Eny indrisy! Ny fanahy malagasy, tsingerin-taonan'i GRG

Eny indrisy! Ny fanahy malagasy, tononkalon'i G.R.G., nohadihadin'i Toetra Ràja
Toetra Ràja - 30/12/2024

Eny indrisy! Ny fanahy malagasy

Tsingerina faha-92 taonan'i G.R.G
30/12/1932 - 30/12/2024

Mitsingerina anio ny faha-92 taonan'i G.R.G., poeta mitolona sy mahitsy fiteny. Ahatarafana izany indrindra ny tononkalony  "Eny indrisy! Ny fanahy malagasy", nalaina tao amin'ny Sorapiainana 2, tak 77-78, nitsongana andininy iray mifanandrify amin'izao kizo lalina diavin'ny firenena izao. Azo heverina mantsy fa ny fihatahana amin'ny fanahy malagasy no anisan'ny mety ho antony mampikororosy fahana ny fiainana. Hofaritana aloha ny loharanon'ny fahapotehan'izany fanahy malagasy izany alohan'ny hanasongadinana ny vokany.

 *
*  *

Ny famaritana ny fanahy malagasy natolotry ny poeta G.R.G. ihany no ifotorana amin'ity fandalinana ity: "Fanahy malagasy mpankatò ny fahendrena". Rehefa potika ilay Fanahy malagasy dia hadalana sy ditra ary tsy fahalalana ny atao, izay teny mifanohitra amin'ny fahendrena, no manjaka.

Loharanon'ny famotehana ny fanahy malagasy

Misongadina eny amin'ny lohateny fa iharam-pahavoazana ny fanahy malagasy ka itserana amin'ny "indrisy". Potika sy ripaka izy noho ny hery avy any ivelany tsy voatohitra: "Misy poizina tafiditra eto Madagasikara ka mandripaka Fanahy". Ny poizina tafiditra ao amin'ny vatan'olombelona, ohatra, dia miely haingana any amin'ny faritra rehetra amin'ny alalan'ny ra ary mamotika ny taova ka mahafaty raha tsy voatsabo. Mamotika ny fiarahamonina koa izy amin'ny mari-drefy midadasika kokoa.

Ahitana lalan-tsain'ny finoana kristianina koa ity tononkalon'i G.R.G. ity: "Ny Fanahy Malagasy izay voarombak'i satana tamim-pomba sahisahy". Etsy an-daniny, amin'ny alalan'ny renisoratra no nanoratan'i G.R.G. ny Fanahy Malagasy toy ny fahita amin'ny Fanahy Masina. Midika fanomezana hasina sy fandalana izany ka tsy tokony hozimbazimbaina na poizinina fa arovana. Etsy an-kilany, miantomboka amin'ny zanatsoratra eto ny anarana "satana" izay tokony ialohavana renisoratra toy ny anaran-tsamirery rehetra. Fomba fanehoana fahatezerana izany noho ny hetraketraka misongadina amin'ny hoe "tamim-pomba sahisahy". Tena niady tokoa, araka izany, i Satana, nampiasa hery toy ny fanao amin'ny ady, izay mila fahasahiana sy fandrombahana. Fakana ny manontolo hatrany amin'ny fakany no mifono ao anatin'ny teny hoe "voarombaka".

Mizaka ny tsy eran'ny ainy ny Malagasy, araka izany, ary mavesatra tokoa ny voka-dratsiny.

Vokatry ny fahasimban'ny fanahy malagasy

Voapoizina ny fanahy malagasy ary izy manontolo mihitsy, hany ka efa miova endrika tanteraka araka ny fahitan'i G.R.G. azy hoe "Mandoto ireo Fanahy". Tsy ao anatin'ny Malagasy intsony ilay fankatoavana fahendrena, araka ny namaritan'ny mpanoratra ny Fanahy malagasy. Raha maloto ny fanahy, tsy heverina hanjakan'ny fanahy maloto koa aza ve ny firenena satria efa "voarombak'i satana"?

Toy izao no nanehoan'i G.R.G. izany eo amin'ny fiainana andavanandro:

"Manjakazaka eto ireo fitiavan-tena maro, fahavalom-pirenena"

Tsy izany tokoa ve no iainan'ny Malagasy ankehitriny? Tia tena ny olona, maka ny tsy azy, manararaotra, mambotry, mihetraketraka, mamono...

Nosy i Madagasikara ary azo lazaina ho tsy manam-pahavalo mety hanafika. Ny Malagasy ao aminy izay efa voapoizina anefa no hany fahavalony ary tena mamotika tsikelikely toy ny aretina mihady ary mahatrotraka ny maro. Voapoizina ny maro ka tsy manana hery iadiana amin'ny tsy eran'ny ainy intsony.

 *
*  *

Fehiny, matanjaka tokoa i Satana nahavita nandrombaka tamim-pomba sahisahy, hany ka vao mainka mitombo ny heriny noho ny hamaron'ireo mpanara-dia azy. Mila hery matanjaka kokoa noho i Satana ny firenena raha te hiarin-doha ka tsy hitolefika intsony. Matanjaka lavitra noho i Satana anefa ny Tompo izay tsy mitsahatra manolotra ny tanany. Anjaran'ny Malagasy sisa no mandray izany tanany izany raha tiany ny ho voavonjy satria Andriamanitra irery ihany no Tompon'ny hery. Izy irery sisa antenaina hanasitrana noho ny poizina efa mieli-patrana ao amin'ny Nosy.

Date de dernière mise à jour : 29/12/2024