Soratra an'asa
Toetra
Ràja - 26/12/2024
SORATRA AN'ASA
Nanatanteraka
hetsika angano sy tononkalo ho fampivelarana ny maha olona tao amin'ny
akany MANAMPY MAHATONY eny
Soavimasoandro ny fikambanana SOA MAHATSANGY ny sabotsy 14 desambra
2024. Natokana ho an'ny zanaky ny sahirana beazina ao amin'io akany io
ity hetsika ity izay niarahana tamin'ny mpitantana ny akany, Elia
Rasoarimalala, sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny mpikamban'ny SOA
MAHATSANGY nahitana ny poeta Ikaloyna Vony, Lalaina Ravahy ary Perla Soa.
Niavaka ny fitantaran'i Perla Soa angano izay nosoratany, niampy tononkalo sy tsianjery nozaraina tamin'ny ankizy. Notolorana satroka sy kaopy maroloko ny ankizy izay mifono hafatra mafonja toy izao:
"Ho satroka mahagaga hitondra Fahalalana sy ho kaopy mahagaga hitondra Rano Soa ho azy ireo tokoa anie ireo zavatra nozaraina fa tsy hijanona ho angano"
Tsara ny manamarika fa fikambanana poeta vehivavy ny SOA MAHATSANGY izay miantsehatra amin'ny kolotoraly, tontolo iainana, fanabeazana ary ny fampivelarana ny maha olona. Efa 14 taona kosa izao no nisian'ity akany MANAMPY MAHATONY ity.

Date de dernière mise à jour : 28/12/2024