra dia mampiseho fahadodonana, fahamaikana mihitsy ny hifankahita indray. Akaikin'ny fo mantsy ilay olon-tiana, izay antsoiny hoe malala amin'ny andalana manaraka. Tsy nahita valiny anefa izy ka dia namarana ny andininy hoe "Iza re no mahalala?". Ankamantatra ho azy ny valin'ny fanontaniana ary mitaky faharetana ny fiandrasana ilay tiana.

 *
* *


Fihetseham-po ara-dalàna ny faniriana ho eo anilan'ny olon-tiana. Tsapan'izay rehetra manana olon-tiana izany. Enga anie ka haharitra ho toy ny lamban'akoho avokoa ny fifankatiavan'olon-droa.



Date de dernière mise à jour : 06/12/2023

×