NIRHY-LANTO ! Poeta mampianoka ny Rindrambolana

NIRHY-LANTO ! Poeta mampianoka ny Rindrambolana
Tsikimilamina Rakotomavo - 01/10/2024

NIRHY-LANTO ! Poeta mampianoka ny Rindrambolana

1 oktobra 1923-1 oktobra 2024
RINDRAMBOLANA
NIRHY-LANTO ! Poeta mampianoka ny Rindrambolana

Teny kanto ary mahalaza ny tranga rehetra manodidina ny fiainam-piarahamonina ny Rindrambolana, amboara mirakitra ireo tononkalon’i NIRHY-LANTO Rakotonindrina Charles Victor izay anaovana ny tsingerina etoana. Rariny loatra raha zaraina amin’ny taranaka mifandimby ny lanjan’izany tahirin-kalo izany satria mifono hevi-dalina sy mampita hafatra mafonja hoenti-miatrika ny vesatry ny andavanandrom-piainana mila hahatrotraka.

Nivoaka imaso ny 26 avrily 1996 ny Rindrambolana. Ny Edisiona Teza boky no niantsoroka ny fanontana izany. Boky manara-penitra izy ity satria mihasinkasina ao ny teny fanolorana izay nataon’i Rado, ny fanafohezan-teny izay manoro ny mpamaky tsy ho very anatin’ny alan’ny vakiboky, ny tononkalo maroloko, ary ny fanamarihana samihafa. Mandravaka ireo rehetra ireo ny lokon’ny boky izay fotsy manjopiaka ka ahitana taratra ny fahadiovam-pon’ny poeta mampita fanahy.

Manitikitika ny saina ihany koa ny hamantatra ireo tononkalo izay tena voasokajy araka ny lohahevitra. Voalohany amin’izany ny tononkalo maneho ny fiainana toy ny mpiasa miray hina (tak 78), ny vehivavy (tak 91) izay aroso amin’ny ampahany.

Misy anefa fihamboniana an’ny vehivavy irery
 Mampanjoko lehilahy na maradona, nofosana
Zovy moa no tsy hanaiky afa-tsy ny very jery
Fa izy hany loharano sy kitapo nifonosana

Tsy hadinon’ity poeta ity ireo kalo miventy ny finoana sy vavaka toy ny voninahitra ho an’Andriamanitra (tak 81)

Voninahitra ho amin’ny avo… eny, aoka ho an’Andriamanitra !
Na hilamina ny tany, na ho tototry ny sazy
Na ho mponina miriaka, ho kapotro na maranitra
Mbola ho Azy samirery ny voninahitra efa Azy

Ankoatra izany dia mampiharihary ireo tononkalom-pitiavana ny rindrambolana. Anisan’ireny ny Resim-pitiavana (tak 41)

Hiaraka an-dalan-kizorana
Hizara ny tsiky satria
Na erika mantsy na orana
Iray ny sarotrom-pitia

Fanampin’izay voambara dia tsikaritra fa manasongadina ny tanindrazana ny tononkalon’i NIRHY-LANTO. Iray amin’ireny ny Madagasikara (tak 18-20)

Nefa raha nisy kosa feo ambany sady farina
Na dia olon-tokana aza no nipoiran’izy izay
Ka mangataka Aminao ry Andriamanitry ny Marina
Mba iantrao sy mba vonjeo i Madagasikaranay

Rehefa zohina kokoa ny Rindrambolana dia mbola ahatarafana singa hafa manome hasina azy tahaka ny andram-pikaliana izay anehoana ireo famakafakana izarana ny haren’ny teny malagasy ary indrindra anovozam-pahalalana mikasika ny haisoratra.
Ny fivondronan’ireo voambara rehetra ireo no mandrafitra ny Rindrambolana ka hampitan’ny poeta fa velona ny teny malagasy ary mendrika holovan’ny taranaka rehetra handimby rahatrizay.

Date de dernière mise à jour : 28/09/2024