Créer un site internet

Jean Narivony, tsingerina faha-126

ANARANA AO AMIN'I JEAN NARIVONY
Toetra Ràja - 17/09/2024

JEAN NARIVONY - ANARANA AMINY

17/09/1898 - 17/09/2024
126 taona anio i Jean Narivony, ilay poetan'ny fanabeazana, 35 taona nampianarana, mpanoratra bokim-pampianarana, loharanona hira faneva miezinezina ho an'ny fiangonana... RAJAONARIVONY Jean no anarany ara-panjakana, mitovitovy amin'ilay natolotr'ireo nahitany masoandro azy hoe RAJAONARISOA Jean1. Azo lazaina ho naha olom-banona azy nandritra ny 82 taona niainany (maty tamin'ny 15/06/1980) ny fifaneraserana tamin'ny olona maro ka itondrana santionan'ny
anarana tamin'ireo namolavola azy sy ireo niaraka niasa taminy. 

IREO NAMOLAVOLA AZY

Mpampianatra sy mpanoratra ary mpamoron-kira protestanta ny rainy antsoina hoe Rajaonary James. Nandova tokoa, araka izany, i Jean Narivony, izay nivelatra tamin'ireo sehatra ireo teo amin'ny fiainana. Mpampianatra ihany koa ny reniny, Rasoarivony Elisabeth, teo amin'ny sehatry ny zaitra. Nanan-janaka mirahalahy izy ireo araka ny tetiaran'i Gilles Leblon ao amin'ny tranonkala Geneanet. I Jean Narisson (1895-1916) no zokiny izay poeta ihany koa ary nitolona ho an'ny tanindrazana ka voasambotra noho ny raharaha V.V.S. tamin'ny desambra 1915. Natao sesitany tany Nosy Lava tamin'ny febroary 1916 izy ary voalaza fa matin'ny tazo tamin'ny faran'io volana io ihany. Havan'i Jean Narivony koa ny mpanoratra roa fanta-daza Razakarivony Rodlish sy Jasmina Ratsimiseta. Ankoatra izay saha lonaka teo anivon'ny fianakaviana izay dia singanina manokana ny maha akaiky azy tamin'ny poeta Rafanoharana na i Bolespara sy ny mpamoron-kira malaza Naka Rabemanantsoa. Azo lazaina ho nampivelatra ny maha izy azy ny fifamatorany ara-panambadiana sy ara-pinoana tamin-dRasoazananoro Marie-Cécile izay katolika jeziota aloha, kanefa dia nivadika ho protestanta nanaraka ny finoam-badiny. Tsy mpanaraka fe mpanaraka anefa izy tamin'izany fa nisahana ny andraikitry ny dorkasy sy ny fampianarana sekoly alahady mihitsy. Namolavola an'i Jean Narivony koa ireo mpanoratra sy mpandahateny nifaneraserany tao anatin'ny fandrantoana fianarana toa an-dry G. Mondain, E. Groult, Andrianaivoravelona, Ramambazafy V., Rajaonarivelo Auguste.

Nilomano tao am-parihin'ny literatiora, fampianarana, finoana ary fitiavan-tanindrazana i Jean Narivony teo anivon'ny fiarahamonina nanefy azy ho olom-banona sy mijoro ary mizara ny maminy ho an'ny mpiara-belona aminy.

IREO NIARA-NIASA TAMINY


Nanoratra boky maro i Jean Narivony fa singanina manokana eto ireo niarahany tamin'ny mpanoratra fanta-daza.

Eo aloha ny revio "Sakaizan'ny tanora" ("Sakaizan'ny ankizy" tany am-piandohany - 1860) izay niarahany nitantana tamin'ny Pasitera Ravelojaona sy Charles Rajoelisolo. Nanapariaka ny Amboara voafantina izy sy Rodlish tamin'ny 1926. Ny "Kalokalo tatsinanana" (1929) dia bokin-tononkalo notsongaina, niarahany tamin'i Samuel Ratany, Ny Avana Ramanantoanina, Ignace Ratsimbazafy, J.J. Rabearivelo, Lusio B., Fredy Rajaofera, Meteora, Josefa Rajaonah, Eliza-Freda, Rafanoharana ary Rodlish. Tsy isalasalana fa lova lehibe ho an'ny taranaka ny "Firaketana" (1929), Rakipahalalana nifarimbonany tamin-dRajaonah.

Eto am-pamaranana dia tsara ny manamarika tranga vitsivitsy mampiavaka ny tontolony tany Fenoarivo-Atsinanana, toerana nampianarany nandritra ny 25 taona (1930-1955). Ramose Be no anarana niantsoana azy, tsy noho ny toe-batany angamba akory fa noho izy nohajahajaina teo anivon'ny fiangonana, fampianarana ary teo amin'ny fiainana andavanandro. Namolavola olom-banona izy ka anisan'ny
mpianany ny poeta Clarisse Ratsifandrihamanana. Niavaka ny haavon'ny kalitaon'ny fampianaran'i Jean Narivony satria nahazo ny diplaoma CEPE ny mpianany iray na dia natokana ho an'ny sekoly eraopeanina irery ihany aza io diplaoma io tamin'ny fotoan'androny. Bodosahondra Rasoanarivelo no anarany izay tsy iza fa zanany ary renin'ny mpanakanto Gothlieb.

 *
* *
Poeta, mpampianatra, mpamoron-kira ary olon'ny finoana notefen'ny fiarahamonina i Jean Narivony ka nahafahana namosaka ireo anarana sarobidy aminy. Namolavola olom-banona teo anivon'ny fiarahamonina koa anefa izy ka anisany ireto olona isaorana ireto izay nanampy tamin'ny fanatanterahana ny sorapiainany:  Bodovoahirana Andriamasinoro, Ndrema Andriamasinoro, Herinaivo Randriamasinoro (Gothlieb), Naivotiana Ravalison Raboana izay samy zafikieliny; miampy an'i Hobi Razakarivony tamin'ny fanazavana.
____________
(1) Tsikeran'i Hobi Razakarivony tao amin'ny fanapariahan'ny Arsivam-pirenena tao amin'ny Facebook momba ny lahatsoratra tao amin'ny Dina n°272 (4 Jolay 1980), p.2

Date de dernière mise à jour : 16/09/2024