Poetawebs - 15 taona

Tohonkalon'ny poeta, zara traikefa ho an'ny faha-15 taonan'ny Poetawebs
Felana Radoniaina - 27/07/2024

Tohokalon'ny poeta, zara traikefa ho an'ny faha-15 taonan'ny Poetawebs

Andro manokana sy lehibe ho an'ny Poetawebs ny 26 jolay 2024, nankalazana ny faha-15 taona niorenany ka nanatanterahany ny seho Tohokalon'ny poeta, zara traikefa. Tomefy olona ny efitranon'i Dox tao amin'ny tranombokim-pirenena izay natrehina manam-pahefana, mpandala ny literatiora, mpampianatra, mpianatra, mpanao gazety isan-karazany...  

Tsikimilamina Rakotomavo no tonian-danonana ka nanomboka izany tamin'ny fanolorana ny ho fizotry ny fotoana ary nodimbiasan'ny tononkalon'i Augustin Andriamananoro hoe "Ho anareo Poetawebs".

Nanamarika ny fotoana ireo lahateny teny am-piandohana, nodimbiasan'ireo velakevitra samihafa. Noelanelanina antsa tononkalo sy fanentanana ary indrindra ny fanamarihana ny faha-15 taona ireo rehetra ireo.

Lahateny

Nanomboka ny lahateny ny Prinsesy Fenosoa izay solotenan'ny taranaka poeta amin'ny maha zafikelin'i Stella azy. Nandritra izany no nanasongadinany fa ny poeta dia maneho ny ao am-po izay harindra amin'ny teny, maneho hafaliana sy ny eritreritra rehetra. Nampahatsiahy ny mpanatrika ny Sekretera Jeneraly mpisolo toeran'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera fa miara-miasa akaiky ny Poetawebs sy ny Ministera ary mifanohana hatrany izy ireo. Nohazavain'Atoa Naivo Raholdina fa isan'ny ireo olona mpandala ny literatiora ny tenany, namana akaikin'ny tranomboky ary te hampivoatra ny tontolon'ny literatiora. Manana ny hasiny sy manana ny lanjany ary tsiriritin'olona hoy izy izany hoe poeta izany ary rariny loatra raha mahatratra ny faha-15 taonany ny Poetawebs. 

Nizara roa ny velakevitra : tononkalo miaina sy tononkalo voakajy. Nisongadina tao anatin'ireo ny fizarana traikefa izay tena nahaliana ny mpanatrika.

Tononkalo miaina

Rajaonarivony Toetra na Toetra Ràja no nanazava ny antom-pisian'ny Poetawebs, ny tantarany sy ny tontolony. Izy no namorona ny Poetawebs ka nanapariahana ny takelaka voalohany tamin'ny 30 avrily 2009. Manana efitrano 5 ny Poetawebs:  Tapatapakahitra, Fandalinana, Sehatra, Lahatsoratra, Sorapiainana. Mahaliana fa voambolana nivoaka avy tao amin'ny Poetawebs ny sorapiainana.

Fantatrao ve fa ny Pr Narivelo Rajaonarimanana na Ny Malodohasaha (anarana maha poeta azy) izay anisan'ny Poetawebs no nitarika ny famokarana rakibolan'ny mpianatra sy ilay boky Loharano nipoiran'ny teny malagasy? Hita avy amin'izany fa milomano ao anatin'ny literatiora ny Poetawebs. Nanao jery todika ny dian'ny poezia malagasy i Ny Malodohasaha tao anatin'ny velakevitra "Ny Poezia malagasy sy ny aterineto". Izy no nanangana ny haisoratra.org. Nasongadiny ny fivelaran'ny poeta teo amin'ny tontolon'ny haino aman-jery sy ireo fomba isan-karazany hahafahan'ny mpanoratra mamoaka ny asasoratra. Fahombiazana ny fampiasana aterineto hoy izy satria sarotra ho an'ny poeta ny mamoaka boky ka amin'ny alalan'ny aterneto no ivelaran'ny asasorany.

Nanazava kosa i Nathalie Ramanambe, talen'ny fifandraisana amin'ny daholobe/ MSK, fa aseho  amin'ny pejin'ny MSK isak'alahady tolakandro ny horonantsary fohy maneho ny poeta miantsa ny tononkalony. Amin'ny maha Tonony sy Kalo ny anaran'ity fandaharana ity dia miara-dalana ny fiantsana tononkalo sy ny fanehoana an-tsoratra ny tononkalo. Tanjona ny hitarika ny mpijery hianoka avy hatrany ny tononkalo ka sady mihaino izay ambara izy no manjohy avy hatrany izay voasoratra.

