Ilay anaranao

Modely
Felana Radoniaina - 05/08/2024

ILAY ANARANAO - LE MYOSOTIS

05 aogositra 1910 -  05 aogositra 2024, 114 taona i Le Myosotis raha mbola nandia tany. Mamelovelo hatrany ao anaty anefa ny "aloka sy tsikiny" koa andeha hotsiahivina kely ny anarany amin'ny alalan'ity tononkalo ity.

"Dia tiako haverina mangina fa hany heriko sy mamy
 Ny anaranao ry tiako
 No hany kintana hanazava, fa toy ny endrikao lalaiko
 Ito lohasaha vakiko, ka hiampitako any ho any
 "Ary hitantana ny diako""
 Ilay anaranao, tak 112

Raha vao teraka ny olona iray dia mazàna ny anarany no anontanian'ny mpamangy ary mahaliana ny rehetra. Ray aman-dreny maro no sondriana ery mamorona anarana raha vao fantatra fotsiny hoe mitoe-jaza ravehivavy. Misy heviny lalina amin'izy ireo ilay anarana ampisalorany an-janany avy eo. "Ilay anaranao" no lohatenin'ilay tononkalo mahaliana voarakitra ao amin'ny boky nosoratan'i Le Myosotis eo amin'ny tak.112.  Andao hohalalinina eto hoe inona ny lanjan'ilay anarana sy ny vokany ?


LANJANY


Milaza zavatra avy hatrany momba ny olona iray ny anarany.  Manan-danja amin'ny olona tia koa ny anaran'ilay tiavina. Hoy Le Myosotis hoe "tiako haverina mangina fa hany heriko sy mamy ny anaranao ry tiako". Fantany mantsy fa na miatrika olana aza izy, na miatrika zava-tsarotra, ny famerenany am-po mangina ilay anarana dia mitondra hery ho azy satria toy ny eo anilany eo ilay tiana hiara-hiatrika ny dia. Fantany tsara ny toetran'ilay tiana ka matoky izy fa hery ho azy na dia ny anarany fotsiny aza.
 

VOKANY


Ohariny amin'ny kintana hanazava, mitari-dalana sy mitsinjo ilay anarana. Azony antoka fa hahomby izy satria eo ilay tiana hiaraka hamakivaky ny fiainana aminy.

"Ny anaranao ry tiana no hany kintana hanazava, fa toy ny endrikao lalaiko".

Na dia mandeha amin'ny lohasaha mangina aza dia ho tafita izy noho ilay anarana. Hoy izy:

"Ito lohasaha vakiko, ka hiampitako any ho any
"Ary hitantana ny diako""

Sarobidy ary manan-danja ny anarana. Milaza ny maha izy ny olona iray ny anarana.

Marihina fa nandrafitra ny sorapiainan'i Le Myosotis ny tranonkala Poetawebs t
amin'ny 16 oktobra 2022.

Date de dernière mise à jour : 05/08/2024