Ako anaty
Heriarilala
Andriamamonjy - 18/12/2024
AKO ANATY
Bokin-tononkalon'i Ilo Sederamanana
AKO ANATY, boky voalohany havoakan'i Ilo Sederamanana na Andrianalimanana Sedera Mikaela. Poeta novolavolain'ny Zanatsehatra Malagasy tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo ity hamoaka amboaran-tononkalo amin'ny 27 desambra ity; amin'ny 2 ora folakandro no hanomboka ny seho. Ao amin'ny UNESCO Behoririka no hamoahana izany boky mirakitra tononkalo 69 izany. I Nalisoa Ravalitera no manolotra ity boky novokarin'ny Edisiona STeLaRiM ity. Taratra ao ireo andavanandron'ny olombelona sy ny haratsiana misy eny amin'ny fiarahamonina eny. Tsy mitsikera fotsiny anefa ny mpanoratra fa nandroso vahaolana amin'ny alalan'ny kolontsaina mba hahafahana mandamina izany rehetra izany.
AKO ANATY no anarana nasalotra ny boky "satria ny zava-misy eo amin'ny fiarahamonina no mitondra AKO ANATIn'ny mpanoratra ary rehefa vakina ny asasoratra dia miAKO any ANATIn'ny TSIRAIRAY izay mamaky", hoy ny fanazavan'i Ilo Sederamanana.
"Mpiantsa maromaro no hifarimbona ao anatin'ny hetsika fa mbola tsy holazaina aloha ny anaran'izy ireo fa mahafinaritra kokoa raha amin'ny andron'ny fampisehoana vao mahita azy ny mpijery", hoy ity mpanoratra ity. Hisy mpihira tsy ampoizina koa handravaka ny fotoana. Hisy ny resadresaka hahafahan'ny mpanotrona tsy ankanavaka mitafa mivantana amin'ny mpanoratra.
Nisafidy hikolokolo sy hanatsara ny asasoratra malagasy ity poeta ity satria izay no asan'ny "ilo" na menaka hoy izy. Anisan'ny antony nisafidianany ny solon'anarany izany. "Te hametraka ny literatiora eo amin'ny toerana ambony aho. Asasoratra no tena mameno ny lohako ary fantatro fa mitaky andraikitra goavana eo amin'ny fiainana ny maha mpanoratra mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava", hoy hatrany izy.

Date de dernière mise à jour : 18/12/2024