Créer un site internet

Tany menan'i Pierre Randrianarisoa

Tany menan'i Pierre Randrianarisoa
Felana Radoniaina - 29/08/2024

TANY MENAN'I PIERRE RANDRIANARISOA

Tsingerin-taonany faha-92
(29/08/1932 - 29/08/2024)


29 aogositra 1932, nifaly ny tao Tsianaloka Toliara fa nahita masoandro ilay taranaka hanana ny maha izy azy eo amin'ny fiarahamonina malagasy. Tsy iza izany fa i Pierre Randrianarisoa izay zanaky Rapiera Daniel sy Ravaonirina Marie Christine. Malagasy ray, Malagasy reny izy ary nitazona ny maha Malagasy azy foana mandra-pahafatin'ilay masoandrom-piainany tamin'ny 22 novambra 2010. Malagasy nandia fianarana tany ampitan-dranomasina i Pierre Randrianarisoa. Ary maro ireo sekoly nodiaviny tany. Tsy nahasakana ny fifikirany tamin'ny tanindrazany anefa izany fandratoana fianarana ivelan'ilay Nosy Mena izany. Eny, tena poeta nifikitra tamin'ny tanindrazany tokoa i Pierre Randrianarisoa.  Manasongadina izany ny tononkalo vitsivitsy izay nosoratany, ka anisan'izany ilay nampitondrainy ny lohateny hoe TANY MENA izay hanatsoahana ny andininy faha-6, 7, 8 ary faha-13.

Ny elanelan-tany no nanainga ny tanany handray ny penina ka nandraketany an-tsoratra ilay aingam-panahiny. Na lavitra aza mantsy izy dia tsapa amin'ilay tononkalo hoe Tany Mena fa tsy mahafoana ny maha Malagasy azy ny toerana nisy azy.

Tsaroany irony asa mafy, ny fisasaran'ny ray aman-dreny mba hamelomana ireto menaky ny aina. Nidera an'i Dada ho tena lehilahy mahery sady sahy noho izany asa mafy izany izy ao amin'ity andalana ity:

Fa tena lehilahy
Nahery sady sahy
'Njay Dada nanatsatoka
Ny angadiny aman-tany
Nidofa-katsembohana

Tsy latsa-danja amin'izany koa ny tsiaro an'i Neny izay tsy mikely aina maninjitra ny tanany mba hiasana hifanampiana amin'i Dada. Mariho ange ny filazan'i Pierre Randrianarisoa izany e!

Nitsiky kosa i Neny
Na dia efa vizana aza
'Lay Izandry tam-babeny
Raha nitoto vary indray
Mba hialemanay.

Teto amin'ity Nosy Mena ity ihany no nandanian 'ireo ray aman-dreny ny heriny, hanabeazana sy hanefana ny adidiny tamin'ny famelomana ireto zanany.

Ireo tana-mafin-kitrony
Sy tongom-peno fotaka
No nentin'izy ireo nandany
Ny heriny hiasana tany.

Mbola tsaroany ilay Nosy maminy vao mijery ilay tongotra ankavia izy ka nolazainy mazava fa io tongotra ankavia io, izay toy ny sary maneho an'i  Madagasikara; io no hampahatsiahy azy mandrakizay fa misy tany mamy, misy tany soa any ho any, tany mena tsy fanadino.  

Fa na aiza misy ahy
Ny dian'ny tongotro ankavia
Mbola ao hampahatsiahy
Anao mandrakizay doria

Toerana tsy manam-paharoa tokoa raha i Madagasikara ka tsy azo hadino na oviana na oviana.

Sorapiainan'i Pierre Randrianarisoa

_________________

TANY MENA


(...)

Fa tena lehilahy
Nahery sady sahy
'Njay Dada nanatsatoka
Ny angadiny aman-tany
Nidofa-katsembohana

Nitsiky kosa i Neny
Na dia efa vizana aza
'Lay Izandry tam-babeny
Raha nitoto vary indray
Mba hialemanay.

Ireo tana-mafin-kitrony
Sy tongom-peno fotaka
No nentin'izy ireo nandany
Ny heriny hiasana tany.

(...)

Fa na aiza misy ahy
Ny dian'ny tongotro ankavia
Mbola ao hampahatsiahy
Anao mandrakizay doria

(...)

Pierre Randrianarisoa
in Hiaka sy hirahira hatrizay
tak 94 - 95


Date de dernière mise à jour : 22/08/2024