Faradoboka miavaka

Faribolana Sandratra - 35 taona

Faradoboka niavaka
Toetra Ràja - 12/01/2025

Faradoboka niavaka

Faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra

Tamin'ny 10 ora marainan'ny 10 janoary 2025, nigadona tao an'efitrano Jaomanoro tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ireo tompon'andraiki-panjakana notarihin'i Donna Mara Volamiranty, Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, nanome voninahitra ny faradoboky ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny fikambanana poeta sy mpanoratra Faribolana Sandratra. Noredonina avy hatrany ny hiram-pirenena araka ny nandaharan'ny tonian-danonana Mampandriniaina Manitra ny fotoana.

 Nidobodoboka araka izany tokoa ny apongan-dry Zanaray Percussions nanafana ny fotoana, nomban'ny hira sy antsa tononkalom-paritra nanelanelana ny kabary sy ny fanolorana mariboninahitra.

Voaravaka haingo samihafa iavahan'ny loko mavo sy mainty ary fehezam-boninkazo ny efitrano, hatrany amin'ny tohatohatra sy ny efitrano Dox nanatanterahana ny tsaingoka sy goka tamin'ny faran'ny fotoana. Nisantatra ny fifandimbiasam-pitenenana Ranöe (Rakotomahafaly Norbert Eugene), mpandrindra nasionaly, sy Jean Nalisoa Ravalitera, zokiny indrindra amin'ireo mpiraifaribolana Sandratra.

Nampiavaka ny lahatenin'ny Ministra ny fanoharana ny taonan'ny Faribolana Sandratra amin'ny an'ny tanora ao anatin'ny heriny sy ny fahamatorany. Nomarihany ny tsy maha irery ny Ministera amin'ny fampiroboroboana ny Kolontsaina noho ny fiarahana miasa akaiky amin'ny fikambanana. Nahazo tombony manokana amin'izany ny mpiraifaribolana Sandratra tamin'ny alalan'ny tsodrano nafafin'ny Ministra ho azy ireo.

Nampiavaka ity lanonana ity ny fanolorana mariboninahitry ny kanto (Ordre des Arts, des lettres et de la Culture) ho an'ny mpiraifaribolana sy ireo sakaizany ka 7 ho an'ny Commandeur, 17 ho an'ny Officier ary 16 ho an'ny Chevalier.

Nisongadina tao anatin'ny fotoana koa ny fianohana horonantsary mamaritra ny lalana nodiavin'ny Faribolana Sandratra izay novolavolain'i Tsikimilamina Rakotomavo, sakaizan'ny Faribolana Sandratra. Tsara ny manamarika fa notolorana fanomezana manokana ireo mpanorina telo ny fikambanana izay nanatrika ny lanonana dia i Jean Nalisoa Ravalitera, Ranöe ary Niry-Solosoa. Marihana fa nanatrika ny fotoana koa i Gérard Rakotonirina anisan'ireo tranainy indrindra tao amin'ny fikambanana, niampy ny zanak'ireo mpanorina efa nodimandry toa ny zanak'i elie rajaonarison sy Solofo José.

Miarahaba manokana ireo mpiraifaribolana Sandratra ny Poetawebs ary manasongadina etoana ireo tenin'ny poeta ao aminy izay notsongaina tao anatin'ny lanonana.

Faribolana Sandratra ?

"Faribolana velona manome aina ny kanto amin'ny endrika miovaova arakaraka ny fanahin'ny mpiraifaribolana avy !"
FIANTSA HARY DIA

"Fifarimbonan'ny kanto marolokon'ny literatiora ny Faribolana Sandratra !"
LOVA SANTATRA

"Poeta  ny faribolana!
Poeta manahiran-tsaina! Mpanasina ny zoky saingy fatra mpitsikera! Poetan'ny fiarahamonina, olona tsy hay faritana..."
RA-PHI

"Ny Faribolana Sandratra amiko dia fanovozana hafaliana sy herijika ary ainga vao. Fianakaviana hafa"
ELINIVO RATSIMBAZAFY

"Faribolana Sandratra : Fiaraha-mirona, hanandratana ny literatiora malagasy."
FANIRY EZECKIEL

"Ny faribolana dia araka ny anarany, sady faribolam-panandratana no faribolam-pisandratana"
MAMPANDRINIAINA MANITRA

"Faribolana Sandratra : Poetan'ny vanimpotoana."
MAHEFA

"Ny Faribolana Sandratra dia fanandratan-teny fa tsy fanandratan-tena, satria faribolana tsy misy avo sy iva..."
NARILALA

Faribolana Sandratra, 35 taona
Velona ny soratra, masina ny tany fa teny itony tany itony, teny tony tonga tononkalo.
PARFAIT REMI RANDRIANIRINARISOA

"Faribolana Sandratra, tohivakan'ireo mpanoratra mpandrary teny ho tonga kanto miavaka"
NIRIHAJA

"Ny atao hoe Faribolana Sandratra dia vondron'olona mpamorona na mpanoratra mpiray dia mpivoy zava-kanto vita amina teny hanandratana  ny fitiavan-tanindrazana."
RAH JOE

Ny Ministra teo amin'ny kabary
Sary Solo Pixela

Ireo manam-pahefana eo amin'ny voalohan-daharana.
Mitsangana ny tonian-danonana
Mampandriniaina Manitra

Sary Solo Pixela

Ireo mânorina ny Faribolana Sandratra tonga nanatrika
Sary Solo Pixela

Teo am-panapahana ny mofomamy
Sary Solo Pixela

Ireo lehilahy nahazo mariboninahitra
Sary Solo Pixela

Ireo vehivavy nahazo mariboninahitra
Sary
Solo Pixela

Ireo nasandratra ho "commandeur"
niaraka tamin'ny Ministra

Isan'ireo sakaizan'ny Faribolana Sandratra
notolorana mariboninahitra
Tsikimilamina Rakotomavo sy Fanja Razah.

Poetawebs notolorana mariboninahitra
Eo ankavia i Tsikimilamina Rakotomavo sakaizan'ny Fa
ribolana Sandratra. Eo ankavanana i Faniry Ezeckiel Mpiraifaribolana Sandratra Betafo

Ireo mpanatrika, ahitana ihany koa ireo nomena mariboninahitra
Sary Solo Pixela

Ireo mpanatrika
Sary Solo Pixela

Fiarahana manala hetaheta sy sakafo tamin'ny famaranana ny fotoana
Sary Solo Pixela

Mankasitraka an'i Solo Pixela nanolotra ny sary

Date de dernière mise à jour : 13/01/2025