Créer un site internet

Haingo ! Poeta mikalo ny fitiavana

Haingo ! Poeta mikalo ny fitiavana
Tsikimilamina Rakotomavo - 20/09/2024

Haingo ! Poeta mikalo ny fitiavana

Tsingerina ho an’i HAINGO
Poeta, Mpanoratra, Mpamoron-kira, Mpihira, Mpitendry
20 septambra 1965 - 20 septambra 2024

   Voambolana mafonja manamarika ny fifandraisan’ny olona samy olona ny fitiavana. Andrenesana izany avokoa ny sehatra rehetra eo anivon’ny fiarahamonina noho izy fototry ny fiombonana. Miresaka ny tontolon’ny fitiavana indrindra ny tononkalon’i Haingo nampitondrainy ny lohateny hoe "Mamiko" izay notsongaina manokana tao amin’ny boky Mpirahalahy mianala, tak 56. Misongadina amin’izany fa manana ny anjara toerany eo amin’ny fampijoroana ny fiainan-ko avy ny fitiavana ka tsy azo hodian-tsy hita. Miseho amin’ny alalan’ny fitsirian’ny fitiavana sy ny fiatrehana ireo sakana tsy mampandroso ny fitiavana izany. Ezahina andalanina mifanesy ireo voambara ireo.

 *
* *

    Anisan’ny singa mandrafitra ny maha olona ny fo izay ivon’ny fahavelomana. Avy ao amin’ny fo ihany koa no ipoiran’ny hetsika maneho hatsaram-panahy na kilema aseho eo anivon’ny fiaraha-mivelona. Rehefa mitepo araka izany ny fo eo am-pahitana izay olona mifanandrify amin’ny safidin’ny tena dia mitsiry ny felam-pitiavana eo amin’ny olon-droa ary misy ny fahatairana tsy azo tohanana.

Vao ianao no hitako
Dia fantatro fa tiako

Ny fijery na ny fitopin’ny maso dia ahatsapana izany fitepon’ny fo izany. Hany ka satry hatrany hibanjina ilay maharevo izay heverina fa kanto eo anoloana.


Hany ka tsy vitako
Ny hanohy ny diako
Tsy hijery anao

Mitarika ho amin’ny takalo, fihaonana matetika sy maharitra, fiombonam-po tsy hay ferana izany fitsirian’ny fitiavana izany.

Hita araka izany fa anisan’ny fantsona goavana fototry ny fitiavana ny fo ka matoa tsy voabaikon’ny saina dia manana ny lanjany eo amin’ny fiainana.

Raha nodinihina teo ny fitsirin’ny fitiavana izay miseho amin’ny alalan’ny topy maso dia avohitra ny fiatrehana ireo sakana mety hampandamoka izany.

*

    Maro tokoa ireo lafin-javatra mety hanakana ny fiombonan’olon-droa toy ny fialonan’ny mpiara-belona, mari-pahaizana, firazanana, finoana, fari-piainana.

Mbamin’ny hetraketraka
Mijadona fipetraka
Hifanandrina amiko

Miteraka korontana lavareny eo amin’ny fifandraisan’ny roa tonta ny fanjakazakan’ireny sakana samihafa ireny. Rehefa tena miorim-paka anefa ny  fitiavana dia toa zava-poana izany fa voavaha hatrany ny olana mety mitranga.

Fa tsy hamono anao
Ao am-poko ao
Satria ianao … mamiko !

Ny fandalana ny fanahy maha olona izay ahafahana mandanjalanja ny fihetsika mety na tsia eo anivon’ny fiaraha-miaina no fototra iorenan’ny fiombonana tahaka izao. Tsy afa-misaraka amin’ny fahaiza-mandinika lalina izany.

 *
* *

    Raha aravona izay nambara teo dia tsapa fa miorina amin’ny fihetseham-po ny fitiavana ary mahalavorary ny fifandraisana eo amin’ny samy olona. Mifamatotra amin’izany hatrany anefa ny fananam-panahy sy saina mahay mihevitra izay mahasoa. Koa ny fahaizana mampifandrindra ireo singa telon’ny fahaiza-mifandray ireo no loharanom-piombonana.

Tsidiho ny sorapiainan'i Haingo

Date de dernière mise à jour : 19/09/2024

×