Esther Nirina
Toetra
Ràja - 17/11/2024
Fakan'ny poeta
Tsingerina
faha-92 taonan'ny poeta Esther Nirina
17/11/1932 - 17/11/2024
Mety hianjadian'ny tsiny amam-pondro ny poeta miorim-ponenana any andafin'ny riaka. Misy amin'izy ireo aza no alaim-panahy hanamarina ny fiiziny sy ny fifikirany amin'ny kolontsaina malagasy. Mahalaza izany indrindra ny teny filamatry ny poeta Esther Nirina hoe "Ny fakako eto dia eto". Manoloana izany teny hentitra sy sarotra hamaivanina izany, tsara hofaritana ny mety ho ahiahin'ny fiarahamonina mahakasika ny fakany. Tombanana avy eo ny antony nanambarany ny maha "eto dia eto" an'izany fakany izany.

Fanahiana ny fakany
Antony
lehibe ifotoran'ny ahiahin'ny fiarahamonina ny fandaozan'ny poeta ny
tanindrazany, indrindra moa fa fifindra-monina no antony. Fandre
matetika mantsy ny hoe "nahoana no
tsy mody raha tia tanindrazana marina?". Vesatra iraisany
amin'ireo mpila ravinahitra izany fa indro ny manginy ho an'ny poeta: "Tsy eto Madagasikara ve no sahan'ny
literatiora malagasy ka modia mba hahita e!"
Noho ireny indrindra angamba no nahatonga an'i Esther Nirina
hamerimberina an'ity teny nampahatsiahivin'i Iarimanana Mialisoa
Véronique ity hoe "Ny
fakako eto dia eto", izay taizany sy tena
mahafantatra azy. Vavolombelon'ny teny ren'ny sofiny izy ary
nanatri-maso ny resaka nifanaovan'ity poeta ity tamin'ny olona ka
anisany i Rado izay namangy azy tany Ambohimifangitra
tanindrazany. Tsy vitan'ny hoe "eto" fa "eto dia eto" ny fakany.
Hentitra izany fitompoan-teny fatratra izany ka sarotra hiadian-kevitra
sao hiteraka fifandirana.
Azo lazaina ho nandao "tanteraka" ny Nosy anefa i Esther Nirina teo amin'ny faha-20 taonany satria nonina tany Frantsa mandra-pisotroany ronono, izany hoe nandritra ny 40 taona. Samy hafa mantsy ny fivahiniana voafaritra ara-potoana toy ny fandrantoana fianarana (Rado), fanefana iraka (Pierre Randrianarisoa), fisetrana sesitany (Jacques Rabemananjara), fitsaboan-tena (Reine David Andriamiharisoa)... sy ny fifindra-monina maharitra na tanteraka.
Manampy trotraka ny ahiahy ny fahafantarana fa manoratra amin'ny teny frantsay i Esther Nirina ary nifanerasera avy hatrany tamin'ny poeta frantsay Hélène Cadou nony nanomboka niasa tany Orléans. Toa vao mainka manamafy izany izy fotsy fihodirana amin'ny maha metisy frantsay ny reniny. Na eo aza anefa izany, tsy efa fomba fanombanana ireo Malagasy valovotaka any andafy rahateo ve ny hoe "lasa vazaha"? Mahatalanjona fa tsy mampihontsina ny fifikiran'i Esther Nirina amin'i Madagasikara izay ambarany fa itoeran'ny fakany izany ahiahy rehetra izany.

Ny fakany "eto dia eto"
Raha
azo oharina amin'ny zava-dehibe maniry i Esther Nirina dia
karazan'ireny tsy fahita aman-tany ankoatra ny toeran-tokana ireny. Ao
ny fakany ka izay mihevitra ny hanongotra ka hamindra azy any an-kafa
dia hamono azy. Toy ny fakan'ny landim-boatavo tsy voatohintohina ny
azy na dia "mankatsy sy mankaroa" aza ny tahony sy ny raviny ary ny
voany fa zary vavolombelon'ny fisandratany sy ny hasoan'ny taniny. Tsy
i Madagasikara ihany mantsy no saha azon'ny kolontsaina malagasy
ivelarana. Tsy tokony ho ireny poeta ireny indrindra aza ve no
masoivohon'ny kolontsaina malagasy any ivelany? Asandrany ho fantatry
ny firenena maro i Madagasikara sy ny kolontsainy amin'ny alalan'ny
fampiasana teny vahiny. Nifanerasera sy nandray andraikitra teo
anivon'ny fianakaviam-be malagasy tao Orléans izy, indrindra fa
tamin'ny fananganana sy fampiroboroboana ny Fiangonana Protestanta
Malagasy tao amin'io tanàna io. Tsy nanadino ny tanindrazany izy tao
anatin'izay fonenany tany Frantsa izay, indrindra fa i Ambohimifangitra
vohitra niaviany sy ilevenany ao amin'ny fasan-drazany ao. Marihina fa
Malagasy koa ny vadiny antsoina hoe Rabemananjara Guy.
Mbola i Madagasikara sy ny literatiora malagasy hatrany no fiainany nandritra ny fotoana nisotroany ronono. Niverina nanorim-ponenana teto amin'ny Nosy mantsy izy tamin'izany ary nahavita asa goavana. Nampivoatra an'Ambohimifangitra ity poeta mpanasoa ny olona sy ny fiarahamonina ity.
Nisongadina ny asany teo amin'ny sehatry ny literatiora toy ny fanontana boky tononkalony, firotsahany ho mpikambana tao amin'ny Akademia malagasy, fitantanany ny fikambanan'ny mpanoratra S.E.R.O.I. (Société des Ecrivains de la Région de l'Océan Indien) niarahany tamin'ny poeta sy mpanoratra Régis Rajemisa-Raolison, Reine David Andriamiarisoa (mpanangana), Pierre Randrianarisoa, Charlotte Rafenomanjato... Nifanerasera tamin'ny mpanoratra sy poeta maro izy araka izany.
Mety hampiahiahy ny lanjan'ny kolontsaina malagasy ao amin'ireny poeta miorom-ponenana any andafin'ny riaka ireny. Ny fiovan'ny toeram-ponenana anefa tsy mandrava ny fakam-piorenana. Niorina teto Madagasikara ny poeta Esther Nirina, nisandratra tany Frantsa, kanefa tsy nitsahatra niaina ny literatioran'i Madagasikara toy ireo poeta maro mivelatra eran'izao tontolo izao. Nisy ireo tsy niverina intsony. Tao ireo nihevitra ny himpody saingy tsy nahatanteraka izany. Anisany i Jacques Rabemananjara izay nirotsaka ho filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara tamin'ny 1992 ary nijanona tany Frantsa ihany noho ny tsy fahatanterahan'ny fanambiny. Ao anatin'ireo tsy niverina teto an-tanindrazana koa hatreto ny poeta F.-X. Mahah izay tsy mitsahatra manoratra an'i Madagasikara. Voatendry ho mpikamban'ny Akademia malagasy izy, toa ny poeta sady profesora elanihetezana Ny Malodohasaha, izay afaka mivezivezy eo amin'ny firenena roa tonta noho ny asa fampianarana, fikarohana, fanontana boky ary ny andraikitra amin'ny literatiora.
Sorapiainan'i Esther Nirina

*
* *