Créer un site internet

Rahoviana, Harioley 2024

Rahoviana' tsingerina Harioley
Faniry Ezeckiel - 11/12/2024

Rahoviana - Harioley

Tsingerin-taonany faha-123
11/12/1901 - 11/12/2024

Raha mbola teto i HARIOLEY, nankalaza ny faha-123 taona niainany androany. Poeta nanam-pahaizana, niaina tany amin'ny vanim-potoana fiforetana anaty. Tsy ny hirifiry nateraky ny fanjanahan-tany ihany no niaretany fa teo koa ny hirifirin'ny fitiavan'olon-droa. Araka ny tantara, nanana olana tamin'ny fikasany hampakatra ny andefimandriny izy rehefa tsy nifanaraka ny ray aman-dreniny sy ireo niteraka ny olon-tiany.

Nibaribary tao anatin'ity sombin-kalo nosoratany ity ny ratram-po nahazo azy, andininy fahatelo amin'ny tononkalo RAHOVIANA, nalaina tao amin'ny boky Vondrona Ambara, tak 4. "Rahoviana?" hoy izy, "rahoviana"? Fanontaniana tsy hainy novaliany izany, miandrandra ny fotoana hifanojoan'ny fitiavany sy ny an'ilay olon-tiany izay tafasaraka taminy izy. Na mitory alahelo aza izy, misy endrika fanantenana ihany taratra amin'ilay hoe "Iza re no mahalala". Ninoany fa ny vintana no nitarika ny elanelana teo amin'izy sy ny sakaizany ka tsy afa-nanoatra izy.

Kanto ery ny fomba nanehoany ny fihetseham-pony tao anaty ranomaintiny. Nampiasa ny rima mifaningotra teto i HARIOLEY ary milanto tsara ny ngandona sy paika nanoratany azy. Manaporofo izany fa mpanoratra andrarezina nanana ny nampiavaka azy ity mpitsabo ity matoa tsy lefy hatramin'izao ny anarany ary mitoetra ho lovan'ny taranaka hatrany ireo sanganasany.

Date de dernière mise à jour : 08/12/2024

×