Créer un site internet

Ranontany

?« RANONTANY », HETSIKA MATOTRA SY MAOTINA

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
24 avrily 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra"RANONTANY", HETSIKA MATOTRA SY MAOTINA

"Indraindray koa vehivavy Rado Ramaherison", izany lohahevitra izany no niompanan’ny fankalazana ny 25 taona nanoratan’i Rado Ramaherison tao amin’ny CGM Analakely ny Sabotsy 20 Avrily lasa teo.
Vehivavy no foto-dresaka nandritra ny seho Ranontany. Noho izany indrindra no nahatonga ny fiseharan’ireo Vehivavy samihafa toa an’i Tolotra Arinandriana, Ny Irina, Raozy, Elinivo, Narindra Rafalimanana, Tiavina, Haingohaja. Ny fanolorana ny boky izay nataon’i Dr Tsiky Rakotomavo no nisantatra izany.

Tononkalo 25 maneho ireo toetra amam-pihetsiky ny vehivavy eo amin’ny andavanandrony no nisesy nandritra ny fotoam-piantsana. Tony avokoa ny rehetra tao an’efitrano nianoka ireo kalo maro loko noventesin’ity Pôeta misary vehivavy ity.

Feom-baliha malefaka no nandravaka ny seho nifandimby. Hetsika tsotra, maotina, nefa feno fahamatorana no tsikaritra teny an-toerana.

Taorian’ny antsa samihafa dia nisy ny fametraham-panontaniana isan-karazany satria nahaliana ny maro izay nanatrika ny tontolon’ity Pôeta ity. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny famakian’i Rado Ramaherison tononkalo miisa efatra. Tsy dia mahavantana ny maso sy ny sofina loatra mantsy ny mahita sy mandre azy miantsa imasom-bahoaka ny tononkalony. Fiaraha-naka sary sy fametrahana rangotsiaro no namarana ny fiarahana tamin’ity Pôeta ity.

Marihina moa fa nivoaka tamin’io fotoana io ny boky Ranontany andiany faharoa tamin’ny sarany mirary. Tononkalo 115 no voarakitra ao anatin’izany. Toetra amam-pihetsiky ny Vehivavy toy ny sarotiny, mikamentsona, mahatsiaro mangirifiry, mikarakara no anisan’ny voizin’ny Ranontany. ASAM no nanao ny kisary amin’ny fonon’ny boky izay miavaka amin’ny mahazatra. Azon’ny rehetra jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky samihafa izany ho an’izay mbola tsy nahazo. Nisy ihany koa ny Gazety Ambioka lah 138 namidin’i Liantsoa sy ireo mpiraifaribolana nifanotrona taminy.

Izahay eto amin’ny PÔETAWEBS dia faly miarahaba an’ i Rado Ramaherison mandia izany fotoam-pankalazana 25 taona nanoratana izany. Maniry indrindra ny fivoarana ombam-pahombiazana eo amin’ny seha-panoratana. Hitondra aina vaovao eo amin’ny tontolon’ny haisoratra ankehitriny anie ny fampitam-pisainana voiziny.

Indro àry ampahany tamin’ny tononkalo maneho ny tontolo iainan’ny vehivavy atolotra ho anao tsy afa-nanoatra tamin’izany fotoana izany.

Ny tsy hahita anao fotoana maromaro
satria tsy maintsy ho izany,
mba mety ho zakako ihany.
Fa ny hizakako irery ny embona sy tsiaro
noho ny elanelan-tany
no mahatonga ahy mitomany.

Ny tsy hotsenaina amin’ny andro takariva...
Ny tsy handrenesako intsony ireo bitsikao ombieny
mamy tamin’ny aiko, ho lefitro ihany ireny.
Fa ny ho saraka irery ireo hira ivaiva,
nohiraina teny ho eny
no mahatonga ahy tsy miteny

Rehefa avy any ianao ,
Ny iangaviko mba hatao
dia izaho mba zaro ihany
tsy ho anilanao hatrany
fa mafy loatra izao...
“ Soava dia ianao ”

RADO RAMAHERISON - 08 Jolay 2001

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
Rado Ramaherison : "tsy dia fanaony ny miantsa imasom-bahoaka ny tononkalony"

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra
Fahatelopolo taonan'ny Faribolana Sandratra



RADO RAMAHERISON SY ASAM

Ivohon'ny boky Ranontany



Tatitra sy Sary : Tsikimilamina Rakotomavo
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 24/04/2019