A.R.Ni - Tanora vonona
Felana
Radoniaina - 06/12/2024
A.R.Ni - Tanora vonona
06 desambra
1961 - 06 desambra 2024.
Tsingerin-taona faha-63
Tranga matetika eo amin'ny fiainana ny fisian'ny olona vonona sy sahy hiady ho an'ny rariny, manala sarona ireo tsy mety nefa toa zary eken'ny besinimaro. Noho izany tranga izany no mety nahatonga an'i A.R.Ni nanoratra an'ity ampahan'ny tononkalo HONO ity, tsikaritra ao amin'ny boky Hiratry ny kintana, tak 14. Ho hita ato ny fahasahian'ny tanora miaro ny rariny sy izay vokatr'izany.
Tanora sahy
Azo sary an-tsaina ilay seho mitranga eto: tanora iray sahy miteny, sahy mijoro, angamba hiarovana ny marina? Ankehitriny tokoa dia zary fahita etsy sy eroa ny fanaovan-dratsy na mivantana izany na ankolaka toy ny kolikoly, herisetra ara-tsaina, fanaovana tsindry azo lena sy ny sisa. Efa eken'ny olona ireo fanao ratsy ireo ary havitsiana ireo sahy mampibaribary izany. Ity tanora voaresak'i A.R.Ni ity dia ilay tanora fakan-tahaka, tanora vonona hiaro ny fahamarinana sy ny rariny ary tanora tsy mba matahotra olona.
Hoy i A.R.Ni :
"somary basivava
ka mampibaribary
Ny ratsy izay nafeniny"
Eny, sahy miteny manoloana ny zavatra tsy mety ka lazaina fa basivava ilay tanora. Raha tsy ho sahy hiteny avokoa anefa na ny lehibe na ny tanora, hanao ahoana ny hoavy?
Vokany
Toa mihevitra an'ilay tanora ho zaza mena vava ireo mpitazana ka toy ny milaza fa tsy manan-jo hiteny izy.
"tanora hono ialahy
eny mena vava"
Ireo olona izay natao ho fitaratra indray no zary manevateva sy manilika ilay tanora sahy "mampibaribary ny ratsy izay afenina" ka manilika azy ireo avy hatrany.
"ka ailika avy hatrany
amin'ny tetika ifanaovana."
Eny, mikaon-doha ireo olon-dratsy mba hanaronana ny ratsy fanaony. Ka raha misy manakantsakana izany dia enjehina sy ailika avy hatrany izay olona sahy toy izany.
Ohatra an'iza àry izaho sy ianao? Andao hiombona sy ho sahy hijoro amin'ny fahamarinana sy ny rariny.

*
* *

Date de dernière mise à jour : 05/12/2024