Créer un site internet

Sôva momba ny rano - Ny Voaroy

Sôva momba ny rano, tononkalon'i Ny Voaroy
Heriarilala Andriamamonjy - Poetawebs - 07/12/2024

Sôva momba ny rano

Randriamparany Nambinintsoa Marie Alexandre na Ny Voaroy, poeta voaray ho mpikambana Havàtsa-UPEM ny taona 2022, nosalorana hasina tamin'ny volana janoary 2024, havanana manokana amin'ny fanoratana Sôva. Ity "Sôva momba ny rano" nosoratany ity dia anisan'ireo niranty nandritra ny herinandron'ny Havàtsa-UPEM 2024 tamin'ny volana oktobra lasa teo. Aharihariny ao fa fototry ny aina rehetra ny rano. Hamahavahana izany dia hojerena mialoha ireo toerana ipoiran'ny rano. Manaraka izany, horesahina ireo anjara asan'ny rano. Farany, hotanisaina ireo lafin-javatra hafa mety hisy rano.


 *
*  *

Ireo toerana ipoiran'ny rano.

Voalohany, ambaran'ny mpanoratra fa any anaty vato sy any an-tendrombohitra ny rano. Hoy izy eo amin'ny andalana fahatelo sy fahefatra manao hoe :

"Ny rano misosa ao anaty vato
 Vato mazana eny an-tendrombohitra".

Izany hoe tsy aiza tsy akory no ipoiran'io rano io fa voajanahary ary amin'ireo zavaboahary ihany no ipoirany. Tsy zavatra natao tanana na voatrolombelona ny rano.

Ankoatra izay, tsy eny amin'ny toerana avo tahaka ny tendrombohitra ihany no mety hahitana rano araka ity sôva ity, fa toerana impirimany koa ny lohasaha izay fantatra fa ambany toerana. Hoy izy ao amin'ny andalana fahafolo manao hoe : "Ny lohasaha mpitahiry ireo loharano". Ny lohasaha dia tahala mitandavana eo anelanelan'ny faritra roa avo. Hita eny avokoa na tanimboly na kamory... Toeram-piasan'ny tantsaha sy miantoka ny fivelomany io harena voajanahary io.

Fa manana anjara asa inona anefa ny rano ?

Raha ny voalazan'ny andalana faha-12 dia miantoka ny foto-tsakafon'ny Malagasy mihitsy ny rano. Ambarany mantsy fa ny "ony manondraka tanimbary". Nohazavainy teo aloha fa  rano ihany io mikoriana ho tonga ony io ary ny "tanimbary mpamelona ny tantsaha" hoy izy nanohy eo amin'ny andalana faha-13. Inona tokoa moa no maniry sy mihavokatra amin'izany fa tsy ny vary izay foto-tsakafo iveloman'ny Malagasy ?

Tsy ny fambolena ihany anefa no hasoavin'ny rano. Misy biby mivelona koa ao aminy araka ny andalana faha-19 manao hoe : "Ny rano fonenan’ny hazan-drano". Ny trondro, ny patsa, ny foza sy izay biby fihinana rehetra ao ambany rano dia mbola sakafo mamelona ny olona koa.

Noho izany, mamelona ny zavaboahary rehetra ny rano. Rehefa manome aina ny biby sy ny zavamaniry izy dia azo antoka ny fiainan'ny olombelona. Rariny araka izany raha nilaza ny mpanoratra eo amin'ny andalana faha-18 manao hoe "fa maty aho raha toa ka tsy misy rano". Manala hetaheta manko io rano io ka na ny biby na ny olona dia mila misotro azy daholo.

Karazan-javatra samihafa no mety hahitana rano ao amin'ny taharony.

Hoy izy eo amin'ny andalana fahadimy manao hoe "vôlkano mipoaka manjary rano". Ny vôlkano na afotroa dia tendrombohitra ivoahana na nivoahan'ny tsiranoka mahamay, afo ary lavenona miara-mijolofo. Mikoriana midina ny ranoka avy eo ka lavenona sisa tavela rehefa maina. Mahatonga ny tany ho mahavokatra ny fikorianan'iny. Ilay lavaka nivoahan'ny ranoka volokano kosa mety hivadika matsabory mitahiry rano ka izay no ambaran'ny mpanoratra eto.

Aina, mety hahazoan-taranaka koa ireo karazana tsiranoka mifamatotra amin'ny tenan'ny olombelona. Hoy izy eo amin'ny andalana faha-15 sy faha-16 manao hoe :

"Ny rano mitsitaika manjary aina
 Aina mivoatra ho sombin’ny aina".

Izany hoe raha tsy misy ando, tsy misy fitsimohana ka tsy azo atao tsinontsinona  eo amin'ny fitohizan-taranaka na hanaovana rainazy io rano mitondra ny tsirinaina hivoatra ho olona io.

 *
*  *

Raha fintinina, ny rano dia tsiranoka voajanahary miantoka ny fahaveloman'ny manana aina rehetra izay mahasoa ny biby, ny zavamaniry ary ny olona. Tsy misy mantsy ny sakafo raha tsy misy ny rano, tsy afaka ny hetaheta raha tsy eo ny rano. Mety hiteraka aina sy hampisy taranaka koa izy ka tsy azo atao tsinontsinona na oviana na oviana.

Date de dernière mise à jour : 07/12/2024