Créer un site internet

poeta_malagasy

ikopa


MAHEFA
08 Febroary 2010

MAHEFA dia anisan'ireo poeta tanora kanefa azo lazaina fa nanonga malaky satria tsy nitsahatra ny nahazo laka teo anivon'ny hetahetan'ny mpanjifa haikanto hatramin'ny fiandohan'ny taona 2000. Nisalotra lokam-pifaninanana maro izy, na ireo niarahany tamin'ireo Mpiray Faribolana aminy izany, na ireo namindràny samirery. Efa namoaka boky maro rahateo moa izy. Mampiavaka ny diam-peniny ary koa ny lohatenin'ny boky sy sehatra novolavolainy ny fampiasany sarin-teny. Ato anatin'ity TAPATAPAK'AHITRA ity no hamelabelarany an'ireo fahombiazana niainany.

 

  • Miarahaba anao MAHEFA mitsidika anay eto ary manaiky mizara ny mamy ho an'ny mpisera. Voalohany indrindra, inona no anton'ny nisafidiananao an'izany anarana diam-penina izany ?

Ny MAHEFA dia ampahany ihany amin’ny maha RAZAFIMAHEFA HAJA Nalson. Izany hoe singa fototra mameno ny maha olombelona ahy ny aingam-panahy ka izany no antony nanombinako ny anarako ary nomeko hoentin’ireo soratra mitoetra rehetra izay atreha-MAHEFA, iamboho-mahavita. MAHEFA dia ilay zoro telon’ny fitoviana ka sahala avokoa ny isan’ny zana-tsoratra sy ny reniny.


Azonao lazaina fohy aminay ve ireo lalana nizoranao teo amin'ny tontolon'ny poezia sy ny haisoratra ?

Tena fohy tokoa ny lalana efa nizorako.

1999 : nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tononkalo nokarakarain’ny FIMPAMAMA

2000 : namoaka ny boky VAZIZOTRA niaraka tamin’i MEVA ary noantsaina mivantana tao amin’ny CGM ny 24 mey 2000, rehefa izany dia nentinay roalahy nitety faritra maromaro ka anisan’ireny ANTSIRABE syARIVOMAMO.

2002 : teraka tamin’ny fomba ofisialy ny boky HOROVITSIKA amboaran-tononkalo niarahanay sy i Meva ihany.

2002 : MAHEFA SY NY ASASORANY. Fanolorana mpanoratra nataon’ny Galerie 6 (CEMDELAC) sy ny Faribolana Sandratra ho fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy.

2003 : MALALA ADALAKO, seho an-tsehatra tao amin’ny CGM niantsana ireo tononkalo ampahany vitsy tao amin’ny Horovitsika ary niangaranay indray ANTSIRABE avy eo.

Maro ireo boky niarahana namoaka tamin’ireo namana tao amin’ny Sandratra, singanina etoana ny MANAFO SAFO, ZAITRA AN-TSENA…

2006 : nahazo ny loka fahatelo tamin’ilay fifaninanana sombin-tantara nokarakarain’ny HAVATSA niaraka tamin’ny fianankaviana NIRHY LANTO. SISAM-BOALAVO no lohatenin’ilay soratra niambozonana ny loka fahatelo.

2007 : MIVOHA DIA MIHIDY – CGM. Niarahanay sy Ranôe nanatontosa ary ity no boky lany tamingana amin’izao fotoana izao. Hoeritreretina ny fanontana azy fanindroany indray raha sitrapon’ny kanto.

2009 : tanteraka ny fanamby ho amin’ny fametrahana vatolahy ho an’ny soratra. Tontosa soa aman-tsara ny boky VAKY SINY ary natolotra ny mpanao GAZETY teny amin’ny Tranovola teny Ambatoroka.

 

  • Hiresaka kely momba ny boky "Zaitra an-tsena" indray isika izay niarahanao niangaly tamin'ny namanao Nofy, Liantsoa, Avelo Nidor ary Rija Al-Jonah. Inona no foto-kevitra ijoroan'io boky io ?