Nitondra fanazavana momba ny fandaharana" 'Ndao hamaky boky" ny Tompon'andraikitry ny fampiroboroboana ny rohim-boky BNM/MSK, Ravaoarimalala Henintsoa Patricia, fandaharana vokarin'ny tranombokim-pirenena ao amin'ny TVM indroa isam-bolana. Ny tanjona dia fitaizana sy fampahafantarana ny tontolon'ny boky sy ny vakiboky manerana ny Nosy.  Ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny tontolon'ny boky no asongadina mandritra izany. Fandaharana maro no efa tontosa indrindra ny mikasika ireo poeta sy ny tononkalo foroniny.

Tononkalo voakajy

Nisantatra ny Tononkalo voakajy ny fiarovana ny zon'ny mpamorona ao amin'ny aterineto nentin'ny Talen'ny OMDA, Rarivojaona Velonirina. Nohazavainy aloha ny zo ara-moraly ananan'ny mpamorona mifaningotra amin'ny tenany. Eo koa ny zo ara-bola, azo avy amin'ny fampiasana ny sangan'asa izay ananany zo na dia hatramin'ny 70 taona aorian'ny fahafatesany aza. Nanentana ny poeta izy mba hiditra mpikambana ao amin'ny Omda.

Nitodika tany Italia avy eo ny mason'ny mpijery nanaraka an'i Hery Serasera tamin'ilay velakevitra nataony izay nanazava ny antom-pisian'ny vetso.serasera.org dia ny fandraketana ny tononkalo anaty tranonkala. Azo atao koa ny miantsa tononkalo ka raketina ao anatin'io tranonkala io. Arahan'ny mpihainon'ny radio Vazo Gasy koa izy ireny, radio tafiditra ao anatin'ny vohikalan'ny serasera.org.

Nifantoka tamin'ny horonantsary virtoaly ny velakevitr'i Patrick Raveloarison. Nizara traikefa momba ny fanatontosana horonantsary fanadihadiana izy. Eo ihany koa ny fampielezana izany amin’ny tambajotran-tserasera samihafa (Youtube, Facebook, sns.) miampy ny fomba fitehirizana ireny tahirin-kevitra an-tsary ireny ho amin’ny toerana azo antoka sy maharitra.

Nosahanin'i Ny Hasina Ratsimbazafy (Poetawebs) ny fandravonana an'izany velakevitra 6 izany izay nofaranana tamin'ny dinidinika niarahana tamin'ny mpanatrika.

Nanaitra ny maro ny fivahiniana tampotampoky ny mpanakanto Aina Maharavo teny an-tsehatra izay sady mpanao hatsikana rahateo ka nampiaina ny hetsika noho ny fampihomehezana ny iray efitrano.

Marihina fa navohitra tamin'ny alalan'ny fanapahana mofomamy ny faha-15 taonan'ny Poetawebs teo afovoan'ny fotoana. Izany rehetra izany no ahafahana manambara fa seho miaina, velombelona, nanovozana fahalalana maro ilay Tohokalon'ny poeta, zara traikefa.

Prinsesy Fenosoa izay solotenan'ny taranaka poeta

Sekretera Jeneraly mpisolo toeran'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera

Raholdina
Raholdina, Prinsesy Fenosoa, DDAF Maherizaka

Patrick Raveloarison (Poetawebs), Felana Radoniaina (Poetawebs), Lila Hanitra Ratsifandrihamanana (taranaka poeta), Ny Hasina (Poetawebs), Soeur Isabelle (Librairie Md Paoly), Pr Narivelo Rajaonarimanana (Poetawebs)

Pr Narivelo Rajaonarimanana
"Ny Poezia malagasy sy ny aterineto"

Patrick Raveloarison "Horonan-tsary virtoaly : famoronana, fanapariahana, fiarovana"

Ny poeta Lavenona, niantsa tononkalo

Valiha Gasy (Faribolana Sandratra), niantsa tononkalo

initra mialoha ny fanapahana ny mofomamy, manazava ny lamina ny tonian-danonana

Miara-manapaka ny mofomamy ny Poetawebs. Miankavanana : Ny Hasina Ratsimbazafy, Ny Malodohasaha, Tsikimilamina Rakotomavo, Rita, Felana Radoniaina, Patrick Raveloarison

Poetawebs niaraka tamin'ireo poetan'ny Faribolana Sandratra

Poetawebs niaraka tamin'ireo mpianatra oniversite (LLOM/CIRAM)

Ireo nisahana ny fandraisana olona (LLOM/CIRAM)

Ireo mpanatrika, indray mitopy maso

Date de dernière mise à jour : 28/07/2024

×