Créer un site internet

Korisam-penin'ny pôeta

01/01/2023

Poetawebs

Mahatsapa ny tranonkala Pôetawebs fa loharanon-kevitra tsy mety ritra ary miavaka amin'izany ny pôeta. Tokony hahitana azy avokoa ny seha-piarahamonina izay hanjakan'ny fihetseham-po satria izy no mpikolo, mpananatra, mpampihavana, mpandrindra, mpampitony, mpampiombona, mpamporisika, mpampijoro... Manolotra teny vitsivitsy mifanaraka amin'izany ny eto amin'ny tranonkala, ho firarian-tsoa amin'izao nahazoana taona vaovao 2023 izao.

Fantatra amin'ny endrika kanto aloha ny soratra pôeta, tonga ary nosaintsainina fatratra araka ny fahitan'Ny Hasina Razafindrabe azy hoe: "Ho pôeta mikolo ny kanto hatrany". Mitsemboka matetika mantsy ny pôeta vao mahita ilay teny mahalaza ny kalo sy sary nokatsahiny. Rehefa foy ka vaky akora ireo teny mirindra an-kalo sy an-tsary ireo dia tonga pôezia mamelombelona sy mitaiza ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona izay sady mitahiry hevitra, sary, fahendrena isan-karazany. Koa andraikitsika Pôeta ny mikolokolo azy ireny ho fitaizana sy ho fahafinaretan'ny mpankafy ho tia ny kanto hatrany. Manamafy izay famelomana sy fitaizana ataon'ny pôeta izay ny fanirian'i Faniry Ezeckiel raha manasongadina ny fahefana ananan'ny pôeta miainga avy amin'ny hasina izay mitoetra ao anatiny: "Ho pôeta ampoky ny hasim-panahy". Manana hasina ambony mihoatra amin'ny manana aina rehetra mantsy ny pôeta noho ilay fanahy tsy takatry ny maro manosika azy hanoratra zavakanto sy lalina. Mba tena ho velona ao anatiny izay fiamboniana izay ka ho tsapan'ny mpiara-belona fa miavaka sy feno hatsarana ny pôeta.

Mitodika mivantana amin'ireo pôeta namany kosa i Doda Razafindravelo manao hoe: "Meteza ho fanoitra hampahomby ny mpiara-belona". Mpananatra eto ny pôeta manoloana ny fahazaran'ireo mpaneji-dresy amin’ny tambazotra. Ny pôeta mantsy dia tokony ho ilay mpisintona hiakatra na amin’ny teny na amin’ny asasoratra. Tsy izay indrindra àry ve no tena literatiora tian'i Solotiana Nirhy-Lanto hambara amin'ny hoe: "Hifandovan-doria... doria anie, ny literatiorantsika!" Tsy ny anio ihany fa ny hoan'ny doria no atsangan'ny pôeta ankehitriny satria antsika, eny fa na dia amin'ny fotoana tsy maha eto antsika intsony aza. Eny, nohamafisin'i Heriarilala Andriamamonjy amin'ny hoe "Sahia miasa ho an'ny taranaka!" izany fifandovana izany. "Sahia" hoy izy satria maro ireo pôeta no miandry fahalalana fanaperana na fahaizana tapitra ohatra vao hihetsika manoratra. Aoka tsy hatahotra ny tsikeran'ny hafa. Tsy voninahitry ny tena no katsahina amin'ny asa atao fa ny soa hivela ho an'ireo mpiray tanindrazana sy ho an'ireo dimby izay mbola tsy teraka akory. Mila fanorenana anefa ny fikatsahana izany soa ho an'ny fiarahamonina izany araka ny hafatr'i Felana Radoniaina hoe: "Andeha hifankatia hanorenana ny hoavy". Karazany 4 ny fitiavana tiana havohitra eto: fitiavana eo amin'ny olon-droa, fitiavana mampiraiki-po ny mpianakavy, fitiavana eo amin'ny mpinamana ary farany ilay fitiavana tsy mitady tombony. Ity farany no andao hampanjakaina. Ho modely isika pôeta amin'ny fananam-pitiavana ny hafa, fitiavana tia mizara, manome fa tsy mitady tambiny na setriny ny fanaovana izany. Ahoana tokoa moa no fomba hanatsarana sy hanavaozana toe-tsaina ho amin'ny mendrika kokoa? Mety ho valin'izany ny an'Ny Malodohasaha hoe: "Ho Malagasy miova toe-tsaina". Izay no faniriany ho an'ny taona vaovao 2023. Raha miova tokoa ve ny toe-tsaina tsy hilamina ny zavatra rehetra? "Sahia mijoro ho an'ny tanindrazana!" hoy i Toetra Ràja manohy. "Sahia", efa voalaza tetsy ambony izany fa niverina satria tsy ampy an'izany ny fiaina-mandalo kanefa nahazatra ireo pôeta zokintsika nahasahy nisotro ny aleoko maty toa an-dry Jasmina Ratsimiseta sy Ny Avana natao sesitany tany Mayotte noho ny raharaha V.V.S..

Manohy izany kosa i Tsikimilamina Rakotomavo amin'ny hoe: "Andeha hisehotra amin'ny fatratra!". Efa zary eo imason'ny fiarahamonina ankehitriny ny tranga mahonena diso fampana. Mandemy ny fomba fisainana hanjary kanosa sy hiforitra anaty anefa ireny. Izany indrindra no andrisihana ny mpiara-belona mba hanana fahasahiana hihataka amin'ny fahazaran-dratsy ka hanova fitana, indrindra hisehotra na ho liana amin'ny fanao mahasoa izay mitondra ho amin'ny fahombiazana. Fijery miabo mikatsaka ny fatratra izay mitari-dalana mankany amin'ny fivoarana no tanjon'izany. Eny fivoarana mankany amin'ny tena fandresena araka ny hetahetan'i Léa Fandresena hoe "Mpandresy ianao amin'izay rehetra atao". Faniriany ny hananan'ny olona tanjona eo amin'ny fiainana ka na inona na inona sakana na sedra na olana manoloana ny fanatanterahana izany dia miroso ary hahavita ka ho taona hitondra fandresena ho antsika ity taona 2023 ity.

Poetawebs

Date de dernière mise à jour : 14/10/2023

×