Inty ny tsodrano
Felana
Radoniaina - 26/11/2024
INTY NY TSODRANO
Tsingerina
faha-86 taonan'ny poeta Di...
26/11/1938 - 26/11/2024
____________________
INTY NY TSODRANO
(…)
Indro ny tso-drano afafiko lehiroa !
Mahaleova ! Mahalasàna ! Saingy izao :
Aoka tsy haningantsingana na hizahozaho ianao
Tsy hitera-bokatsoa ny tolona atao irery
Ny mita be tsy lani-mamba, ny firaisana no hery
Ataovy tsara ho an-doha
Ataovy an-tsaina lalandava
Raha tanteraka izany dia hiova ny Tantara
Ho tany sambatra ny Nosy, ho avotra i Gasikara
Di….
_________________
Tsodrano, anisany manan-danja eo amin'ny fiainan'ny olombelona ny fahazoana tsodrano: hanorina tokantrano, tera-bao, hiatrika fanadinana... Tsodrano sady anatra ny an'i Di... ao amin'ilay tononkalo nampitondrainy ny lohateny hoe "Inty ny tsodrano".
Hafatra mafonja ny hoe "aoka tsy haningantsingana na hizahozaho ianao...". Marina tokoa izany, tsy hoe tsara tsodrano dia mihevitra ny ho tafita samirery ka ho zary hiolonolona sy hitokantokana tsy hiaraka amin'ny besinimaro. "Tsy hitera-bokatsoa ny tolona atao irery" hoy i Di... manohy ny tsodranony.
Nasongadiny avy eo ny ilana ny firaisankina, fihavanana, fiarahana amin'ny maro rehefa naveriny ilay fitenenana hoe "ny mita be tsy lani-mamba, ny firaisana no hery". Tsy aleo tokoa ve miara-manao zavatra amin'ny namana toy izay irery?
"Ataovy tsara ao an-doha
Ataovy an-tsaina lalandava"
Ilaina tadidina foana, raha mbola velon'aina, fa raha samy manao izay tandrify amin'izany fanomezan-danja ny firaisankina izany ny rehetra dia ho anjara biriky lehibe hanorenana fihavanana izany. Hoy i Di...:
"Raha tanteraka izany dia hiova ny Tantara
Ho tany sambatra ny Nosy, ho avotra i Gasikara".
Andao àry hiombona hampiray saina, tsy hiolonolona fa samy hikely aina.
Zohio ny sorapiainan'i Di...