Tsiahy nahatamana, elie rajaonarison

Tsiahy nahatamana
Toetra Ràja - 13/11/2024

TSIAHY NAHATAMANA

Liana  avokoa ireo nanatrika ny Tsiahy an'i elie rajaonarison tao amin'ny efitrano DOX, tranombokim-pirenena ny 13 novambra 2024. Velakevitra roa samy nanana ny mampiavaka azy no natrehin'ny mpankafy literatiora tamin'izany.

Ny toetra amam-pihetsik'i elie rajaonarison teo amin'ny andavanandrony sy ireo nanavaka teo amin'ny fiarahamonina no nambaran'i Ranöe, mpanoratra, mpanabe, akademisianina.
Ny toe-tsaina mihaino, miaina, mamorona izay nianaran'i elie rajaonarison sy nahazoany traikefa ary nozarainy tamin'ny mpiara-belona kosa no lohahevitra navohitran'i Tsiky RAKOTOMAVO, mpampianatra mpikaroka, sakaizan'ny Faribolana Sandratra, mpandrindra ny tranonkala Poetawebs, akademisianina.

Nanokatra ny fotoana tamin'ny lahateniny ny Tale Jeneralin'ny tranombokim-pirenena. Niavaka ny fiantsana ireo tononkalon'ity poeta ity. Tsy nampiraika ireo mpanatrika maro be ny fodian'ny masoandro ka satrin'izy ireo hatrany hianoka ny kanton'i elie rajaonarison.

Nanamarika ity fotoana ity ny fanatrehan'ireo  tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Akademia Malagasy, mpampianatra mpikaroka, ny vady aman-janak''i elie rajaonarison.


Ireo mpanao velakevitra

Miankavia : DG OFNAC, DG BNM, DPLM, oliva Ramavonirina, Tsitohery Raolona

Ireo mpanatrika liana sy tamana

Fianakavian'i elie rajaonarison niaraka tamin'ny mpanao velakevitra sy ny Faribolana Sandratra

Mamihina ny sandrin'i Tsiky Rakotomavo havanana i Mamy vadin'i elie rajaonarison.
I Anjahasiniony sy Linjomaradona, samy zanak'i elie rajaonarison, no eo ankaviany

Domoina, mpampianatra mpikaroka
Oniversité Beijing

Tapatapakahitra niarahan'i Tsiky Rakotomavo tamin'ny Studio Sifaka

Ajouter un commentaire

 
×