Faradobok'i Raozigasy - IdF

Mandrezatra fitia - Faradobok'i Raozigasy
Toetra Ràja - 17/11/2024

Faradobok'i Raozigasy

Nandrezatra fitia

Izay fara-doboka izay no azo amaritana ny hetsika hatrehin'i Raozigasy sy ireo mpakafy azy ao Parisy (Ile de France) satria eo am-pamaranana ny fanamarihana ny faha-20 taona nisalorana ny anarana Raozigasy izy ary nitety tanàna maro tao Frantsa tamin'ny alalan'ny Nandrezatra fitia. Hiavaka amin'ny efa tontosa ity hetsika ity izay ahitana an'i Kool Andriamalala ao amin'ny petadrindrina ary hianohan'ny mpijery tononkalo, kabary, sombin-tantara, hira ary glita.

Atolotra an'i Raozigasy ny sehatra hanazavany izany amin'ny alalan'ny andalan-teny voarindra.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny mpanao politika izao, hanao propagandy
Raozigasy kosa, hilaza raha tsy vandy
Hamboraka ny marina, izay tsy sahy ambara
Mitranga ety an-tany, sy eny am-parafara


"NANDREZATRA FITIA"
 
Kabary kely no ao, natao hampihomehy
Sombin-tantara koa, ho an'ny olon-dehibe
Tononkalo feno hatsikana, feno vazivazy
Hira sy vazo an-glita, ilay manalanala azy

"NANDREZATRA FITIA "

Tolotra hafakely, izay omena antsika
Handraisana ity ririnina,  efa miha-mangatsiaka
Amin'ny  07 DESAMBRA, ary no fotoana
Rehefa olon-dehibe, dia andao any hihaona

"NANDREZATRA FITIA" :  mihitsy ny lohateny
Zara Fitia an-kanto, no zavatra kendreny
Mitantara an-teny, sy an-kilalao
Ilay lazain-tsy filaza, ilay lazain-tsy fanao

"NANDREZATRA FITIA"

Ny Tia tsy mifamarafara, ady no hiafarany
Ny Tia be loatra am-parafara, zaza no hiafarany
Hiresaka izany, no tena hatao any
Tsy atao kabary lava, fa ianao no maminany

"NANDREZATRA FITIA"

Izay fa any mihaona, dia any koa tohizana
Ilay tantaram-piraisan-tsipi-panohizana
Raha toa ianao tia, sy maka fy ilay zavatra
Tongava mihitsy any, fa hianoka azy fatratra

"NANDREZATRA FITIA"

Raozigasy

Eo ambany koa jereo
Ny raki-tsary sy feo
Alohan'ny ho sodoka
Vakio tsara aloha ilay doka

https://www.facebook.com/share/v/qsWi4NQ3vtSbWZr3

Kabary kely mampihomehy
Sombin-tantara ho an'ny olon-dehibe
Tononkalo kely mamazivazy
Hira sy glita manalanala azy

Izany no "ambiance" ao e

Ajouter un commentaire