Vazo sahalahala no niarahanay natambatra tao anaty amboara iray. Malalaka tahaka ny tsena tokoa ny lohahevitra novoizinay tao ary navela ho nanana ny haim-pamoronany ny mpanjifa saingy na izany aza noezahinay naseho ny tontolo misy eny an-tsena, indrindra ireo mpanao ny zaitra an-tsena. Tononkalom-pitiavana sy tranga mateti-piseho no navoitra. Noezahina naseho koa fa tsy azo atao toy ny zaitra an-tsena ny aingam-panahy fa tsy maintsy masaka hatrany am-potony. Tsy vonjy tavan’andro.

  • Tsy moramora ny mamoaka boky eto Madagasikara raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny sarany isika. Azonao tsindrina ve raha tsy mahadiso ireo dingana samihafa nolalovana mialohan'ny nahavitan'ny asa ?

Mila mifantina ny kanto ho atolotra ny mpanjifa aloha. Tsy sanatria varotra no atao fa fikatsahana ilay tsara ho an’ny mpanjifa. Ny dingana tsy azo ihodivirana koa ny fisalasalan’ny mpanonta boky satria ianao dia olona tsy fantatra eo amin’ny sehatry ny soratra hany ka voatery mizaka manontolo ny sarany. Etsy andaniny koa ny tsipelina isan-karazany, tsy maintsy trandrahana ny tena fomba fanoratra marina satria na ireo heverinao fa havanana amin’ny haifanoratra aza samy manana ny filazany. Avy eo vao mandalo amin’ny andrana boky aloha ary manitsy ny tsy metimety rehetra.

  • Mahaliana anay koa ny momba ny boky "TAM-BAVY" novokarinao niaraka tamin’i Meva sy Rija Al-Jonah. Azonao fintinina ve ny votoatiny ?


Seho niarahana niasa tamin’ny Fiangonana iny ka mazava ho azy ny votoatiny. Na izany aza anefa tsy nihafihafy nampiseho ny mahaizy azy tsirairay izahay telo lahy. Naseho ihany koa ny trangam-piainana akaiky tsy hitan’ny maso. Deraina ny Tompo e !

  • Ny Alarobia 26 martsa 2003 dia nisy antsantonokalo nanolorana ny sanganasanao sy MEVA. Tamin'izany indrindra no niantsana ny "VALOPY MISY OROKA". Tena niainanao ve io tononkalo io ?

Ho tantaraiko ity tantara ity dia samia maminany raha niainana na tsia io ainga io. Rehefa nifanena tamin’ilay malalako aho taty aoriana dia ankona raha nanontaniana hoe : « voarainao ve ilay taratasy nampanirahiko ilay mpanampinay. Tsy fantatro na hainy na tsia ny mividy « TIMBRE » fa dia nirahiko fotsiny izy »

  • Amin'ny fotoana ahoana no tena mampirongatra ny aingam-panahinao ?

 Tsy voafaritra. Indraindray mahasoratra maro ao anatin’ny andro iray, mazana tsy mahasoratra mihitsy ao anatin’ny iray volana.

  • Toy ny mahazatra eto amin’ny takelaky ny TAPATAPAK’AHITRA dia mamela mamy eto ny vahiny amin’ny alalan’ny fehezan-tononkalo. FAHAIZAM-BONINKAZO kosa no atolotry Mahefa ho antsika. Manasa anao mpisera izahay hamadika ny takila hahafahana mankafy an’izany tononkalo izany. Mamerina fisaorana anao izahay eto amin'ny tranonkalan’ny POETA MALAGASY fa nahaliana tokoa ny dinidinika. Mahavità be tompoko eo amin'ny haisoratra.

 Amin’ny manaraka indray e !

Date de dernière mise à jour : 25/04/2016