Isotra otri-po
Heriarilala
Andriamamonjy - 30/11/2024
Isotra otri-po
"Isotra
otri-po", tononkalo nosoratan'i Fanja Razah, notakariny tamin'ny
tenin'ny poeta Ny Malodohasaha
hoe "Ilaina
ny fiombonam-po, ny fiombonan-tsaina, ny fiombonam-panahy hialana
amin'ny otri-po isan-karazany", maneho ny lafy tsaran'ny
fiombonana tsy misy ambadika, fiombonana amin'ny fo madio, tononkalo
mitaona ny olona hiala amin'ny fihatsaram-belatsihy na fiaretana ny
zavatra tsy zaka. Hampazava bebe kokoa izany foto-kevitra izany dia
andao hojerena mialoha fa tsara ny fiombonana raha vokatry ny safidy
malalaka. Manaraka izany, haseho fa tokony ho madio fo ny olona
miombona. Farany, hovoaboasana ny mahazava-dehibe ny fiombonam-panahy
mba hahalavorary ny fiombonan'ny fo sy saina.
"Raha ombom-po tsy an-tery fa tena am-piniavana
Dia tsy harahiko fandavana fa hokajiko tsy ho very"
Izany hoe mendrika fikojakojana sy fikolokoloana ny fiombonana raha toa ka tsy nisy fanerena fa samy nandeha araka ny nahim-pony ny tsirairay. Rehefa avy eo dia tsy tokony hisy hanao tsinontsinona izany fiombonana izany. Ny nanohizany io andalana io dia hanana finiavana hanome toerana izany fiombonana izany ao anatiny mihitsy ny mpanoratra eto satria tsy teny natao handresen-dahatra ny hafa am-bava fotsiny ilay fiombonana.
"Hokoloiko soa tokoa mba hanorobon-dalandava,
Sanatria tsy ho hatreo am-bava fa halatsako am-po."
Izany hoe mendrika hokarakaraina ny fiombonana vokatry ny finiavan'ny tsirairay.
Tsara ny mikambana araka izany raha tena sitrapo tokoa ka tsy tokony hisy hifankahala anaty.
Mety hisy any ho any fiombonan'ny olona mifandrafy ao am-po na olona samy manana fahasorenana. Ny hoe "lonjony" ao amin'ny andininy faharoa dia fahasosorana sy lonilony amin'ny hafa. Ny rafina lonjony izany dia midika hoe fahavalon'ny otri-po. Matoa ny mpanoratra naneho ny hetahetany amin'ny hisian'ny fiombonana lavitra ny otri-po dia mahita fiainana mifanohitra amin'izany izy any ho any. "Mendrika ho fitandro sy toavina lalaina" ny fiombonana tsy misy lolom-po raha izany. Raha itarina ny hevitr'izany dia midika fa tokony hatsahatra ny fiombonana misy otri-po sy fifandrafiana.
Tsy tsara ny fifandraisana akaiky "misoritra havangavana" raha ny voalaza ao amin'ny andininy faharoa. Ny atao hoe "havangavana" dia fanilikilihana ny havana ory. Raha ny hevi-teny voalohany dia ireo mahantra no tiana hambara amin'izany fa mety hiova araka ny toe-java-misy kosa. Mety ho olona tsy mahay kokoa noho ny tena, na tsy manana toerana ambony kokoa noho ny hafa no voasokajy ho ory.. Raha tsy misy fanilikilihana ireo sokajin'olona ireo ilay fiombonana dia mendrika ny hahindrahindra hatrany fa raha tsy izay kosa dia aleo aza tsy misy.
Izany hoe tokony ho olona samy madio fo no miombona. Inona àry ny fitaovana hahatonga izany fahadiovam-po mampiombona izany?
Tsy tonga lafatra ny fifandraisan'ny olombelona. Mety hisy olana eny antsefatsefany eny, tsy ny mahafaly foana no hiseho fa mety hisy ny mampalahelo, mety hisy koa ny mahatezitra. Ny olona efa nisafidy hiombona anefa araka ity tononkalo ity dia tokony ho olona tsy mifampanana alahelo. Noho izany, na eo aza ny fo sy ny saina dia tsy azo dinganina ny fanahy hanome fanadiovana ny tsirairay. Ny andininy farany no milaza fa:
"Ny fiombonana fanahy otronim-po aman-tsaina
No hany tokana antenaina tsy mba mampanahy
Hanorotra sy hanisotra hahafoana ny otri-po."
Raha fintinina izay voalaza dia hita fa tsara tokoa ny fiombonana vokatry ny safidin'ny tsirairay, tsy tsara anefa izany raha toa ka olona mifampitana alahelo no miaraka. Noho izany, ny fanahy aloha no tokony hampiombonina voalohany raha tena manantena fiarahana vanona ny tsirairay.
Hoy izy eo amin'ny andininy voalohany :

Date de dernière mise à jour : 30/11/2024