Joseph Andrianaivoravelona ! Poeta mizara fitiavana
Tsikimilamina
Rakotomavo - 11/10/2024
Joseph Andrianaivoravelona !
Poeta mizara fitiavana
Tsingerin-taonany
faha-147
11 oktobra 1877- 11 oktobra 2024
Ho fanamarihana ny tsingerina ho an’i Joseph Andrianaivoravelona dia fifaliana ho an’ny Poetawebs ny mizara ireo amboaran-tenin’ireo akaiky azy izay nanasongadina ny hasiny teo amin’ny tontolo niseharany.

Dr Radaody Ralarosy
Tsiriry ahitra hipetraka
ny asa aman-tsoratra navelan’Itompokolahy Joseph Andrianaivoravelona.
Rakitra mipetraka ho lovan’ny taranaka aoriana. Tsy nanasoa ny eto
an-drenivohitra na ny eto an-kibon’Imerina ihany fa namela mamy koa ho
an’ny Malagasy tsy vaky volo.
Nanana anjara koa izy tamin’ny fanaovana artikla mikasika ny Baiboly dia ny Sakaizan’ny Baiboly sy ny Diksionera amin’ny Baiboly.
Ny poezia nosoratany dia vokatry ny fihetseham-po tamin’ny zavatra samy hafa sendra hitany, ny toerana manan-tantara sendra notsidihany, ny toe-javatra manaitra sendra niseho.
Ny fihetsehan-tsaina koa tamin’ny fandinihany ny voninahitry ny fiainana dia nahavitany Poezia isan’izay mahafinaritra indrindra; fa hoy izy :
Ny fiainana tsy tia fandrosoana
Dia haetrin’ny fahadontoana
Harafesina sy halotoana
Na ho solon’ny faharavoana
Koa ny mikendry ny ambony ihany
Tsy manendry ny zavatra ambany.
Tsy mba misy tsy ho faty na zovy izao na zovy
Na ambony na ambany, na ny faly na ny ory
Nefa kosa, nefa kosa izao ihany no tsarovy
Ny olo-nahavita soa, tsy mba maty fa matory.
H .Randzavola
Lehilahy malalaka Itompokolahy Joseph Andrianaivoravelona ary mipariaka eran’ny gazety maro ny soratra nataony. Ny betsaka indrindra dia angamba ny Mpanolo-tsaina. Manaraka izany dia tao amin’ny gazetin’ny Misiona sy ny Maintimolaly ary ny Fikambanana miankina amin’ny Fivavahana samy hafa :Teny Soa, Sakaizan’ny Tanora, Ranovelona.Nanana anjara koa izy tamin’ny fanaovana artikla mikasika ny Baiboly dia ny Sakaizan’ny Baiboly sy ny Diksionera amin’ny Baiboly.
Ny poezia nosoratany dia vokatry ny fihetseham-po tamin’ny zavatra samy hafa sendra hitany, ny toerana manan-tantara sendra notsidihany, ny toe-javatra manaitra sendra niseho.
Ny fihetsehan-tsaina koa tamin’ny fandinihany ny voninahitry ny fiainana dia nahavitany Poezia isan’izay mahafinaritra indrindra; fa hoy izy :
Ny fiainana tsy tia fandrosoana
Dia haetrin’ny fahadontoana
Harafesina sy halotoana
Na ho solon’ny faharavoana
Koa ny mikendry ny ambony ihany
Tsy manendry ny zavatra ambany.
Dr Felix Andrianaivoravelona
Na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany noho ny asa, toetra, soratra napetrany.Solohery Paul, Mpitandrina
Vato velona niorina tamin’ny vato fehizoro ireo ray aman-dreny lolohavina sy mendri-kaja ireo.Eliza Freda
Tsy mba misy tsy ho faty na zovy izao na zovy
Na ambony na ambany, na ny faly na ny ory
Nefa kosa, nefa kosa izao ihany no tsarovy
Ny olo-nahavita soa, tsy mba maty fa matory.