Créer un site internet

Kapo-batana sy tefy manta

Kapobatana sy tefy manta
Tsikimilamina Rakotomavo - 01/09/2024

KAPO-BATANA SY TEFY MANTA

Tapatapakahitra iarahana amin'i Imbitika Rambala


Nifanojo tamin'i Tsikimilamina Rakotomavo teny Amboanjobe i Imbitika Rambala. Ela tsy nihaona ka nisy tokoa ny vaovao azo ampitaina ka notsoahina avy tao anatin'ny tafan'izy mianaka.

Tsikimilamina Rakotomavo
Elaela tsy hita i Imbitika Rambala, inona no vaovao azo aroso?

Imbitika Rambala
Eo hatrany aho ka! Mamaky isan'andro ireny ranty ataon'ny poeta malagasy ireny indrindra ny Poetawebs izay tsy mitsaha-mitrandraka ny asasoratr'ireny poeta efa zokiny sy ny tantarany  ireny. Miezaka koa aho mba hizara ohabolana amin'ilay ANDAO HIFARIMBONA amin'ny OHABOLANA IRAY ISAN'ANDRO ao amin'ny tambajotra Facebook.

Tsikimilamina Rakotomavo
Ao anatin'ny vitrika tanteraka tokoa ianao ankehitriny. Azo fantarina koa ve ny nahatonga ny famoahana ity boky KAPO-BATANA SY TEFY MANTA? Inona no voarakitra ao?

Imbitika Rambala
Nivoaka omaly (29/08/24) tokoa Ilay boky KAPO-BATANA SY TEFY MANTA. Ireo zanako no nifarimbona namoaka azy io izay nataon'izy ireo ho fanomezana ho ahy amin'ny nahatrarako ny faha-80 taonako. Sombintantara 10 amin'ireo sombintantara voasoratro no ao amin'io boky io. Misy efa nivoaka ireo sombintantara ireo ary misy koa izao vao navoaka.

Tsikimilamina Rakotomavo
Arahabaina nahatratra ny tsingerina faha-80!
Poeta Imbitika Rambala saingy tsy ahitana tononkalo izy ity, misy antony manokana vé?

Imbitika Rambala
Mankasitraka!
Tsy misy tononkalo tokoa ao amin'io boky io satria amin'izay maha fanomezana azy izay dia fifandraisanay sy ny ankohonako no tena antony ary izay no nanomezana azy ny anarana hoe KAPO-BATANA SY TEFY MANTA. Mirakitra hafatra manokana izany koa raha ny marina dia boky tsy natao hamidy loatra izy io fa fifandraisanay ho anay samy izahay.

Tsikimilamina Rakotomavo
Amin'ny maha poeta elanihetezana anao, inona no lalantsara tokony hizoran'ireo zandry zanaka handimby rahatrizay?

Imbitika Rambala
 Raha hiresaka tononkalo indray isika dia efa maro ireo tanora malagasy no manoratra tononkalo ankehitriny ary manampy azy ireo amin'izany ny tambajotra Facebook. Mahabe fanantenana izany raha ny asasoratra no jerena. Tia manoratra ny tanora malagasy ary misy tokoa ny tena efa havanana saingy amin'ny ankapobeny dia fitiavana voaratra no be mpanoratra, misy koa ireo misafidy ny nanadihady ny politika. Rariny koa izany satria rivotra iainany izany ary tsy misy maharatsy an'izany velively.
Amiko ny poeta dia mpitaiza, mpamolavola, ary manentana, koa tsy tokony hanaraka loatra ny rian-drano fa hitarika ny olona hanana fomba fijery miabo hatrany. Araka izany, amin'izay maha mpanabe azy izay dia tsy rafitra loatra aloha no tokony hojeren'ny poeta fa ny olona. Araka ny hevitro mantsy dia olona no manova ny rafitra fa tsy rafitra no manova ny olona ary hanampy be dia be ny poeta ny tsy fitsaharana mamaky boky.

Tsikimilamina Rakotomavo
Inona àry no heverinao fa fomba mahomby hampaharitra sy hampanan-danja ny haisoratra eto amintsika?

Imbitika Rambala
Mba hampanan-danja ny haisoratra malagasy dia tokony hiala amin'ny zavatra mora hosoratana ny mpanoratra toy ny poezia mitoreoreo, ny tantaran'ny fo voaratra, ny fiainan'ny kamboty, toa izany koa ireo zavatra manohina fo na mampitahotra. Raha hanao an'izany dia sisihana fitaizana na fahalalana kely any anatiny any. Tena ekeko fa tsy mora ny miala amin'ny mahazatra fa raha tiana hisy lanjany ny haisoratra malagasy dia tsy maintsy manova isika satria ny fiainana dia fikarohana tsy misy farany.

Tsikimilamina Rakotomavo
Tena feno sady ampoka ireo voambaranao ireo, koa mirary soa anao mandrakariva eo amin'ny fanomezan-kasina ny haisoratra malagasy.

Imbitika Rambala
Ireo no hevitra azoko aroso amin'izao taom-bolofotsiko izao. Misaotra anareo Poetawebs aho manome lanja hatrany ny fisiako eo amin'ny sehatry ny haisoratra malagasy.

Date de dernière mise à jour : 31/08/2024